Andro Alahady

1. samoina ( 25/04/2004 05:23)

Ô ry namako,

Nandalo hoa ny eritreritra,
Vao nifoha, nitady hevitra,
Tong'ity ny Alahady,
Hivavaka ve? Sa hibalady ?

Manahôna ny andro ao ?
Toa manjombona ry 'nao ?
Aleo mijanona ato an-trano indray,
Mihaino vazo gasy koa milay e !

Hadisoana ve sa heloka ?!!.....
novalian'i fijo ny 26/05/2004 23:25
2. jhouhlambout ( 25/04/2004 08:06)
iza no mahalala?
3. lanto ( 25/04/2004 11:45)
Ka nivoaka ihany sa nijanona ?
bdb hira masina koa ao samoina :)
4. jhouhlambout ( 25/04/2004 16:25)
Fivavahana hafa indray izany?
5. tsilan ( 26/04/2004 01:31)
Samoina,
Tsy misy tsiny ny amin'io,
fa izay heritreritrao.
raha izay no tsara sy madio
Tsy manahy fa tanteraho.

Ny miteny morafoana
ho anay zay mitazana
Fa ianao rehefa noana
zay hita iantsapazana

Tsy haiko aloha eh
6. oully ( 26/04/2004 10:03)
Mahay raha reto seraseriste reto an
7. hendry ( 26/04/2004 12:32)
tsy ny mankany am-piangonana ihany akory no mivavaka.
8. hendry ( 28/04/2004 13:02)
na andro tsotra na alahady
raha toa enao mitady
sy miezaka hivavaka
dia ho afaka malalaka
tsy voatery ho any am-piangonana
fa na dia ao am-bovononana
dia efa afaka manandratra
ny dera amam-boninahitra

Hita mihitsy aho hoe tsy poeta ary tsy ho poeta mihitsy.
9. booboo ( 28/04/2004 13:15)
aizaaaa !
10. ikaretsaka ( 28/04/2004 13:15)
Aleko ihany aloha mankany ampiangonana
toy izay ilay tongava-ny mpamaky baiboly
lahady maraina izy no mitonatonana
Lazainy fa za hono no misy devoly
Kay ny Fananoko no Ialonana
dia @ alina izy manao mitampoly!
11. angie ( 28/04/2004 15:07)
ikaretsaka kosa efa mihezaka
fa na izany aza tsy miady ilay resaka
Marina ilay an'i hendry hoe ao an-trano de afaka midera
Saingy hafa ihany ny any ampiangonana satria tena misy ny mpampahery.
Raha zay orana ve no hahasakana anao, ny malemy aza nefa miezaka ny hanatona.
Aza kivy zalahy mahereza fa mandalo ihany hono ny lera.

4/10 kosa angamba mba omenareo e hahahahah
12. hendry ( 28/04/2004 17:52)
Lera inona ny mandalo ry angie?
ka efa lasa anie ilay alahady e!
Tsy voatery miaraka @ mpitory
raha ireny no manorisory
r´ikaretsaka
aza avela hiditra
hidio ny karetsaka

Zaho koa tsy tia an´reny
fa mandrebireby
vao hitako lavitra
dia itadiavako fika
mba hampivovo ny alika
@ zay tsy sahy miditra

Zay mahay manoratra tononkalo no aoka hitora-bato ahy.
13. a256011 ( 29/04/2004 05:54)
Fanontaniana: Maninona moa no natao hoe FIANGONANA fa tsy hoe FIVAVAHANA ny Eglise?
14. eritreritra ( 29/04/2004 08:26)
hihi
mampi eritreritra
15. fijo ( 29/04/2004 22:27)
Andavanadro reraky ny miasa
tsy maitsy atao satria mikasa
ka ny alahady any tokana
andro ho ahy manokana.

dia holaniako any an kafa ve?
hiangona na hivavaka?
tsy aleo ambony fe
tsy asiako havakavaka.

any ianao lany andro
mitaraina miantsoantso
izy anefa tsy hita fa handraso
dia reraka sy mena eo ny maso

ao an trano avy orana kosa
miaraka amin'ny kaly miavosa
tsaky sy toaka misosa
iny alahady hafa kosa.

asanao izay andeha hiangonangona any
16. rfanjav ( 30/04/2004 08:27)
Izay adiny roa, na ora telo kely andehanana any am-piangonana v d tsy foinareo e ?

za tsy mahay tononkalo,

za koa tsy sanatria mitsara fa mba apetrako fotsiny io fanontaniana io !!!

17. jhouhlambout ( 30/04/2004 18:30)
tsiky dia ampy!
18. fijo ( 03/05/2004 23:36)
ka adiny roa efa ahavitana inona ry nao an
19. win ( 25/05/2004 02:46)
Misy teny manao hoe ao amin'ny Baiboly:
Aza malaky manao hoe masina ity, fandrao...
Ny tiany lazaina dia izao, raha mihevitra ianao ( na koa hoe nametraka), fa ny mankany ampiangonana ihany no atao hoe mivavaka, dia mahatsiaro ho meloka ianao rehefa tsy mankany.
Meloka ve ianao hoy ianao?
Raha vao mametraka fisalasalana ihany koa ianao dia tafiditra ao anaty ny fanamelohana ny tenanao.
Na izany aza tokon'ny ahatsiaro an'Andriamanitra ianao amin'ny fotoana rehetra, sady ilay fomba nametrahanao ilay vazo gasy hilahatra amin'Andriamanitra no tsy milay.
OK!
20. fijo ( 26/05/2004 23:25)
inona indray ity integrista be ity le.miha manahirana mihintsy izany finoana izany an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1599