Mety afaka manondrana solika isika atsyhoatsy

1. amfhaja ( 30/04/2004 04:15)
Efa ho tokony ela isika no nitrandraka solika fa izao vao vita ilay fifanarahana mitentina 500 tapitrisa amin'ny andihany voalohany
Mahavelombombolo izany
Mba tantarao e!
novalian'i xxx ny 24/11/2004 01:59
2. kitjo ( 30/04/2004 19:33)
efa ela aloha nahenoiko an'io fa tsy haiko izay nihafarany e
projet projet antaratasy fona no nahenoiko azy h@zay
manana tahiry betsaka v sika k azo antenaina ny anondranana?sao d tokony hampihenana ny "cout" ao antoerana zany?? mba mihena ny hafarana?
sao manko d hanondrana mora fa hanafatra lafo zavatra mitovy iany
3. amfhaja ( 03/05/2004 04:18)
Ny sur aloha de misy ilay zavatra fa mbola tsy fantatra ny vokatra ho azo e!
4. kitjo ( 11/05/2004 14:09)
Hitako t@ gazety andorany fa rahampitso no hodinihana ao @ Assemblee io resaka io
Fa toa oh korapaka oh "detaxation" ilay izy satria ilay projet aza toa androany hariva 16h vao hivoka nefa rahampitso no horesahin'ny parlement, aza hitako...!!!!!!!
5. fatsoraly ( 12/05/2004 16:23)
Hahaha! Aza mba mora anaovan'ny sasany sary mihetsika hoah fa...hahaha.
Fantatro tsara io taranja io fa ny azoko tenenina anareo fotsiny dia hoe: "SARIMIHETSIKA". Sady tsy mba olo-malaz ny milalao azy fa cartoon le izy! hahah.
Tsy mivazivazy aho fa marina io teneniko io an! Kôzy e!
6. fatsoraly ( 13/05/2004 10:37)
Te hanao "scientific survey" eto amintsika ny "matanjaka" dia io resaka solitany io no mody kitikitihiny. Rehefa azony anefa izay "data" sy "samples" rehetra ilainy (oh: "military data" sy ny harena saro-bidy ankibon'ny tany izay mody lazaina fa "sample") dia avoaka @ izay ilay "report" fa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny raha hitrandraka solika isika. Rehefa misy ilan-tsika an'ilay "data" vokatr'ilay "scientific survey" any aoriana dia mividy amin-dry zareo isika ary dia mihoa-papana ny vidiny. Io ilay hoe tompony mangatak'atiny! Maro ny minisitera Gasy no efa tratran'io fa mbola tsy fay ihany hatr@ izao fa asa...misy "bribes" angaha any ambadika any sa ahoana????

Tsy naleo ny teratany avara-pianarana no tambatambazana hampandroso ny firenena? Izao ry zareo tambatambazan'ny firenena vahiny fa ireny tsinona no manome be fa tsy mba hoe...manomeza kely e!

Sahia manao dingana lehibe

7. samoina ( 13/05/2004 12:22)
Ny tarika Mahaleo efa ela no nampitandrina antsika mikasikan'i Bemolanga dia mbola mitady hiroso foana isika. Mba averimbereno henoina ihany ny tononkiran-drizareo ireny reolona fa ireny mahita lavitsêê!!!
Marina io tenin'i fatsoraly io fa tsy ahaleo ny vidiny ny sarany e ! Toa tsy solitany tonga de azo trandrahana ito izy mantsy fa toa mbola grès bitumeux hovakivakiana izay vao sivanina,ets. Fitapitahan'ny colons sy ny lèche-colons manabotsin-kibo fotsiny isika mpandoha hetra !!
8. kitjo ( 13/05/2004 19:21)
za moa d efa miteny an'io foana

io vazah vazah io ihany d matimatin zany

manin ny gasy misy tsy mbola nihinana vanille nefa gasy mitana ny 70% marche @ export??

manin ny gasy azo isaina @ tanana no manankarena @ vatosoa nefa ny musse lehibe erantany vato avy any Dago no mandravaka azy??

