Laoka saonjo

1. tsilan ( 29/04/2004 12:32)
Laoka rondrony izy ity.

Voasany saonjo (iray lehibe)
tetehina toy ny mangahazo tetika
Totoina ny voanjo manta (1/4 kilao)
Andrahoina amin'ny rano roa zinga ny saonjo, ka rehefa mangotraka ny arotsaka ny voanjo. Somary atongilana ny takotra fa mandroatra ny nahandro.
Aza adino ny sira, araka izay itiavanao azy.
Mazotoa homana tompoko
novalian'i mumu ny 11/05/2004 09:29
2. oully ( 29/04/2004 12:41)
Raikitra fa hanandrana eh! misaotra. Tantaraiko rehefa mahavita zà :)
3. aladin ( 29/04/2004 13:59)
'zah kou mahay
saonjo+totok-hena+tongolo+votabia+karaty kely.atao toy ny manao soupe légumes ireny.tetehina ihany ny saojo mazava ho azy.tsy voatery ho laoka ihany izy @io fa na hoanyna @zao toy ny lasopy aza de m'lay B
4. ramoul ( 29/04/2004 16:29)
de voaray ny resety fa dia miandry ny valiny zah rehefa manandrana.
innn kaloha zany karaty zany ry aladin fa raha tsy zany dia tsy mandrana ny resetinnn njy zah?
5. nananie ( 30/04/2004 09:44)
Karôty io e! hihihi.

Za zao vao nahita 'ty resety 'ty. de aôna ny tsirony ry zareo a? za mantsy tsy hafaka ny anandrana satria tsisy saonjo aty aminay :-(!
6. ikaretsaka ( 30/04/2004 14:15)
misy any ko.. any @ sinoa
7. jhouhlambout ( 30/04/2004 14:47)
.... inona?
8. voninkazokely ( 30/04/2004 16:48)
Eny ary fa dia andefaso saonjo anay mbo anandramanay azy koa é!!!!!
9. ikaretsaka ( 03/05/2004 00:19)
saonjo ka
10. hendry ( 03/05/2004 10:16)
saonjo ihany fa atao mofo. Andrahoina ny saonjo, rehefa masaka dia potserina, afangaro @ totokena, tongolo maitso voatetika, tongolo gasy voatoto, atody(nokapohina elaela), asiana farine kely dia kely zara raha misy. Bolabolaina toy ny manao hena baolina dia endasina. Sira mazava ho azy ny miaraka aminy.
Mazotoa homana.
11. oully ( 04/05/2004 09:42)
Misaotra ry zareo an!
12. kitjo ( 08/05/2004 03:52)
andefasana saonjo v nananie e, aty sady le masaka tsara mangavongavoka tsara reny mitsy fa tsy matsao
13. booboo ( 09/05/2004 13:29)
hendry> milay beee ilay saonjo atao mofo !
14. mumu ( 11/05/2004 09:29)
ilay sonjo iny kou atao otrany frites ka! atao manify kely de endasina hmmmm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2751