FOIBE FJKM : Lavaka ara-bola 1,7 Milliara FMG

1. xxx ( 24/05/2004 20:34)
Hoy ny mpanao gazety Jeannot Ramambazafy, tamin' ny Alakamisy 13 Mey 2004 tao amin' ny Madagascar Tribune, hoe ny FOIBE FJKM dia misy lavaka be (ara-bola) 1,7 Milliara FMG.
novalian'i livakely ny 21/07/2004 06:29
2. samoina ( 24/05/2004 21:10)
Efa lavaka be koa hatr@ 13 mai sy androany 24 mai ary efa novoaboasan'ny namana teto io lohahevitra io fa tsy hitan'i xxxx nivôka avy any an-davaka. Tsy misy tsiny e !
3. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:01)
rehefa mba tsy ny finoanay aloha no lavaka.. fa ny varavarana hankanesan'ireo mpangalabola mankany @ afobe dia mba tsy manahy...
4. fijo ( 24/05/2004 23:30)
fa misy mpangala mbola koa izany any ampiangonana?hiangona marina moa ny dia any fa tsy hivavaka ko.
5. kally ( 26/05/2004 16:42)
Fijo,ny valan'ondry dia mety ho tafiditry ny amboadia,dia toy izany koa ny fiangonana manintona ny dahalo sy ny mpanao ratsy,fa ny finoana dia an'ny tsirairay ary fifandraisany manokana amin'Andriamanitra.Samy manana ny toe-tsainy ny tsirairay miditra ao amin'io fiangonana io ary samy manana ny tanjony.
6. kally ( 26/05/2004 16:44)
Fijo,ny valan'ondry dia mety ho tafiditry ny amboadia,dia toy izany koa ny fiangonana manintona ny dahalo sy ny mpanao ratsy,fa ny finoana dia an'ny tsirairay ary fifandraisany manokana amin'Andriamanitra.Samy manana ny toe-tsainy ny tsirairay miditra ao amin'io fiangonana io ary samy manana ny tanjony.
7. fijo ( 26/05/2004 23:38)
ka matoa misy lavaka ao dia ny mpitondra izany ko?dia amboa dia izany no mpitondra ao?ialao raha izany.
8. kally ( 27/05/2004 16:23)
Fa rehefa tafiditry ny amboadia ve ny valan'ondry dia midika fa amboa ny mpiandry ondry?
9. ikaretsaka ( 27/05/2004 19:14)
fia tsy hay intsony e.. mivavaha fotsiny ihany fa az any ataon'i pasitera ry reto no jerena an.. andiamanitra ivavahana fa tsy pasitera dia aza omena azy ny vola
10. fijo ( 27/05/2004 22:41)
ka raha izay dia aza mankany ampiangonana intsony,fa lasany any ny dol raha mbola mankany.
kally>matoa tafiditra tao ny amboa dia dia tsy mamely ny mpiambina.
11. razakh ( 29/05/2004 14:18)
tsyè ny fiangonana no tokony hatao fitadiavam_bola amiko. raha te hitady vola dia aleo manangana societé. Aza asiana resa bola mihintsy aao amin' ny eglizy amin' izay milamina!
12. fijo ( 31/05/2004 22:21)
aiza anefa izao no misy fiangonana tsy manao fitadiavam bola?vatican ve???
13. livakely ( 15/07/2004 08:49)
Raha ny fahafantarako azy dia ilay mpanao gazety mihitsy no voatsolotra satria:
-mahalala tsara ny fizotran'ny raharaha rehetra ao amin'ny foibe FJKM aho,ary sahy miteny fa LAINGA ny hoe hoe 1 700 000 000 lavaka tao.Misy audit iray matanjaka sy fanta-daza eto amin'ny firenena mihitsy no nanao ny fanamarinana rehetra tao,miampy ny mpanamarina 02 an'ny Foibe FJKM
-in'efatra atao sonia ny vola ao vao tafavoaka ny caisse ary olona efatra samihafa mba tsy hilazako hoe olona efatra tsy mitovy hevitra
-ireny rivo-doza nandalo ireny no tsy nahatonga ny adidy tany amin'ny foibe kanefa ny asa sy ny fiveloman'ny mpiasa ,fanafody telefaonina, jiro tsy maintsy aloa foana isam-bolana.Noho izany tsy naharaka ny vola niditra noho ny mivoaka .
Ny tena marina dia ny vola ho enti-miasa sy manohy ny asa no tsy ampy fa tsy misy halatra tao na iray aza.
14. livakely ( 21/07/2004 06:29)
tsy fiarovan-tena fa filazana ny marina sady ilaina koa ny manaporofo vao manely vaovao toy ireny indrindra ny mpanao gazety sy ny mpamaky gazety.Ary raha miaro, maninona moa, io no fiangonako io no culturako dia tsy rariny kosa ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2112