Raha mandalo eto Madagasikara tokoa i Chirac

1. tsilan ( 19/05/2004 03:57)
Dia miantso ny malagasy rehetra aho sy ireo izay nanana ny voina nandritry ny fanjanahantany mba hilanja sora-baventy fanoherana ny ataon'ny frantsay amin'ireo tany nozanahany teo aloha, ary hanao fitakiana onitra ho an'ireo olona novonoina toy ny valala tamin'ny faritra maro teto amin'ny Nosy, Manakara, Androy, Moramanga, Manakambahiny-1, sns
Fanehoan-kevitra ity,
Raha tsy miato ny milaza ny frantsay fa izy no firenena voalohany manampy antsika dia tsy hiato ny vavako sy ny soratro hilaza fa izy no firenena voalohany namono gasy be indrindra.
Misaotra anao fa tsy rediredy intsony ity
Masina ny taniko
novalian'i fijo ny 26/05/2004 23:28
2. fijo ( 19/05/2004 04:39)
kay le,fa angaha tsy nifoka intsony ialahy androany le?ih,ih,ih,
fa misy resaka angaha hoe handalo any mpandainga le?dia hoe rahoviana?
3. kally ( 19/05/2004 08:15)
Manohana tanteraka ny voalazan'i Tsilan,jereo fa raha misy mpamotika firenena sy mpiaro ny mpanao didy jadona dia i Chirac.Mpihatsara ivelantsihy sy mpiara-mihosina @ mpangalatra sy mpanao didy jadona rehetra eto ambonin'ny tany.Tsy mahay afa-tsy ny manakorontana.
4. ravatorano ( 19/05/2004 09:10)
I Abdoulaye Wade aloha no handalo eto ny 21 22 23 Mai izao ka tsara nareo raha tonga aty mitondra sora baventy lanjaina satria ny sonagaly anie ka nampitondra fafisana antsika koa e
''sonagaly nahazo baiko ''
5. fijo ( 19/05/2004 21:27)
moramora aloha i kally e.raha misy rano glacé ao ravato dia mba handefaso azafady fa niakatra loatra wa ity sipa kelintsika ity.
i abdoulaye kosa mba niaro antsika e.sady ireo nahazo baiko anie dia izay naniraka azy no tena diso e.dia ry mpandainga izany.
6. tsilan ( 20/05/2004 00:39)
Raha ny vaovao voaray mantsy dia hisy minisitra frantsay efatra aloha handalo any Madagasikara mandra-paha-tongan'ny volana Septambra ary dia ho avy alohan'ny faran'ny taona ingahy Chirac hanao fitsidihana amin'ny fomba ofisialy.
Ilay gazety afak'omaly no nilaza io, ho anareo tsy dia naharaka ny vaovao farany.
7. fijo ( 20/05/2004 22:02)
dia manantena ve lery fa mbola hifidy azy izahay amin'izay le.sa mba manomana ny fialana amin'ny 2007,sao aondran'i sarkox.
8. ravatorano ( 21/05/2004 12:26)
aleo ho avy izay ho avy fa raha izahay eto dia miandry fotsiny ihany
Inn no olna fa ze tonga raisina amin ny maha izy anazy sady isika malagasy anie malaza ho mahay mandray olona izay e!
9. jhouhlambout ( 21/05/2004 17:42)
:o]
10. kitjo ( 24/05/2004 03:26)
kay le
hay ve mba misy mitovy amiko ato e, za aloha d ra ny tiako d aleo misokatra @ Asie sy ny firenena hafa miteny anglisy Dago, Israel tsy adino,
Fa ra reo frantsay reo tssss, tsy miteny azny akory oe aleo ts miaraka aminy

Fa mba jereo moa ny tany nozanahin frantsay e, ampitahao @ an'ny anglisy,
Mody omena fanampiana fanampiana kely eo nefa ny ambadika ohatry ny inona, ary tsy hikatsaka ny tombotsoanao mitsy fa ny azy ihany

Fa ra mankany Chirac d marina mitsy io milanja sorabaventy io, ny mpitondra mankany aminy any koa manko no mety hitany oe misolelaka b sady miray tsikombakomba, inddra le tsy mahita ry,
Inona no afera tsy niarahany t@ zanak i jamba tao Dago tao nandraofana vola? ra tsy hialza afatsy ny vatosoa.....
11. fijo ( 24/05/2004 22:49)
sady efa tsy ao intsony izy aty e.efa mitady hialofana izany.
12. ari.malala ( 25/05/2004 10:35)
Marina mintsy ny an'i kitjo! jereo anie Maurice ê! tany kely tena kely noho i Madagasikara, nefa jereo fa lasa lavitra noho isika izy @ rehetra!
13. fijo ( 25/05/2004 22:40)
dia hovana daholo indray anie izany ny sistema rehetra e.eo no olana
14. tsilan ( 26/05/2004 00:29)
Ka mila rafitra gasy fa tsy lasa mihintsy ity teny vahiny lava ity koa.
Ohatran'ny hoe ny tena no dondrona raha tsy mahay ny tenin-dry zareo.
15. kitjo ( 26/05/2004 02:46)
oouunnttsss, za ry tsilan ts miraharaha anzany fa refa azoko ny tiany ambara sy azony ny zvt lazaiko d zay ihany, anah nga io? ny anah az ateny gasy misy tsy haiko ko

zay nddra nge no tokony ivelarantsaika @ rht e, jerena aby ny manodidina d amboarina hifanahaka @ zava-misy ao amitsika ny fanatanterahina azy fa tsy atao copy-paste. Io foana manko no nahavoa maka tahaka d rfveo tsy mandaitra le izy.
16. fijo ( 26/05/2004 23:28)
raha ilay hevitra farany io dia momba tanteraka aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1494