mila misaina tsika e!!!!!!!
9. gasykely ( 17/10/2004 23:54)
eny oa ry zareo, aleo lazaina anareo ny momban`ny solika malagasy eh, mialatsiny aloha raha misy teny vazaha kely ilay izy an, fa izao eh: ny \" indice\" milaza ny fisian`ny solika amin`ny tanin`tsika malagasy na antanety na andranomasina dia efa ela no fantatra sy voaporofo, fa ny olana dia ny toetany misy ny soloka any amin`tsika dia hafa fa tsy toin`ny ao amin`ny arabo sy ny sisa, izany hoe raha atao tsotsotra dia betsaka \" faults na failles\" ny toerana tsika ka hany ka sarotradia sarotra ny maka azy, nohon`ny fisian`ireo \"faults\" bediabe ireo dia tsy haleo ny sarany ny vidin`ny fitrandrahana, satria raha mandatsaka \"forage\" iray tsika dia lafo lavitra nohon`ny solika miakatra avy ao vola lany amin`ny fitrandrahana
taloha aloha izany dia natao hoe impossible ny fitrandrahana, ka izay nanao ny \" analyses\" dia nanajanona dahono, fa tao anatin`ny taona vitsivitsy kosa nohon`ny fandrosoan`ny teknolozia dia efa misy ny fitaovana afaka ampiasaina amin`ny toerana toa ny antsika io, noho izany dia azo ampiasaina tsara io tetika vaovao io, fa ny olana dia ilay resaka solika tafiditrin`ny politika be loatra amiko.
Ary koa, raha ny hevitro dia izao, dia ny \"bitume\" fanaovanadalana sy ny \"gaz\" no tokony ho tradrahana (bemolanga betsaka, ny cote west iny koa betsaka, sns)
mazotoa fa zay no tiako ho marihana kely
10. xxx ( 18/10/2004 04:03)
ra to ka azo trandraana io de efa nifandrombahana i madagasikara. jereo oatra iraq, kowait, timor est, arabie saoudite, venezuela, ...
11. tsilan ( 18/10/2004 20:55)
Hahahaha, ny solika misy moa ny mpilaza mahay. fa ny abetsahany toa tsy ampy trohan\'ny milina iray volana akory.
Raha sakopanja aloha dia any Morafenobe dia tena feno tokoa eh, na any Tsiribihina ambony.

Fa mety hoe soli-bolo koa anie no ho trandrahana satria lava be ny morontsiraka azo ambolena voanio tsara eh, sa ahoana?
12. fijo ( 18/10/2004 23:06)
asa fa aleo aloha hanao e
13. xxx ( 26/10/2004 07:24)
ra to ka azo trandraana io de efa nifandrombahana i madagasikara. jereo oatra iraq, kowait, timor est, arabie saoudite, venezuela, ...
http://apnews.myway.com/image/20041020/OIL_PRICES.sff_NYET261_20041020165026.html?date=20041025&docid=D85U6AFO0 ny vidiny

14. fijo ( 26/10/2004 23:04)
an an ka tsika gasy dia tsy sahiny ka
15. kitjo ( 30/10/2004 17:54)
Ny vaovao farany dia efa voazara @ firenena maro ny fitrandrahana solika ao Dago
Tsy tadidiko ny reference-n ilay gazety fa raha nisy nahita an\' iny mba afaka atao eto ve azafady?

Nahazo i Germany, Afrique du sud...toa maro2 ihany.
Toa bdb ny fepetra napetraky ny fanjakana koa fa ny tiako hotenenina dia hoe raha kely tsy ampy hotrohan\'ny milina iray volana ve ilay izy dia ho ampy nozaraina tahaka izany?

Raha tsy misy ve ilay izy dia hanao fifanarahana amin izany ireo firenena ireo?

Inona marina ny zava-misy izay e :?:
16. ikaretsaka ( 30/10/2004 22:56)
dia samy miandry e..
Rahoviana no hitranga hzizy Mahaleo
17. kitjo ( 31/10/2004 14:57)
Miandry fa gasy ve :?
18. gasykely ( 24/11/2004 01:15)
Tsy mora ny fitrandrahana ry zareo an, tsy hoe misy solika dia hadiana amin`ny angady dia ho azo, betsaka ny zavatra tsy maitsy atao ka mety ho tonga ampolotaonan`ny maro io raha mitohy ny asa.
Izay tsy mino hoe misy solika moa madagasikara dia azy ny azy, aleo ny tantara no hitsara, iza moa no nino tany aloha fa hisy safira hivoaka tao Ilakaka na dia efa fantatra ny manao prospection efa hatramin`ny 1922 aza(vakio ny bokin`ny Lacroix 1922 ho an`izay manana).
naninona no tsy nifandrotahana madagascar hatrin`izay, satria mbola tsy ampy ny technology entina hitradrahana azy, na izany aza tsy ho voatery ho hanodrana isika, mety quantitee tsy ampy ahoandrana ny hiakatra ao, ny science dia possible hisy hadisona \" error\" ka aza dia misioka tsy tafavoakan`ny ala aloha
19. xxx ( 24/11/2004 01:24)
i Lacroix dia nanafina donnees be dia be satria izay no politikan\'ny colon.
Efa ntaolo be koa io bokinyy io ary ny methode de prospection (generale) nataony efa soara. Efa nisy projet hanaovana prospection manerana an\'i Madagasikara sy hanavaozana ny carte geologique et miniere tanteraka saingy nolavin\'ny Banque Mondiale satria misy donnees efa fantany fa tiany hafenina antsika

Izao anefa mivoatra ny teknolojia ary hita fa tsy ahazoana tombony ny solika hatramizao aloha raha mbola manodidina ny 50 dollars ny vidiny iraisam-pirenena.
20. xxx ( 24/11/2004 01:50)
Tsy efa ifandrombaana anga zao ny manangana aire protegé any madagasikara?
Protegé oany gasy ve sa oaniza?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1858