Maty Im-7 hono ...

1. rindranavalona ( 30/04/2004 12:39)
Malaza be eto Dago fa misy karazan'olona maty im-pito izay vao tena maty. Toa Atandroy (Tsy ny rehetra) angaha izy izany.
Any amin'iny faritra avaratra iny dia nahita olona iray izay aho, malaza ho izany, ka ny fihetsiny rehetra dia toa manamarina ny filazan'ny olona. Tezitra izy (mody tezitra koa angamba) raha sendra voatsipinao vasika ...
Izaho aloha tsy mbola afaka ny hino hoe efa avy maty izany ilay olona satria (Tsy nahita ny nahafatesany) :
Raha atao hoe misy ny karazan'olona maty impito vao tena maty, tokony hisy olona hatratra ny 200 taona izany eto Mada.
Ka aminareo, ahoana ny fandraisanareo izany?
novalian'i didim ny 20/10/2015 20:30
2. hery ( 30/04/2004 12:59)
Izaho aloha efa nahita olona akaiky dia akaiky anay mihitsy fa tsy impito izy no maty fa in-2 ary ny fahatelony dia tena maty izy... na dia mbola niandriandry aza izahay hoe sao dia hifoha. Ka toa izao ny tantara fa mbola kelikely aho tamin'ny nahafatesany indroa. Tamin'ny fahafatesany tena fahafatesany kosa anefa dia tena tany mihitsy izahay ary mbola nihainohaino.
Etsy ambany no hotantaraiko fohifohy fa tonga dia ny hevitro no lazaiko sao mantsy tonga dia misy mitsara ambony ihany. Misy ny olona afaka manana ny état-n'olona maty tanteraka (ohatran'ny coma lasa lavitra be) tsy mamaly intsony ny famantarana rehetra (pulse, fofonaina, sns) kanefa tsy tena mbola maty. Io no mahatonga ny gasy hiteny hoe "Ny anongotsongoana ny maty, ny tahotra ny handevim-belona". Io ihany koa no mahtonga ny olona sasany hiandry faty elaela (araka ny fandre dia tsy tokony tena hahazo antoka raha tsy afaka 48 ora) Ka na ny dokotera aza izany dia mety hiteny hoe maty tanteraka ilay olona kanefa izy mbola hifoha rehefa avy eo. Izany hoe misy voazavan'ny siansa ihany ny sasany. Toa izao amin'izay ary ny tantara izay manampy an'io zavatra voazavan'ny siansa io.
Fianakaviana akaiky dia akaiky ilay izy (tsy holazaiko ny fifandraisany aminay). Tamin'izy "maty" voalohany dia azoko inoana fa tsy tena maty izy satria vetivety loatra dia nitsangana indray. Mbola vao nampandroana izy (angamba nangatsiaka loatra dia nisy fiovan'ny toe-batana) dia taitra tao. Tantaran'ny fianakaviana no nandrenesana hoe tsy izy no tokony ho faty. Dia noteneniny "hono" hoe andana jereo i ... fa izy no maty fa tsy izaho. Dia gaga tokoa "hono" ry zareo fa io ... io tokoa no maty. Tamin'io fotoana io izany dia tsy nisy vavolombelona avy amin'ny tany an-tanan-dehibe mihitsy fa ry zareo tao ihany satria vao nampandroina izy.
Ny "fahafatesana" faharoa izay nahitana an'ireo fianakaviana vitsivitsy izay akaiky dia efa taratara izy vao taitra. Efa vita daholo ny fampandroana sy ny sisa. Efa nampandriana teo ambony latabatra... ary efa nisy olona vitsivitsy tonga. Mbola tsy nisy dokotera nanamarina koa tamin'ity fotoana ity hoe maty marina ve izy, ambanivohitra moa. Fa dia tsy namaly ny zavatra rehetra efa natao azy izy. Dia mbola nifoha indray izy rehefa maty ora maromaro. Korontana be ny eran'ny trano satria efa nisy mpiray tanana vitsivitsy tonga nanotrona. Fa ny vadiny sy ny ankizy tao antrano no nahatadidy ny zavatra nitranga taloha no niezaka ho tony sy niandry azy hilaza loza fanindroany. Dia nolazainy tokoa hoe jereo i ... fa izy no nantsoina fa tsy izaho. Tamin'io fotoana io anefa dia nanahirana be satria anisan'ny tonga hiandry faty ny vadin'ilay rangaha ... izay nolazainy hoe maty. Dia nandà mafy ilay ramatoa hoe tsy maninona izy fa vao anikeo maraina izahay no nisaraka. Voan'ny tazo kely fotsiny izy dia navelako ao fa tsy afaka nandeha aty. Nony notenenina anefa hoe mandehana jereo ny vadinao dia lasa izy niaraka tamin'ny olona vitsivitsy. Dia hitandry zareo fa maty irery tao antrano tao ilay rangahy. Angamba niakatra loatra ny tazo.
