Ny maha lafo vidy ny vanila

1. xxx ( 11/05/2004 13:26)
Tsikaritra tao ho ato fa dia nisondro-bidy izay tsy izy ny vanila. Fantatra ary fa ifandrotehana tokoa ny fividianana azy io tsy hoe noho ny sakafo ihany. Ampiasain'ireo mpanondrana zava-mahadomelina koa mantsy izao ny vanila mba hanaronana ny fofona rehefa amboloin'ny alika ny entana eny amin'ireo seranana samihafa. Hany ka ny vidin'ny kilaom-banila eto Madagasikara ohatra ka mitovy amin'ny kilao any Eropa ihany. Ny menaka rongony sy ny rongony no tena ahodrana miaraka amin'ireo vanila ireo. Tsara marihana fa ny 1 litatra amin'ny menaka rongony dia mitentina eo amin'ny 20-60 tapitrisa Ia eo ho eo no vidiny.
novalian'i tsilan ny 14/05/2004 13:53
2. kitjo ( 11/05/2004 18:59)
kay le!!!!!
Tokony asina fiheverana zany ny fanondranana azy
limiter-na ny fahazoan vahiny mividy vanille mivantana ao dago fa tsika no tokony manondrana d mahazo lay vidiny tokony ho izy

bla bla bla
3. fatsoraly ( 12/05/2004 16:28)
Vita matavy isika gasy fa lasan'ny karana (Indiannn fa tsy Pakistanese) ny tsena iraisam-pirenena tokony ho antsika momba an'io. (Vaovao farany)
4. fatsoraly ( 12/05/2004 16:47)
Faly ery izao ry "fatsorali" mianakavy! hahah.
5. kitjo ( 13/05/2004 02:11)
tttsssssss, hanaraka ny hevitry fijo iany tsika ra zao fa reo karana ao Dago reo zao no mety vao mainka hanampy a zareo horitiny tao n yantsika satria manjary mibahana azy
6. kitjo ( 13/05/2004 02:30)
fatsoraly> ty ny vaovao farany t@ gazety androany, ts haiko ra zareo no tsy maharaka
mbola mitana ny voalohany tsika avec 70% du marche
http://www.lagazette-dgi.com/simu/dev.php?id=17655
7. fatsoraly ( 13/05/2004 10:23)
Statistics gasy io! Ny statistics eto an-toerana aza tsy ampy data be dia be isika.

Tohizako sy avadiko @ le resaka solitany atsy ambadika atsy. Te hanao "scientific survey" eto amintsika ny "matanjaka" dia io resaka solitany io no mody kitikitihiny. Rehefa azony anefa izay "data" sy "samples" rehetra ilainy (oh: "military data" sy ny harena saro-bidy ankibon'ny tany izay mody lazaina fa "sample") dia avoaka @ izay ilay "report" fa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny raha hitrandraka solika isika. Rehefa misy ilan-tsika an'ilay "data" vokatr'ilay "scientific survey" any aoriana dia mividy amin-dry zareo isika ary dia mihoa-papana ny vidiny. Io ilay hoe tompony mangatak'atiny!!!

Tsy naleo ny teratany avara-pianarana no tambatambazana hampandroso ny firenena? Izao ry zareo tambatambazan'ny firenena vahiny fa ireny tsinona no manome be fa tsy mba hoe...manomeza kely e!

Sahia manao dingana lehibe

8. fatsoraly ( 13/05/2004 10:38)
Fanampiny momba ilay voatery mividy "data" lafo:
Maro ny minisitera Gasy no efa tratran'io fa mbola tsy fay ihany hatr@ izao fa asa...misy "bribes" angaha any ambadika any sa ahoana????
9. fatsoraly ( 13/05/2004 10:50)
En 2002, ...Toutefois, Madagascar est de loin le premier exportateur mondial avec 70 % du marché..

io ve ny vaovao FARANY?
10. tsilan ( 14/05/2004 13:53)
Raha ny vanila aloha dia mbola tsy misy mahavoa antsika rah mbola ao anatin'ny folo taona.
Ny tena maozatra ho antsika dia ny fanombohan'ny famokarana vanila any Hawaii. Nefa mbola manana fotoana isika hanarenana ny misy eto Madagasikara.
Ny tombony ho antsika dia ny fanana mpiasa mora-vidy sy ilay karazana vanil mahery fofonona, Nefa moa ity farany mety efa voaondrana koa k'no
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.168