Tenin'Andriamanitra MARINA ny BAIBOLY

1. tia_ery ( 07/05/2004 06:39)
Ato no hanamafisanao fa tena TENIN'ANDRIAMANITRA Marina ny BAIBOLY.

Raha sendra tonga ato ianao nefa tsy mifanindran-dalana amin'izay dia iangaviana aloha amin'izao voalohany izao mba TSY HAMALY fa efa misy hevitra anankiray natokana ho amin'izay.

Misaotra mialoha ny amin'ny FAHATSIAROVAN-TENA.

Sôtra ê!
novalian'i fijo ny 14/05/2004 00:40
2. hery ( 07/05/2004 07:04)
Ary aiza no hipetrahan'ilay hoe "Tenin'Andriamanitra ny Baiboly kanefa..." ?

Ny ahy mantsy dia izay no mba fahitako azy.
- Tenin'Andriamanitra marina ny baiboly kanefa tsy izy no nanoratra azy fa tamin'ny alalan'ny fiainana niainan'ireo Mpanoratra (izay vondron'olona). Vokatr'izany dia misy tantara ao amin'ny baiboly, misy tononkira, misy ady, misy fiantsoana fanozonana ho an'ny fahavalo, misy fombam-pivavahana, misy lalàna ihany koa. Tsy misakana ny maha-tenin'Andriamanitra ny Baiboly izany.

- Tenin'Andriamanitra ny Baiboly kanefa hoy io tenin'Andriamanitra io hoe raha ny zavatra rehetra nataon'i Jeso no hotantaraina dia tsy ho omby ao anatin'io boky io... ary na boky erantany aza tsy ho omby azy (Jaona 21:25). Izany hoe tsy mahafehy ny Tenin'Andriamanitra rehetra ny Baiboly... fa NAVELANY hisy teniny mivoaka avy amin'ny alalan'ny ankohonampiainana (communauté) kristianina.

- Tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly kanefa ny fanarahana ara-bakiteny ny baiboly dia mety hitondra amin'ny fifanoheran-kevitra goavana. Misy Teny izay tsy mendrika ny maha-Kristianina ao amin'ny Baiboly raha raisina ara-bakiteny sy tsy raisina amin'ny contexte.

Misaotra
3. ravatorano ( 07/05/2004 10:31)
tia_ery> fa maninn no tsy mahazo mamaly e ! tsy azoko , raha mamaly izany dia tsy mahatsiaro tena ka raha mahatandrina tokoa ny tenin Andriamanitra ianao dia avelao ny rhtr hiditra antsehatra ato fa zony izany.
Ny ol koa v moa azonao tsy handefa hafatra eto , ny matossy samby manana ny azy fa ny hevitra no tsy mitovy fotsiny.
Raha izany tsy fitoviankevitra izany na hankahalanao ny tsy mandala ny fotokevitrao dia lazaiko anao fa ao anatin io baiboly io asa milaza fa tiavo ny adveriseranao.
Misaotra amin ny fahatsiarovako tena
4. mumu ( 09/05/2004 08:26)
hihihi
5. tia_ery ( 10/05/2004 10:29)
Ilay izy Ravatorano dia tsy hoe fanavahana sns... Ialako tsiny betsaka satria tsy ho amin'izany mihintsy ny tanjona. Ny fiangaviana fotsiny ary lamina tiana hapetraka dia misy hevitra roa ireo ataoko fa azon'ny rehetra handraisana anjara; mbola misy angamba ny fotoana hampifanojoana an'ireo hevitra roa ireo dia ho hita eo.

Sôtra ê!
6. fijo ( 10/05/2004 23:39)
ka tsy tenin'antra izany e.izay
7. tia_ery ( 12/05/2004 14:20)
Mba tsy hampitanila ny resaka sy ahatonga ny maro handray anjara ka ilaza izay tena mavesa-danja ao am-pony tsirairay dia indro averina eto ilay ''sujet de reflexion'' nosoratana tatsy ambadika.

-------------------------------------->

Ito mba sary anankiray tiana ampitaina sy mba ho ''reflexion'' ho an'izay te handalina sy hieritreritra.

Raiso hoe IANAO manoratra taratasy iray; mba hanoratanao dia mila TANANA sy PENINA ianao. Ny zavamisy eto izany dia IANAO (mieritreritra izay ho soratana), ny TANANAO (izay mitondra ny penina hanoratra), ilay PENINA (izay ikorianan'ilay ranomainty ahatonga ilay eritreritra ho voasoratra) ary farany dia ilay TARATASY (mirakitra ilay eritreritra vita soratra).

Dia apetrako aminao ary ny fanontaniana hoe IZA NO TENA NANORATRA ?

Sôtra ê!
8. ikaretsaka ( 12/05/2004 16:32)
ianao satria ianao no n oguider ilay penina .. ohatran'ny hoe mitondra daba ihany io.. fa tsy hitako izay relarion an'io @ ilay fanoratana baiboly.. ohatran'ny secretera mitendry machine koa io e.. raha manoratra eto ve za ohatra dia manoratra baiboly?
9. fijo ( 12/05/2004 23:50)
izay,raha mitondra daba ianao dia ianao no mitondra fa tsy hoe nisy miteny anao hoe mandehana atsy avy eo mankary.
10. tia_ery ( 13/05/2004 13:30)
Ka ilay IANAO no tsara faritana mazava dia ataoko fa mazava ny resaka.

Sôtra ê!
11. fijo ( 14/05/2004 00:40)
sa ianao ry tia ery ilay andriamanitra???na ilay mesia?toa holasa lavitra izy izany le
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1412