Mba tsetsatsetra

1. ikaretsaka ( 09/05/2004 02:01)
Dia eto ampihainoana hira Masina aho rankizy dia mba lasa ny saiko hoe misy saihafa be ny rythme an.. raha ira somary katolika katolika ilay izy dia rythme rythme kokoa ary zava maneo tsotsotra ( gitara, kabaosy, aponga valiha..) no ampiarahana miaraka aminy matetika.
Ny hira Protestant ( sy ireo zanam-pangonana [sectes] miaraka aminy )indray dia milantolanto ary mampatory izany mihitsy aza indraindray ary tsy maintsy mandeha be ilay solfezy be sy solfa sy accords plaques be .. ary inoako fa nareo aza aza mahafantatra hoe hira katolika izany dia iznay hira protestant.
ohatra hoe any Madagasikara ianareo fia mahalana mihitsy ny mandeha cute protestan ohatra ka rythme salegy be rehefa masina masina ohatra na rija Betsileo na beso mamolaka be ohatran ny zafindraony...
Dia mba lasa ny eritreritro heo hatrany ampiangonana koa ve dia misy hira hoe ity azo atao dia itsy tsy izy koa ve any ampiangonana?
novalian'i eliana ny 02/08/2004 03:53
2. mumu ( 09/05/2004 09:22)
tss ry ramaso kou de mba maita lazaina. Ka samy manana ny fomba fanehoany ny hira fiderany zao , misy ny mitehaka sy mandihy ...
3. kitjo ( 09/05/2004 13:16)
le oe restriction angamba aloha tsy misy e,
fa ny mpitarika mitsy matetika no efa antitra @ protestant ao Dago , za protestante an

fa io na FJKM sy loterana aza d efa samihafa be, ny fifohazana koa misy samihafa, ra vao le antitra reny aby ny mpiandry d le mitalone mampatory reny fa ra vao tanora2 inddra oe katolika (bdb katolika @ fifohazana) d maredoredona be, manao le zafindraony reny, ary efa bdb ny hira anaty fihiran FFPM no misy version zafindraony,

Hobio angamba no henoin Ikaretsaka fa reny no mbola manaraka le rythme mitalone
fa tokony ze inspiration mahamety anao nge no ataonao e.

Fa ao Dago aloha io no hitako fa ra aty ndray d tena maredona be mitsy, Gospel...

Raha any andafy sasany ndray "hono" d ny olona antitra iany no mandeha any ampiangonana d mazava ho azy i Mr Bean ra natory t@ le "Aleloia"...
4. xxx ( 10/05/2004 01:48)
arakaraka ny toerana io, fa isika rehetra angamba tsy nisy tsy nahay ny vazon'ny lanitra, KTKT, Fanilo Amboasary, Protestant ireo nefa dia tsy milantolanto izany ny hira.
Henoy ny Jesosy Mamonjy fa tena kotaba be makarary sofina indray aza.
5. tsilan ( 10/05/2004 12:56)
Ilay Fanilo Amboasary aloha ry XXXX tena milay fa tsy fantatry ny pokina satria tsy mandeha amin'ny radio mihintsy an. Mila saosy eh
6. fijo ( 10/05/2004 19:44)
za tsy mpivavaka fa mba tia hirampivavahana satria misy manakaiky ny blues.ny nahatonga an'io dia ny fiavian'ilay izy mihintsy.ny protestanta dia manana fiaviana anglophonnina,hany ka manaraka io lanton kira io izy,ary na ny fisainanany aza dia mbola mpitahiry"conservateur"toa ny any angletera ihany.
ny katolika kosa dia manana fiaviana latin hany ka tia mihetsika toa ny italianina sy ny espagnola ary ny portugais.
araho ireo dia ho hitanareo fa ny protestanta dia milantolanto hatrany,ary saiky olona tia miavaka amin'ny sasany no maro ao.mba tsy hilazako hoe snoby araka ny filazan'ny sasany azy.
7. tia_ery ( 11/05/2004 07:55)
Ilay izy angamba tsy dia any amin'izany lazainareo rehetra izany no hipetrahany.

