Tokony mba haneho hevitra matetika ny filoha

1. tsilan ( 20/05/2004 01:31)
Amin'izay mantsy mba hita tokoa fa misy mpitarika ny Tanana fa tsy hoe izay tian'ny mpanam-bola no atao.
Sady mba manome hery ny vahoaka ny fahita fa misy mpitarika izy eh, na sarotra aza ny ady.
Koa mba tokony haneho hevitra isam-bolana fara fahakeliny ny Filohantsika.
novalian'i cutie ny 01/06/2004 17:34
2. ralay ( 20/05/2004 17:27)
Tena marina ny hevitrao tsilan nefa feno loatra ny fotoanan'ny filoha ka tsy afaka ny hanao izany isam-bolana izy fa rehefa misy occasion dia manao. Mety hisesy indraindray de mety tsy hisy ela².
3. cutie ( 20/05/2004 19:58)
ralay anga no filoha. hihihi.
4. fijo ( 20/05/2004 23:26)
cutie>tsy mba manana havana mijaly any angaha no tsy maneho hevitra fa mananihany izay manana lazaina?
ilay isam bolana kosa aloha tsy tratra fa tokony hatao isaky ny telo volana io,hampahafantarana ny olona izay zavatra misy sy izay kasaina hatao.
5. tsilan ( 21/05/2004 02:03)
Ilay izy anie tsy atao lava be eh

Mety mivoaka ny varavarana 10 minitra fotsiny izy miteny ilay hevitra dia vita, tsy misy fanontaniana na inona fa toy ireny any Amerika, Japana, Sina ireny.

Fifaneraserana izany eh, tsy hoe rehefa handeha na tonga avy any ivelany ihany vao tokony hiteny. Manjary filazan'ny matahotra mantsy izy amin'izay. Satria raha handeha ianao vao milaza dia hoy ny olona hoe andeha hialokaloka kely indray izy. Raha vao tonga amin'izay aleha indray dia toy ireny olona nisy mpankahery tany ivelany ireny dia sahy miteny.
Fa raha tsy mahasosotra dia aleo mba amin'ny an-davan'andro. Dia mba efa asiana pilpitra vonona foana ao an-tokontany itenenana. Amin'izay koa mba tsy ho ny feon'ny mpanohitra foana no re an-gazety.
Resaka ihany moa ity fa dia hita eo eh.
6. ravatorano ( 21/05/2004 12:00)
atao toy ny any zamerika e sady efa maka tahaka ny any ihany ka maninn tsy rantovina dhl izy rhtr.
Raha vao misy zvtr ilaina fanazavavna fa manohitohina ny fiainam bahoaka dia efa tokony ho eo Ingahirainy milaza ny heviny, ary raha toa ka mila tatitra dia atao inn fotsiny i Mox hamono afo fotsiny v sa mba manana initiative mnazava ny saimbahoaka.
7. fijo ( 26/05/2004 20:14)
io voalazan'i ravato io dia tsara ary mino aho fa fantany io,saingy asa izay tsy hanaovana azy???
8. cutie ( 31/05/2004 22:01)
fijo
ataovy we mananihany njay za e.
Tsy haiko akory we filoha iza anie ty lazain'i tsilan ty e. lol
9. cutie ( 01/06/2004 17:34)
Hay ve le fiohan-tsika ty lazainareo ty e. ary tena tara be za zany. hihihi. Fa tsy rehefa manao conference de presse ihany ve izy vao tokony hilaza ny heviny @ vahoaka e. Ravatoranao, ze fanaon'ny avy any zamerika any anga atao fianatra daholo?
Lasa tsy manana ny maha izy azy ny filoha fa mangala-tahaka raha izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1913