Izay manao fanorona

1. tsilan ( 12/05/2004 01:57)
Iza no tia fanorona.
Raha atomboko vakiloha ny sehatra dia inona no valin'ady omena?
novalian'i tsiaa ny 25/02/2005 11:05
2. ikaretsaka ( 12/05/2004 05:15)
ronga dia mihinana telo avy ato amin'ny sisiny.. na havia na havanana
3. hendry ( 12/05/2004 11:57)
zaho tia fanorona fa tsy mahay ireo théorie lazainareo eo ambony ireo fa avy dia pratika ihany.
4. hery ( 12/05/2004 14:22)
Andraso kalou...

Efa azo atao ohatran'ny echec koa ve ny fanorona? ilay atao hoe A3-E4 sns...
Sao dia mba azo amboarina dia andao hifampitady
5. alz ( 12/05/2004 14:45)
Raha vao manao an'io lazain'Ikaretsaka io dia tonga dia match nul. Raha ohatra ka samy tsy diso.
Kely ny possibilté ny fanorona raha ampitahana amin'ny echec.

Asa alou e....

Iza no mahafaty dimy sy telo?
6. ikaretsaka ( 12/05/2004 16:22)
ry zalahy avy eny ambohimalaza no mplako dimy sy telo hono
7. fatsoraly ( 12/05/2004 16:24)
Ka raha telo tsy mahazo laka kosa ve handresy dimy e!
8. tsilan ( 13/05/2004 03:06)
Dia ohaniko miforotra fotsiny iny an'i Karetsaka iny, dia sahala fara faharatsiny.

Raha dimy amin'ny sisiny kosa mety matin'ny telo ihany an. Io koa moa arakaraky ny toeran'ny vao eh
9. fijo ( 14/05/2004 00:53)
marina fa izay mahazo laka ihany no hafaka hanery ka
10. belo ( 06/08/2004 09:37)
misy rohy ity raha ohatra ka te-hilalao ianareo.
http://perso.wanadoo.fr/harinaivo.andriambololona/fanorona.htm
11. tsiaa ( 25/02/2005 11:05)
za tia fanorona ary pratiquant fa saika indrisy tsy afaka ni-pratiquer intsiny taty afinda. voalaohany, raha vakiloha aloha dia aleo "tsy miforotra" fa maty foana mantsy iny.( experience hitako aloha e!).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1211