Ny fiderana an'Andriamanitra dia mazava ange no anentanana azy ê!

''Midera Azy amin'ny feo-dokanga sy ny valiha; amin'ny zavamaneno tendrena sns...''

Ary ilay izy ny fototra dia ny hoe ''Midera an'i JEHOVAH fa tsara IZY''.

Any amin'ilay atao hoe fiderana ''fanandratana ny hatsaran'Andriamanitra '' no tiana apetraka. Io avy hatrany dia mametraka anao hamantatra an'izany.

Ny Fiderana an'Andriamanitra dia misy ''raison et cause'' manesika an'io.
Ao ilay atao hoe ORDRE CREATIONNEL, ny zava-boahary rehetra dia antsoina hidera an'Andriamanitra, ny biby, ny voro-manidina, ny olombelona, sns ...

Eo ihany koa ilay antsoina hoe ''ORDRE REDEMPTIONNEL'' io dia ilay OLOM-BOAVONJY no antsoina eto hanandratra ''... mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo; hiala tao amin'ny maizina ...''.

Ka izay amiko no mahatonga an'io ''INONA NO TENA FOTOTRA ?''

Fa iza no tsy ho vaky fo raha mandre ilay album ''MESSIE'' an'i HENDEL nefa mozika milantolanto sy mahatorotoro fo no ao anatin'iny ?

Isika ange rehefa hidera an'Andriamanitra dia tsara tokoa ny mametraka an'izay hoe ''HIDERA AN'ANDRIAMANITRA'' fa tsy sanatria handeha hamonjy BOITE DE NUIT na hijery SPECTACLE ka ilay RYTHME no mahamaika sy mahasarika ê!

Sôtra ê!
8. mumu ( 11/05/2004 09:01)
nefa betsaka ny oul tia ilay rythme mietsika reny ary misy ny sasany ny mifanoitra, amiko fiderana daolo zany refa aminy fonao tanteraka no hanaovana azy...
tsy misy fisaorana e!
9. booboo ( 11/05/2004 13:09)
tia_ery> raha maharaka ny tantaran'ny niatombohan'ny Fiangonana tany M/car ianao ( catho sy protestanta ) dia tena marina io voalazan'i fijo io.
10. tia_ery ( 11/05/2004 13:38)
N'inon'inona fototra nihaviana sy niaingana dia tsy mitombona loatra hoe izay ilay izy.

Mety nanana ny hira tiany sy niraikitra tao am-pony ireny olona ireny nefa tsy dia ho izay tanteraka. Raha hijery ny Fihirana Maintimolaly nampiasaina fony taloha ianareo dia ataoko fa mety tsy hiteny tanteraka hoe izy ilay izy. teo ihany koa ny hira efa nananan'ireo Malagasy fahiny.

Amiko ny filazana an'izany dia toa miteny fa tsy mba nanana izay kolontsainy teo amin'ny lafin'ny mozika sy hira ireo Malagasy fahiny; ary koa ny fivavahana dia fanjanahan-tsaina namerezana izay mba ananao hifandraika be fahatany amin'izay entin'olona.

Io aloha dia tena disoko tanteraka ê! Amiko ny fototra dia mila apetraka foana hoe FIDERANA AN'ANDRIAMANITRA no atao, Moa ve ny karazan-kira sy gadona rehetra dia azo entina ho amin'izany avokoa ?

