Midangana tena mila ho sempotra ny vahoaka

1. ravatorano ( 04/05/2004 12:42)
Nilaza ny Filoha Ravalomanana omaly fa tsy eto Madagasikara ihany no misy ny fisondrotry ny vidim piainana fa saika manerana an izao tontola izao mihitsy.
Misy marina izany saingy ny fiantraikany any amin ny vahoaka no samy hafa.Raha niakatra ny solika tatsy amin ny nosy rahavavy 9L reunion,Maurice...) dia nilaza ny mpanao gazety tany fa tsisy fiatraikany loatra amin ny kitapom bolan ny vahoaka any aminy izany satria efa nisy fepetra noraisin ny fanjakana foibe momba izany.Ny politika fampandrosoana dia tsy maintsy miaraka amin ny fihoiran ny vahoaka ao aminy fa kosa rha mijaly sy tratry ny tsy afamanoatra kosa nilay vahoaka dia tsy hisy fampandrosoana mihitsy eto.Tokony mba hisy ihany amiko ny aro fanina ho an ny vahoaka amin izao fisondrotry ny vidim piainana b loatra izao.Aza mety asondrotra kely ny karama,jerena akiky nymomba ny PPN araha maso tanteraka ny momba ny vidin izy ireny , alahatra amin ny dollar fa tsy ny euro ny fanakalozana ny ariary.....fa raha izao tompoko no mitohy dia mino fotsiny ihany fa dia vita hatreo ny amitsika.
Mahareta fotsiny ihany fa mbola ho avy ny maraim baovao hitondra indray ny vokatry ny dinitry ny malagasy tsi1-1 ka amizay dia ny mahantra dia hanana amizay.
Farany niakatra indray ny lasantsy ary efa 6000 fmg izy zao.
tsy asiana resaka iny fa dia samia manao ny adidy sy ny aandraikiny avy hampandrosoana an ity madagasikara ity hialana amizao fahantrana izao.
novalian'i fijo ny 11/05/2004 00:24
2. ari.malala ( 04/05/2004 13:55)
tena marina ny anao izany ravatorano! tsy misy tsy miakatra, ary ny tena mahagaga dia @ izao fararano izao avy dia lafo be ny vary! mody hoe avy @ cyclone nefa hita izao fa fanararaotara tsotra izao! ny frais aza efa iadian-dry zareo hevitra hakarina koa! ny tena nahatonga izao angamba raha ny fahitàko azy dia ilay décision raisina tampoka any am-pitsidihana faritany, ohatra iray ngeza b ny détaxation, tokony handalo conseil de gouvernement izany nefa toa décision an'ingahy prezidà irery dia tonga d OK avy hatrany, iray koa izao ilay resaka SIRAMA, bdb tsy ho ary voatanisa ê! tokony mihetsika kely ny conseillers ny fa tsy tafavoaka intsony mihintsy!
3. besoiiin ( 04/05/2004 17:36)
tsy hoe manakiana izaho fa porofo izao fa misy tsy fahafehezana ny economie eo @ mpitondra! marina fa maro ny asa vita ary hiderana azy izany! kanefa tsy azo afenina kou ny fitomboan'ny fijalian'ny vahoaka! izay no mahasamy hafa ny fitondrana orinasa sy ny firenena! tsy omena tsiny anefa ny mpitondra satria mbola tsy nanana experience @zany izy! fa ny tokony hataony aingana dia ny hanala ny malagasy @zao crise economique izao!
4. ravatorano ( 05/05/2004 08:19)
raha ny fijery azy amizao fotoana izao aloha dia sarotra ny inoana fa tsy haharitra ny fidangan io vidim piainana io.Na dia lazaiana aza fa niakatra 8% ny harikarena faobe teto amitsika dia tsy itan ny vaoka mivantana izany .Ny fantany aza dia ny fijalina lianjady aminy isanandro vaky izao.
Ny ho hanina anio indray zao tadiavina rahampitso fa tsy toy ny taloha intsony.Mafana ary tena henjana tokoa ny mahazo ny 87% ny vaoaka malagasy.Ny manana moa defa zany é, fa ny tena mahagaga amin ity slogan politika ity dia ny hoe hanao izay hampanana ny tsy manana ary koa hampanana ihany ny mbola manana.Tena slogan ihany io aloha hatramin izao fa tsapako fa ny manana manan ihany.
Ny ezaka tena vitan ny fitondrana amizao anie dia ny fanamboaran dalana ary efa tena zava db aloha izany fa araky ny tenin dramado hoe ny vary miditra ny vavany no tena hitarafan ny vaoaka ny fandrosoana entina eo aminy.Na lasa gidarao aby aza ny lalana rehetra ka mbola maro koa no tsy mihinambary , na mihinana fa kely tdy mahavoky akory dia aza manantena mihitsy hoe nanao fampandrosoana teto amin ity firenena ity.
Fanamby ataon ny fanjakana indray zany izao no hanondrana vary any ivelany araky ny kabary nataon ny Filoha Ravalomanana omaly.
Tena tsara ilay hevitra ary enga anie mba ho trqatra izany satria tamin ny andron i Itpkl Tsiranana anie ka nanondrana vary isika , nanomboka teo amin ny fitondrana ho lasa sosialista ity no nivadika biby ny toekarena malagasy fa lasa nitotongona be tokoa ka isika indray no nanafatra vary avy any ivelany izay novatsiatsika vary taloha.
5. xxx ( 07/05/2004 19:27)
ka zay ndrindra ny olana,eo @ 80%ny gasy lazaina fa miaina @ vokatra,tsy de aiko tsara moa ny economie fa ny tena nahagaga t@ fitondrana taloha dia miaina @ vary ny gasy nefa na izany ara mbola nafarana tany ivelany.Ka raha ohatra ty fintondrana ty ka mahavita mampanondrana vary de tena dingana be zany,satria tsy vitany hoe mahavelona ny tenany izy fa sady manondrana ankotr'izay.
6. fijo ( 11/05/2004 00:24)
mampalahelo satria mifangaro ao ny krizy avy aty ivelany sy ny tsy fahaiza mitantana izay miankina ao antoerana.ny olana dia ny vahoaka no mizaka izany rehetra izany,ary tsy mba mahalala akory izay hatao azy.(0 communication)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3839