Hepathyte B ???????

1. yonikafopl ( 03/05/2004 14:19)
Mba misy afaka manazava amiko ve ny momba io aretina io, aretina azo avy @ inona? ny fisorohana ny aretina, ny fitsaboana azy. Raha toa ka areti-mifindra dia @ alalan'ny inona ?
Azafady indrindra fa mba mila valiny matotra aho fa mampihoronkoditra ahy ny filazan'ny dokotera momba io aretina io eto aminay, misy ankizy iray mararin'io mantsy ato aminay izao ka matahotra ihany aho, efa maro ireo ankizy malagasy nandalo teto aminay , ary dia nisy maromaro koa ireo izay nitondra io tsimok'aretina io, mampitandrina ahy ihany ny olona nefa moa nohon'ilay fitiavana ny iray tanindrazana dia tsy sahy manilika azy ny tena, nefa mba ilaiko ho fantara ihany ny tena momba io aretina io
Misaotra anareo mialoha.
2. ikaretsaka ( 03/05/2004 16:58)
efa misy vakisiny io.. anontanio ny dokotera
3. hendry ( 03/05/2004 17:24)
Zaho koa tsy mahay ary mba te hahafantatra
4. kally ( 03/05/2004 18:44)
Ny fahalalako azy dia virus no mahatonga ny hépatite B,ka ny aty no tena asiany voalohany.Ny fijerena rà ihany no hahafantarana fa mitondra an'io otrik'aretina io ianao satria miovaova ny fomba fisehony.Mifindra @ alalan'ny rà sy ny firaisana izy io,fadiana izany ohatra ny mifampikasokasoka borosy nify @ ankizy voa an'io satria indriandray mandeha rà ny nifiny dia ifindrany.Mety hifindra amin'izao fotsiny koa izy io satria ianareo miara-monina dia tsy hay intsony izay fitaovana mety nifampikasohana ka ny manao vaksiny no mety.
5. yonikafopl ( 04/05/2004 09:12)
lazain'ny dokotera aty aminay fa mifindra na dia ny hatsembohana fotsiny aza izy io, ny rora sns..., ho anay aloha dia mety hanao io vaksiny io angamba fa ho an'ilay ankizy efa mitondra io otrikaretina io inona no tokony hatao azy?, lazain dry zareo mantsy fda raha tsy voatsabo hono io mety hivadika ho sida???????
6. dasy ( 04/05/2004 13:34)
jereo @ www.doctissimo.fr ,na koa google / traitement de l\\\'hepatite B / HEPATITEVVB io no hitako fa mazava , dokotera aiza no milaza izany ? ny fanaovana vakisiny dia tena ilaina, mety misy olona hilaza @nao hoe voany slerose en plaque ianao avieo, ny revue medicale tsy milaza izany, aza dia mihaino ny olona rehetra é ...
7. dasy ( 04/05/2004 13:40)
jereo @ doctissimo.fr na google/ traitement hepatite B/ HEPATITEVVB ireo no hitako fa mora, indrindra manaova vakisiny na mety hilaza aza hoe voany slerose en plaque avy eo, tsy nahita publication medicale tena mazava aho @io, aza mihaino ny olona mandehana eo institut pasteur
8. yonikafopl ( 05/05/2004 21:11)
ka ny olona aty aminay anie tena faran'izay matahotra aretina e! idd fa aretina mifindra izany dia mahita hambara foana ry zareo , dia ianao koa no ampitahoriny, ka izany no antony nahatonga ahy nila toky tato
9. yonikafopl ( 16/05/2004 21:14)
ANTSO AVO O!, asa re fa mba tokony hilana fiheverana ihany angamba ny fahasalaman'ny malagasy fa tena mampihoronkoditra, mieritreritra aho mantsy fa tena mihanaka any Dago mihintsy io aretina io, fa tato anatin'ny 5 mois izay dia efa ho 4 isa ny ankizy vavy tonga avy any Dago any misy io otrik'aretina io, asa koa ny resaka visite medicale fa milaza ho nanao visite izy ireo nefa nony atao visite rehefa tonga dia misy. Tena mampalahelo sy mampatahotra ny ho avin'ny fahasalaman'ny malagasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1536