Sôtra ê!
11. rhaj ( 11/05/2004 16:24)
Hoe 'le hira hoz'nareo dia milanto sy mampatory.. fa, mba tsetsatsetra koa hono, hoe.. fa maninona koa hono ny Masina Maria, rehefa aseho an-tsary, dia toa malahelo mahonena foana... fa tsy mba aseho hoe faly-mitsinjaka..

ny valiny, hoy ny be-bilagy dia...
12. fijo ( 12/05/2004 00:10)
mivoana be ilay resak'i tia ery.ny fanontanian'ikaretsaka dia ny niavian'io rythme roa tsy mitovy io(catho sy protest)fa tsy hoe ilay fiderana izay tsy hita maso any.ny catho izany tsy midera satria misy rythme kokoa dia olon'ny boaty izany ireo.sao dia tokony hampaniry volombava be ary i tia ery dia manao akanjo lava be koa dia amin'izay hita tsara hoe ireny ry integrista mpivavaka.
13. ikaretsaka ( 12/05/2004 04:33)
tia ery antge hors sujet foana koa matetika e.. tsy ny fanontaniana no valiany.. io ilay lazaiko an'i hery hoe ilay mivantana nefa mamoaka hevitra lasa tsy mivoak aintsony rehefa tratran'ity resaka manoa baratin ity
14. tia_ery ( 12/05/2004 14:13)
Ilay izy tsy any amin'izany hoe hors sujet sns... izany fa nareo no matetika no somary manao amnésie intellectuelle dia faritanareo amina tranga sy zavamisy notsongaina tetsy sy teroa ilay izy dia izay no hamaritanareo fa izay no izy sy atao hoe fahamarinana.

Raha ny Soratra Masina no jerena, ny andrarezin'ny fiderana sy ny famoronana dia i Davida, teo ihany ry Asafa sy ireo olona sasany fa ny tena azo ambara ary voalaza ao izanby dia ny hoe ''ary i Davida koa dia nitsinjaka teo imason'ny rehetra...''

Amiko ny FIDERANA an'Andriamanitra tsy voafaritry ny maha Catholique sy Protestante anao izany. Tsy faritana amin'izany hoe ny an'ny Catho dia somary mitsinjaka sns... mba nobehazina t@'ny sekoly Catho ihany ny tenanay ary somary mba nahafehy ny Ankalazao ny Tompo sy ny Hasina sy Dera sns... fa tsy misy loatra an'izany hoe rythme tena mitsinjaka be izany any amin'ny Catho. Ny Protestante ihany koa dia mba mampiasa sy mihira an'iny fihirana FFPM iny ihany na dia isaky ny alahady tsy tapaka aza fa mbola tsy nahatsapa loatra hoe milantolanto sy milamindamina izy izany.

Ilay resaka angamba mila tonga dia tsorina hoe : ''sarotra ve ny hampiditra rythme na gadon-kira hafa eo anivon'ny sehatra fiderana an'Andriamanitra''.

Sôtra ê!
15. ikaretsaka ( 12/05/2004 16:34)
k ahors sujet ange ianoa ra tia ery e.. tsy ny fanontaniana no valianao fa eo ianao no miodikodina eo fa.
ny fanontaniana dia hoe tsy misy resaka fideranba an'andriamanitra fa hoe FA MANINONA no samihafa ny rythme?
Azo ve ny tian'ny Laza adina ambara?
16. fijo ( 12/05/2004 23:44)
izay indrindra.resaka hira io fa tsy fiderana angano.ny an'i lery tsy maintsy miverina amin'izao resaka fiderana sy teninandriamanitra izao foana .mba VAKIO tsara aloha ilay fanontaniana,fa izy nametraka azy aza efa milaza fa io no tiany anontaniana,dia i tia ery indray no milaza mahay ilay fanontaniana noho ilay nametraka.tsy mazava mihintsy.
17. ikaretsaka ( 13/05/2004 00:33)
mahagaga raha itony hafatra iapetrak'itony tony no mahazo isa.. nefa mivaona tsy voavaly akory ny fanontaniana.. tokkony mijery ihany ny tompon'andraikitra ra hery fa tsy lasa izao ka
18. eliana ( 02/08/2004 03:53)
Tsy dia mazava loatra ny tian'ny mpanoratra ambara !

Mba asio précision kely hoe Ika fa tena somary misy flou ilay hevitra tianareo ampitaina...

sorry,
Eliana
Qc
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2532