NY TENA FAMELAN-KELOKA

1. xxx ( 05/05/2004 08:49)
NY TENA FAMELAN-KELOKA …
Manontany ny hevitry ny namana aho ny amin’ny hoe famelan-keloka : “inona marina aminareo no tena atao hoe famelan-keloka ?” eo amin’ny lafiny theorie sy pratique.
Misy olona indrindra ireo mitonon-tena ho “tena kristianina mpanara-baiboly”, raha misy olona , ataontsika hoe X, ny fahalemeny, ny tsy nety Nataony taloha, ny tsiny kely tsinahy, na fanahiniana izany na tsia , ny lasan’I X, na dia efa niova aza I X, niala tamin’ny tsy nety nataony taloha, efa olom-baovao, efa nifona sy nangataka famelàna tamin’olona sy tamin’Andriamanitra dia mbola misy hatrany faly mbola manenjika foana an’I X.
Fa dia inona loatra re no antony ?
Mahatalanjona mihitsy ity fiainana ity ; misy karazan’olona eto an-tany tsy manao afa-tsy ny miresak’olona indrindra ireo olona tsy miasa tsy misy atao ireny, tsy manao na inona na inona irony. Izany eo ihany fa manodina ny tena tantara marina « version » ary koa manampy « sauce » ary dia faly manaparitaka izany amin’olona rehetra mandalo eo aminy. Fanampin’izany , tsy misasatra ny manaratsy olona « mitandrema a@ ranona fa i ranona dia ohatran’izao no tantarany, ny nataony taloha, ny momba azy sns … » , tsy misy zavatra mba mahasoa aloaky ny vavany fa fanaratsihana sy fanenjehana ny hafa hatrany ary fanimbana ny « pasipaoro »n’ny hafa no atao dia mody ampiany hoe « aza tenintenenina na @iza na @ iza an ! ». ary dia mandoto ny saina sy ny fijerin’ny hafa amin’izany.
Matetika moa ny vehivavy no tena manana io falemena io ary koa ireo izany mitonona ho “tena” kristianina.
Raha sendra ny olona toy izany ianareo na ianareo mihitsy no torak’izany (miala tsiny), : 1- inona no ataonareo amin’ny olona toa ireny ? 2- raha ianao mihitsy no manana izany fisainana izany, inona no antony ? inona no tombotsoa azonao ?
Misaotra anareo mialoha.
Mety hiteny amiko angamba ianareo hoe “aza rarahina izany “ fa ankoatrn’izany
MIMI
2. hendry ( 05/05/2004 09:33)
Lasa tsy azoko ntsony ilay izy ry Mimi a! ilay famelan-keloka ve no tena tiana resahina sa ilay olona mitakoritsika sy manaratsy olona?
3. xxx ( 05/05/2004 12:42)
hendry a ! izy roa samy ao daholo.
Ny tena famelan-keloka ve tsy hoe tena manadino tanteraka ny lasan'ny hafa ? ary mijery ilay olona amin'ny fijery vaovao ?
Ilay olona mifosa, manaratsy , mitsikera ny hafa irony ve mahafantatra ny atao hoe famelan-keloka marina ???
MIMI
4. hery ( 05/05/2004 17:00)
Raha tena niova tokoa i X dia ampy azy ny fifonana sy ny fiovana teo amin'ny fiainany. Sarotra ho an'ny olona ny hanadino ny lasan'i X kanefa tsy anjaran'i X ny mieritreritra an'izany. Ampy an'i X ny nanao ny 1er pas hanatona ny olona ka anjaran'ny olona rehefa avy eo no mandray na tsy mandray.
Raha misy ny tsy mandray ka mbola miteny an'ireo zavatra rehetra ireo an'i X dia azy irery indray izany... mety ho avy koa ny fotoana hifonany.
5. ikaretsaka ( 05/05/2004 20:26)
izany mihitsy
6. fijo ( 05/05/2004 22:36)
marina io,fa ilay X aloha no mila manao izay fihovana eo aminy.ny olona dia samy manana ny fandraisany azy avy eo.fa matetika tokoa aloha ny milaza tena ho kristianina no tena sarotra mamela olona e.na efa niova izao aza ilay olona dia diso foana aminy.iny tsy koi,fa miovaha aloha ianao.
7. jhouhlambout ( 06/05/2004 06:40)
Ny tena famelana heloka dia miankina @ ilay meloka. Raha mendrika avela ny helony dia avela sy tsy resahina intsony. Fa raha tena heloka grave be kosa aloha dia tsy misy(na iza na iza) afaka mamela an'izany.
8. tia_ery ( 06/05/2004 07:06)
Ny TENA FAMELAN-KELOKA ! izay ilay hevitra ho resahina.

Araka izany dia misy zavatra TELO LOHA voakasika ao.

1°) Ilay MELOKA
2°) Ilay Mpanameloka
3°) Ilay HELOKA

Ilay izy moa hoe NY TENA FAMELAN-KELOKA dia miainkina tanteraka amin'ilay MPANAMELOKA izay tonga MPAMELA HELOKA; ny vokany dia famelana ny HELOK'ilay MELOKA.

Ny zavatra noresahina testy aloha anefa tsy dia mifandraika loatra amin'izay loatra; ary tsy ahitana an'izany hoe FAMELAN-KELOKA izany ihany koa.

Ka mila fanazavana misimisy alohan'ny hidirana amin'izay mety ho tohiny.

Sôtra ê!


9. hery ( 07/05/2004 00:00)
Matetika mora ny mamela heloka fa sarotra ny manadino.
10. karajia ( 07/05/2004 07:52)
sarotra ny manadino ary mora ny mamela heloka marina tokoa izany satria isika olombeloona ihany fa Andriamanitra mahay miasa anatintsika ahafahantsika tena mamela tanteraka tokoa : mamela + tsy mijery ny hafa ny amin'ny tsikokony taloha intsony.
Experience ny ahy fa possible tanteraka izany.
11. mumu ( 09/05/2004 09:25)
ekena
12. tsimibolisatra ( 04/09/2004 04:10)
Lasa fialofana ilay hoe afaka hamelana heloka. Amiko manokana dia tsy any no olana : satria toy ny tribonaly ny fiaraha-monina, izy no mitsara ka raha manohitohina azy dia anjarany ny miteny, ny fiaraha-monina dia ny vahoaka. Rehefa tsy mety dia tsy mety, ianao izay mahalala ny tsy mety nataonao no MIFONA amin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2526