rehefa mba nanao stat kely aho dia hitako fa ny resaka politika no vitsy mpandray anjara

1. ravatorano ( 21/05/2004 12:11)
Ny mahatonga an izany dia tsy haiko aloha na leo politika marina isika na ahoana nefa dia hevitra no hampiadina eto.
Sa kosa v maivakitsaka loatra ilay adi hevitra ka mahatonga ny olona tsy handray anjara loatra ?
Ny fitiavana sy ny Fivavahana,finoana ary Fiaraha monina no tena betsaka mpandray anjara eto.
Na izany aza dia misaotra antsika isika e
maso indray mipika monja !
novalian'i fijo ny 27/05/2004 23:38
2. oully ( 21/05/2004 12:51)
Marina ny anao ravato !!!
3. yonikafopl ( 21/05/2004 19:41)
ravatorano , tay dia hoe maivankitsaka loatra akory ilay politika fa kosa mba hiala voly sy hitsiky no atao eto, ilay resaka politika mantsy toa tsy hahitako tombotsoa loatra .
4. ikaretsaka ( 22/05/2004 03:44)
ilay resapolitika mihitsy no tsy talentan'ny akamaroan'ny olona ato sy tsy te hivaky loha @ zany intsony fa efa mafy ny entiny isanandro (raha ny fahitako azy io an)
5. 2689 ( 22/05/2004 07:39)
Na sehatra aiza na sehatra aiza dia ny fitiavana sy finamanana no tian'ny olona indrindra, avy eo ny resa-body (sexe izany e), dia ary amin' ny farany ary ny resaka politika. Fa misy fotoana maha-mafampana ny toe-draharaha dia mba samy liana ny rehetra,fa raha toy ny ankehitriny, tsy misy malaza ny politika koa ,..
6. kitjo ( 24/05/2004 10:07)
Arakaraka ny alehan ol eto io fa misy oe manala azy fts,
misy ndray miakatra tension avy mamaky gazety toekarena ohatra na politika d mafana fo be
misy mitady vady sy reo lazain 2689 ireo

fa ny ankamaroany angamba d io lazain Ikaretsaka sy yoni io oe efa leo ny olona @ le fiainana d tsy te hivaky loha amzany tsn izy eto,

ny anah aloha d zay manala azy zay e, any @ hatsikana sy lalao, artiste, sarimihetsika sns,
d ny toe-karena no mba mahaliana ahy koa satria any no ahitako rirany kely, fa politika diso fandray ny heviny mitsy tsika gasy ka matetika misy marary fo d lasa sorena nefa mba hiala voly
7. hendry ( 24/05/2004 16:08)
arakarak´ilay politika, raha politika hihinanan-kanina dia ie :-)
8. yonikafopl ( 24/05/2004 17:03)
hendry hi hi hi hi ny kibo voky no vady manohana hoy ny fiteny izay, fa hafa ihany ilay tsiky dia ampy e!
9. fijo ( 24/05/2004 21:38)
efa mba nijery ireo loha hevitra rehetra koa aho ary nahatsapa an'io.ny antony dia maro,nefa kosa mba mino aho fa mba mamaky ao ihany ny rehetra.satria liana ihany saingy araka ny voalaza tery ambony dia leo ny mizaka azy ny maro ka tsy te hamaly na dia mahaliana aza ny hevitra mivoaka sasany ao.
10. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:14)
izahay aloha de tsy misy atokona amin'ilay resapolitika fafa OLP e (Olona Leo Politika) rehefa voky ny kobo dia miadana ny vahoaka dia milay ny politika amiko
11. kitjo ( 25/05/2004 16:06)
tsy haiko fa ra za aloha d ny olana d ny fandraisana ny dikan le politika mihitsy no diso e
satria diso ny fampisehoan ireo "mpanao politika" azy ny vahoaka, k aiza kosa izy no tsy ho leo
ze tonga eo milaza azy ho mahay aby nefa tsy hita oe aona na aona iany

Kanefa ange mila fandraisan andraikitry tsika vahoaka iany sa asa aloha e!
12. fijo ( 27/05/2004 23:38)
ika aza manao politikan gadana.ih,ih,ih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3781