Ny fahafatesany fahatelo (sady farany) dia samy niandry daholo izahay. Izaho anisan'ny tany tamin'io fotoana io. Mbola velona izy dia efa nandeha tany izahay ka ny alina dia maty izy. Tsy nisy nitomany aloha. Izaho mbola tany andakozia nikarakara rano mafana no nilazana fa maty izy. Dia sady nivazivazy aho no niteny hoe sao dia mbola tena tsy maty. Fa izany daholo anefa ny tao antsain'ny olona... hoe sao dia mbola tsy tena maty indray io. Dia niandry izahay. Mbola tsy nilazana ny mpiara-monina. Satria sao dia hifoha eo indray ka hilaza loza. Nony ampitso hariva anefa dia hita fa ôtran'ny tena maty tokoa izy ka dia tapa-kevitra izahay fa atao hoe maty izy. Dia izay vao nilazana ny olona. Dia tsy nifoha intsony izy.
Hatramin'izao ny ao amin'ny fianakaviana dia tsy manisy formole ny olona maty satria sao dia mbola misy ohatran'izany ny taranaka aty aoriana.
3. jhouhlambout ( 30/04/2004 13:27)
Mmmh, mahaliana tokoa izany tantara izany. Kanefa ve mbola tsy nisy doute kely tao aminareo teo ampandevenana azy farany? Asa aloha e..... Fa efa ela ihany izaho no nahare karazana tantara toy izany, misy hono tena efa andro vitsivitsy mihintsy(ary efa ho alevina) vao mitsangana tampoka indray (panique @ zany tsy lazaina intsony). Raha ny théorie_ako dia tsotra: samy manana ny anjara andro iainany ny olona ka raha mbola tsy lany io anjara io dia na inona na inona mitranga dia tsy ho faty tanteraka izy. Même raha maty im-7, zany hoe eo @ 490 ans en moyenne raha mahazo fiainana vaovao isaky ny avy maty!!! la chance!!
4. aladin ( 30/04/2004 13:31)
kotsy torana teo 'ze nampandro azy ?
io coma io tokoa alou toy izany eh!
Nisy oul izay 'zany de efa hoe maty de nalefa tany @morgue @ chambre froide.Ka refa tonga ny haka azy dia gaga satria niha lava ny volombavany.(efa ela² ihany no nijanonany tao)izy anefa hoe tsy mba mpanalava volombava ary nisy nanamarina fa vao nalàna volombava vao haingana izy teny @ hopitaly no maty.
5. jhouhlambout ( 30/04/2004 15:16)
aladin > Phenomène physique misy io, nareo ve mbola tsy nahalala hoe rehefa maty ny olona dia mbola misy fotoana kely: maniry ny volony ny ohony(ongles) ary mobla misy partie ny vatany azo alaina tsara hanaovana greffe ho an ny sasany!! tena marina izany. Raha misy tsy mino dia manontania dokotera na mpianatra medecine.
6. hendry ( 30/04/2004 16:57)
Hafa kely ilay tantaran´i Hery.
Ilay olona any atsimo lazain´i Rindranavalona io ndray lolo vokatra no anarany. Amin´ny foko Atandroy no misy azy io nefa tsy ny Atandroy rehetra, maty impito hono ry zareo vao tena maty. Rehefa maty nefa ilay olona ka miverina mitsangana dia tsy miara-monina @ fianakaviany ntsony ary matetika aza dia mifindra toerana lavitry ny nipetrahany taloha. Zaho moa mbola tsy nahita hatr@ zao ary sarotra amiko ny mino, nefa olona avy any @ ilay faritra no nilaza fa tena misy izy io.
7. booboo ( 30/04/2004 17:15)
Any Mahitsy (RN4 ) misy an'ireo maty im-pito ireo. Dé be be de ny olona no efa mahay manavaka hoe raha io fa tsy tena olona. Be mpiavy manko any !
8. ramoul ( 30/04/2004 20:17)
dia aôna ny ahafantrana fa iny olona miaraka aminao iny ohatra efa maty de mbola miverina indray?
heritrereto hoe ny olona miresaka aminao na ny sipana na ny mpiray monina aminao efa maty tany amin' izay nalehany tany de vel any amin'ny toeran-kafa ndray.
Mampatahotra be zany an!
9. aladin ( 01/05/2004 09:32)
hiptsio!!!!tsy azo hikotiana sipa tsony 'zany 'zany toerana 'zany!liste noire.efa henoko koa alou ny lazan'ireny lolo vokatra ireny fa tsy haiko na fahamarinany e!
10. jhouhlambout ( 01/05/2004 10:54)
Maninona raha manao enquête any mihintsy aloha mijery na misy na tsisy? avy eo hita ihany zay iafarany
11. booboo ( 01/05/2004 11:38)
mivatsia vovo-tany izay hanao raha fa mataho-bovoka zareo ! ho sarotra koa ny raha hatao fa mbola manohy ny asa fanaony taloha hono zareo. Tsy izaho no mandainga fa ny akama nitantara an'izany !
