Mandaitra marina ve ny sur'eau

1. tsilan ( 19/05/2004 04:10)
Salama daholo
Ny sur'eau dia aparitaka eto amintsika hiadiana amin'ny Cholera, ary dia fikambanana Amerikana no misaha izany eto amintsika.
Raha ny vaovao voaray alefan'ny NYSDEC mikarakara ny tontolo iainana sy ny rano any New York USA anefa dia ao amin'ny tanan-dehibe Manahatan sy NY city fotsiny anefa dia efa mihoatra ny arivo isan-taona no matin'ity Cholera ity.
Koa manontany tena hoe : tena entina miady amin'ny cholera tokoa ve ity sur'eau ity?
Faharoa dia nolazaina ombieny ombieny fa aretin'ny tany mahantra izy ity. Ka nahoana no misy any NY ?
Mba tetsy sy teroa nampiheritreritra lalina iny fa aza taitra na dodona foana
novalian'i tsilan ny 30/05/2004 00:57
2. fatsoraly ( 19/05/2004 08:47)
Tsara marihina fa ny rano azo sotroina dia tsy mitarika aretina ho an'izay olona misotro azy, tsara fofona ary "madio".

Raha ny sur'eau dia mamono ny otrik'aretina ao anaty rano fotsiny, izany dia vokatry ny "chlorine content" ao aminy. Tsy ny otrik'aretina rehetra anefa no matiny.
Tsy izany ihany anefa no ilaina mba ahatonga ny rano azo sotroina fa ilaina ny manala ny zavatra maro toy ny:
- zavatra hafa mitsingevana ao anatiny (micro - suspensions)
- other chemicals (MTBE sns...)
- ny pH
sy zavatra maro hafa.

Diso araka izany ilay hevitra hoe ny rano alaina avy ao am-patsakana asiana sur'eau dia azo sotroina. Tsy marina io na ampangotrahana aza ilay rano.

Tokony ho jeren'ny mpitondra akaiky io toe-javatra io satria fatsakana no ampiasain'ny olona maro eto an-toerana. Efa nanipy an'io hevitra io ihany aho t@ tompon'andraikitry ny tontolo iainana teo aloha saingy.....
Ianareo angamba no mety henoiny teny kokoa fa izaho aleo ny vahiny no hihaino ahy fa tsy maninona!
3. six ( 19/05/2004 08:48)
publicité doly zany, za lou mbola ts nampiasa e!
4. faby ( 20/05/2004 16:47)
betsaka ny aretina azo avy @ fisotroana rano maloto, raha mahita ny manjo ny any ambanivohitra ianareo dia mampahonena mihintsy: dysenterie amibienne, dysenterie bacillaire, parasitose intestinale-urinaire, sns....
ny sur\'eau dia hita fa mba mampihena ny isan\'ny olona voan\'ireo aretina ireo satria mba takatrin\'ny mahantra sy ny tsy manankatao any @ sisiny any , système de marketing social no ampiasain\'ny PSI ary mahomby tokoa eto Mcar, zay hampatsiahivina @ namana sasany fa firenena mahantra,
ka dia aza mila voatsihary loatra sao dia ohatrin\'ny omby mahia be tandroka ka hizaka ny tsy heran\'ny aina..........
5. tsilan ( 21/05/2004 01:55)
Faby
Za raFaby tena mpandehandeha any ambanivohitra an
1 Tsy tongan'ny sur'eau any satria tsy afaky ny 4*4 PSI ny lalana
2 Ny vola amidy petrol aza efa manahirana ny tantsaha ny mahita azy
3 Ny ravonampango, sy ny ranomafana dia efa mahasolo lavitra ny sur'eau
4 Ny fofon'ny sur'eau dia tsy itiavan'ny tantsaha azy
Amin'ny mampitapitapy anay arak izay voalazanao dia mba manontany ny tenanay hoe inona no maha samihafa ny sur'eau sy ny ranon'Javela?
Fa mety hoe ianao mandeha manao mission any Ambanivohitra no mitondra angaha fa tsy hoe ny tantsaha no mampiasa sur'eau. Aleo hazava ny resaka.
Fa tena maizina aminay satria ny Pub misy ny bavin'i Kiaka (kay iza moa iny sipa mpihira iny fa tsy ato an-tsaina) dia mampiseho fa na rano avy eny amin'ny paompy fatsakana aza dia tokony asiana sur'eau, nefa ny ranon'ny JIRAMA voamarina isaky ny telo ora ny fahadiovany tanteraka. Dia gaga ny mpokina. Za koa talanjona
6. kitjo ( 24/05/2004 11:03)
Resaka varotra koa aloha raha ny fahitako azy e
za ndray ts d mahay loatra an'io fa ra ohatra le izy ka oe mampihena ny maty sy marary na tsy ho foana aza tsy koi,
fa ra resa-barotra fts d eeeee

Io ange le lazaiko ato oe tokony ampianarina ny gasy e, na asina fandaharana kely 5minitra aza aorain'ny vaovao na tsy fatako oe @fomba aona.
Fa tsika d manaradrenirano be fts refa misy milaza oe zao d oe zay znay no amrina

fa refa mahay ny rehetra d hita eo aby ze fetsy,
tsy haiko aloha e!!!!

@ lafiny rehetra mitsy no tiako ambara fa betsaka ny oh io resaka sur'eau io ao Dago, misy ny tompon'andraikitra miray tsikombakomba @ mpampiditra entana sns
7. ikaretsaka ( 24/05/2004 15:46)
za aloha sendra tany @ tany tsisy rano madio hoa tena azo antoka dia rano @ lava-drano nasiana sur eau fa tsy naninona e..
ary amiko ny cholera de tsy hoe aretin'ny tany mahantra fa aerin'ny tany maloto... any NY ange nga tena misy tanana tena maloto tokoa e
8. fatsoraly ( 25/05/2004 15:26)
Millions of basin residents rely on groundwater for basic water supplies, yet there is a serious lack of information on groundwater quantity and quality in the Great Lakes basin. Given the threat of contaminated groundwater to human health, as illustrated by the recent Walkerton, Ontario tragedy, and to the health of the Great Lakes basin ecosystem, there is a critical need for more information on groundwater quality and quantity.

http://www.ijc.org/php/publications/html/11br/english/report/further/section9.html raha te hamaky.
Tara aho fa veloma nareo ô!
9. kitjo ( 25/05/2004 16:51)
Ny marina tsy oe tsy te hamaky fa sarotra be le anglisin fatsoraly koooo
sao d teny anglisin karana ary io?

io mba adikao ry ikaretsaka fa enao ngamba mahay an'io fa za tsy mampiasa anglais sarotra b oh io,ihihihihih
Azoko iany ny tiany lazaina fa kamo aho hieritreritra

Miverena aloha fatsoraly refa mirava d hazavao @teny gasy fa aako tsy mahay
10. fatsoraly ( 27/05/2004 19:53)
kitjo> andao tokotrany aza aloha hianatra teny angilisy e! Za koa mantsy tsy mahay

http://www.ets.org/ na koa http://www.ielts.org/ ny anstipirihiny.
11. tsilan ( 30/05/2004 00:57)
De i fatsouraly no atao mpampianatra fanajatanjahantena an-tsekoly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137