PARADISA

1. arena ( 11/05/2004 18:38)
zà aloha Kristianina de mino sy manatena fa misy fiainana hafa akoatra ny eto an-tany any an-danitra ANY E !
novalian'i fijo ny 19/05/2004 22:36
2. ikaretsaka ( 11/05/2004 20:35)
de rehefa hitanao aby ny anyamparadisa ka leoleo any indray di amankaiza?
3. fijo ( 11/05/2004 23:57)
ny ahy indray dia izao,homeo anay daholo izay anananao ety an tany dia miandrasa ilay fiainana any,fa any hono tsara ko.avelao ny anay ny aty no hatsarainay
4. arena ( 15/05/2004 19:15)
tsy mankaleo ny any an-danitra fa efa hoe : PARADISA E ! fahafinaretana sy fiadanana no any de fiderana
5. arena ( 15/05/2004 19:17)
isika ange ry fijo de mpindrana fotsiny fa tsisy tompon' ny ety an-tany e !
6. fijo ( 18/05/2004 22:22)
ny zavatra hananako aty dia za no topony ka.tsy nindramiko mihintsy io fa ahy madidio.
7. librepenseur ( 19/05/2004 11:25)
arena>

raha \'mino\' sy \'manantena\' ianao dia diniho tsara fa \"conditionnel\" daholo izy roa ireo !

1) ny zavatra tsy hita no hinoana satria raha hita izy dia tsy finoana intsony fa zava-nisy ary voarakitra ho tantara ilay izy.

2) ny fanantenana koa torak\'izany, tsy mbola tanteraka kanefa heritreretina fa hisy, izany hoe mety hisy ary mety tsy hisy araka ny nolazaina sy ny fahafantarana azy fotsiny.

3) ianao ihany dia afaka ny handinika ny mampitombina na tsia ny antsoina hoe paradisa satria rehefa maty ny olona dia tsy hanana ireo 5 sens tahaka izao mbola velona izao intsony, tsy handre maharary, tsy haheno feo satria tsy misy sofina, sns...satria lazaina fa fanahy sisa.

4) raha atao hoe hanana fahitàna vaovao indray ny kristiana (araka ny finoany) ka hahatsapa mamay, hahita zava-mahafinaritra, ho falifaly lalan-dava, sns.. dia tadidio fa tsy maty izany ilay olona fa mbola velona indray (izany hoe maty dia velona)...

anjaranao ny mandalina...
8. fijo ( 19/05/2004 22:36)
ary raha azo atao dia mba tokony manome valiny ianareo mpino.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4608