12. raben ( 02/05/2004 01:26)
"Mort apparent" izany hoe ohatran'ny maty ilay olona fa tsy mbola maty Rindra a no fiantsoana azy ireny. Ary io dia mety maharitra ora vitsy na ora maro arakarak'ilay toe-batana. Fa ny mahaliana ahy kely dia teo amin'ilay izy nanondro olona hafa izay tena maty tokoa
Aoka tsy hohadinointsika anefa fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra : na ny maty aza hainy ny manangana izany. Koa aoka isika tsy ho gaga. Amiko dia natao hampibebaka ny toe-javatra toy izany
13. xxx ( 02/05/2004 06:15)
Izany no atao hoe vokatra re-olona an, Raha tena tsy hainareo dia mandehana amin'ny faritr atsimo sy amin'ny faritry ny bara dia hitanareo hoe ahoana ny maty raha velona indray
14. alz ( 02/05/2004 08:46)
Toa tsy mila makany an-tsimo akory, fa ato anatin'ity serasera ity, misy namana "vokatra", efa-maty in-3 dia miverina indray (niova solonanarana hafa fotsiny).
15. jhouhlambout ( 02/05/2004 19:46)
hihihi ..... iza izany?
16. ikaretsaka ( 02/05/2004 20:50)
misy koa izay an.. fiainana daholo iznay rankizy an.. .. izany izany ilay hoe Maty Virtuel ko... hahaha tsdy ratsy
17. fatou ( 03/05/2004 07:19)
soutenancen 'zay razoky prof de philo anay tany toliara momba an'ireny lolo vokatra ireny.bobaka be ny kozin i lery fa ny recette fotsiny no omeko: voanjobory+rà(kelikely ihany)+badamera(hazo avy any atsimo)+fombafomba rehefa mandevina de mazava ho azy +vavaka @izany AOLO TSY FERA izany;otran'ny hoe LOSIFERA é.
Ny dozin'ireo ry zalahy tsy haiko fa sao manandrana eo à.
18. hendry ( 03/05/2004 10:07)
dia mampaninona io recette io? mampitsangana @ maty ve sa entina miady @ zareo lolo vokatra?
19. ravatorano ( 04/05/2004 12:09)
zà deffa nahit aizany lolo vokatra lazainareo izany fa tsy tany tulear fa tany Ihosy kosa.Tsy nanakiray fa nisy telo izy ireo no nifanena taminay tamin iny lalana makany Sakalalina iny.Ny olona niaraka tamiko no nilaza fa hoe lolovokatra ireny satria misy fofona hafa toy ny fofopaty izany(maibo malao) , mena maso be ary ny hodiny toa mamovoka izany ny lokony manopy lokom bovoka izany.
Ny voalazan i hery dia tena inoako satria efa nahita io tranga io ny tenako tany amin ny faritry Betafo iny(atsimo) efa handeha ho fonosina ilay voalaza fa maty no nihetsika indray , ry zareo moa tsy nampiasa formole rahateo satria lavitra tobi-mpahasalamana.Nihanalefaka ny tanany ary nahazo hafanana ny tongony.Taitra noho izany ireo mpamono ka votsotra ilay faty ary dia nikaikona indray ilay tanany havia dia niverina nitsotra.Vaky nirifatra nandositra aloha ny tao antrano ary anisan izany ny tena vao niverina ary teo no ho eo ihany dia roso nangala mpitsabo ny fianakaviana .Nihanafana anefa ilay voalaza fa maty , izany hoe niverina normal ny hafanan ny rà teo amin ny vatany.Tena raha tsy azo ninoana izany ary ny tena izay nianatra dia variana tokoa satria efa telo andro sy alina izy efa clinikeman mort , ny vatana mihinjitra, mangatsiaka be,na tsongoana aza tsy nahare narary, ny fofon ainy tsisy tsotry ka na nasiana fitaratra aza teo tsy hita velively ilay entona navoakan ny vavany.
Tonga ny mpitsabo ny ampitson iny rehefanalaina tany amin ny telopolo kilometra ary dia nijery teo de nilaza fa tsy maty io ramato io fa velona tsara saingy mbola matory izy ary avelao hiala sasatra fa reraka be.Izahay nanao mission nandalo ilay tanana ka tsy nahafantatra ny tena antony naharary an ilay ramatoa na iza no maty ho solony fa ny reko taty aoriana dia mboal velona any izy zao.Natahotra be ny tena fa maro moa ny olona teo ka dia nanatanja saina no natao nisinisy
20. ikaretsaka ( 04/05/2004 19:54)
ireny hono misy mitantara ny diany tany ankoatra tany koa rehefa miverina ka anontaniana dia misy miampita izany rano be iznay hono manasaraka ny fiainana eto sy ny any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4842