Maty Im-7 hono ...

21. fijo ( 04/05/2004 23:59)
efa naheno an'io daholo ny ankamaroantsika,ary na aty france aza dia maro ny cas de coma profond toa io.efa nisy gandaharana mikasika azy io koa tao amin'ny arte.ka ny siantifika dia milaza fa tsy maty izy fa "dans le coma profond"ary dia tsy miasa tsara intsony ny taovany.miha mangatsiaka ny rany,saingy tsy tena mbola mangatsiaka toy ny tena maty.hevitra iray iny,fa misy moa ny milaza fa efa tena maty izy.ny zavatra voamarika dia saiky mitovy ny zavatra voalaza'ireo izay miverina,ary somary misy fahasimbana kely ny toe tsainy avy eo.vokatr'ilay taova tsy niasa tsara io.
sarotra ny milaza izay tena marina satria tsy mbola nahita ny tena fa misy aloha zavatra tsy mbola voazava tsaran'ny siansa e.ekena io.
22. randjy ( 18/05/2004 11:11)
Ny tantaran\'ny maty im7 dia nisy ary any @ faritra atsimo no tena niatombohany .ny tantara dia manao toy izao hono :nisy hono t@ andro taloha 300 taona lasa eo ho eo mpirahalahy @ foko ao astimotsimo ao izay nifamaly mafy ka nifanozona ary ny ozona dia io tsy maty raha tsy im7 io ary rehefa alevina dia tsy mba totofana tany fa vaela @zao fotsiny.Izy io dia henatry ny fianakaviana satria toa zavatra ratsy antony ilay ozona .Izany hoe ireo olona zay mbola manana io tranga io @zao fotoana izao dia tsy safidiny velively ny ho toy izany nefa ny fiarahamonina koa tsy manaiky zany noho izany dia tsy maintsy mifindra monina izy ireo na alefan\'ny fianakaviana mifindra monina.zany hoe omena voamaina efa nangotraka izy asina mandeha mamboly izany ka tsy miverina raha tsy mahavokatra.Tsy sanatria mitantara angano fa tantara tena nisy io ary mbola misy saingy sarotra ny miaina azy; zany hoe tantara mampalahelo izy io no tena marina.
23. librepenseur ( 18/05/2004 13:04)
tena mahavariana indray izany an!
24. fijo ( 18/05/2004 22:29)
sarotra hoa ahy aloha satria za tsy mbola nahita e?
25. tsilan ( 19/05/2004 03:44)
Any amin'ny faritra atsimo no misy ireo olona atao hoe vokatra, ary koa any amin'iny faritry ny Bara Bory iny. Ireo olona ireo dia tsy azo alevina ambanin'ny tany hono fa manjary velona indray.
Ary izay vokatra dia roahina eo an-tanana ka omena anarana hafa.
tantara izany fa manonantania aloha ndaty fa tsy tena haiko tsara ilay izy
26. fijo ( 19/05/2004 04:28)
ka efa nanontany olona maro avy any aho momba io fa "HONO"daholo no henoko.
27. tsilan ( 20/05/2004 00:58)
Fijo
Ny tena mety dia midina any mihintsy satria ireo Ndaty mipetraka ivelan'ny faritra Androy matetika dia olona vokatra, ka tsy te-hilaza izy. Misy tantara mahonena mantsy izy io, ary tsy hoe mahonena fa henatra ihany koa.
Rehefa any Androy dia mandehana any amin'ny faritr'Androka, Marovato, Belolo fa ry zareo no tena mahafantatra ny tantara. Tsy dia tiako ho tantaraina eto satria misy olona avy any mahafantatra noho izaho, ka tsy hanao fandrikaantany aho akory, na ho tehina fa aleo izay mahalala no hitantara. Ianareo izay nanontany olona dia inona no navaliny anareo? Eny fa na dia hono ihany aza mba anaovana angano eh
28. fijo ( 20/05/2004 23:01)
ny valiny henoko aloha dia hoe misy io any aminay ary maimbo ry zareo.izay no ahafantarana azy.dia misakafo ve wa ry zareo?dia hoe toa ny olona rehetra ihany.ka tsy hitako izay tsy maha olona azy wa raha izany.dia hoe satria izy efa maty.lasa ady hevitra be ilay izy avy eo.
29. didim ( 20/10/2015 20:30)
Oleretsy. Mba ataovy serieux zan any mahitsy zan fa za manana sipa any ah. Fa za efa niasa tany Toliara 2ans fa efa naita mitsy ary niara niasa tamin olona mitondra anio karazana io. Tonga tao amin ny tanana niasako lay olona de efa deformé ny tarehiny de ny lelany efa tsy misy tsun fa otran tapaka zan, de lay lehibe mpampiasa ana no efa aenoko resaka amin ilay mpiray tanana hoe anisany, de izy no nandray anlay olona tonga andro alina tamzany. De afaka ray vollana teo eo angamba de tsy haiko tsony we lasa nankaiza le izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0545