Maninona no mahomby ny MIDI sy GAZETIKO

1. 2689 ( 23/04/2004 08:45)
[Hatsikana sy lalao] Inona no antony mahatonga ny Ny gazety Midi sy Gazetiko ho be mpividy indrindra kanefa na endrika na votoaty tsy mena mitaha aminy ireo gazety maro misy eto Madagasikara? Ny vidiny mitovy, kanefa ny isan' ny Midi sy Gazetiko lafo isanandro raha atambatra betsaka noho ny an' ireo gazety hafa rehetra mitambatra.

Izay mahita ny valiny omeko surprise.
novalian'i fijo ny 26/05/2004 21:19
2. drtriniti ( 23/04/2004 08:50)
Reseka marketing izany. Ohatran'ny mpivaro-mofo be dia be ihany io fa ny iray mahalafo be kokoa noho ilay iray.
3. hendry ( 23/04/2004 13:42)
gazetiko> teny gasy ranoray
midi> be offre d´emploi sy filazana manjo, misy jeux, hatsikana ary dokam-barotra.
4. ramoul ( 23/04/2004 14:26)
ny gazetyko ariary zato ny vidiny ny midy njay misy mampihomehy ao anatiny.
5. rindranavalona ( 23/04/2004 15:07)
Satria izy ireo mahita vavao foana isan'andro (mahita lazaina) na dia misy vaovao efa tonta aza.
6. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:34)
sensationalisme
7. hendry ( 24/04/2004 12:43)
2689> mba misy marina ve reo valinteny reo sa mbola tsisy?
8. 2689 ( 26/04/2004 06:14)
Diso daholo.
Miandry kelikely aho vao lazaiko ny tena antony marina, miaraka amin' ny porofo ara-tsiantifika sy antotan' isa.

9. hendry ( 28/04/2004 12:38)
enao ngah mpiasan´ny midi?
10. ikaretsaka ( 28/04/2004 13:28)
efa io ambony io ny valiny
11. a256011 ( 30/04/2004 10:27)
Satria betsaka ny ilana azy.
Ankoatra ny vaovao sy ny zavatra hafa izay lazainy :
1) Any @ Coiffure na cyber... dia mandram-piandry tour dia mamaky gazety aloha ny Client.
2) Ho an'ny olon-tsotra azo entina any @ W.C izay tsy ilaina.
3) Ho an'ny mpivarotra mofo : atao famonosana.
...
Ka ny Gazety Midi sy ny Gazetiko dia somary bebevelarana, sady malemilemy, no ...
Marina ve sa ?
12. 2689 ( 30/04/2004 11:47)
Bravo a256011!
Ilay valiny faharoa no tena marina.

Nampanao fitsapan-kevitra ny agence capsule ny tenanay (Tsy mpanao gazety velively aho, mpanala azy fotsiny), tamin' ny olona miisa 1583, methode de quota par ratification géographique!
88,38% no namaly fa ampiasainy hifirana ny tena ilany Gazety. 16,93% namaly hoe ijerena horoscope sy programme télé (Mihoatra ny 100% ny fitambarany satria afaka manome valiny mihoatra ny iray ny olona iray nohadihadiana).

Nanontaniana indray izay gazety tena tian' ny vodin' izy ireo, (t@ ireo namaly hoe mpifitra @ gazety) 99,86% namaly fa ny Gazetiko no tsara indrindra, sy ny Midi , fa ny Tribune sy Les nouvelles hono henjana loatra, ny L'Express sy LGDI sy ny Le Quotidien malama loatra ka tsy mahafoaka tsara. Ny Ngah sy Tokelaka kely loatra ka ndrao mandray amin' ny tànana.

Fehiny : Tsy miraharaha izay vaovao na dokam-barotra ao amin' ny Gazety ny mpanjifa, ny horoscope sy ny programme télé no asiany maso dia ny fitombenana no mamarana azy. Dia hadalàn' izay manenjika mpanao gazety na izay mpanao gazety be koretaka hoe tsy manana fahalalahana fa tsy fahefana fahefatra velively ny gazety eto Madagasikara, ary tsy misy vokany amin' ny mpanjifa izay zavatra resahiny.

Manaraka izany, eo @ télé dia ny Rta sy TVPlus no be mpijery indrindra eto an-drenivohitra, ary ari @ gidagidany ary no misy ny Matv. Mbola manamarina fa ny fialam-boly no ilàn' ny malagasy fampahalalam-baovao (Film, hira, izay ny rta sy TVPlus no betsaka azy), izay vao ny vaovao (Be vaovao kokoa ny Matv sy TVM).

Tapitra, ambava homana ...
13. jhouhlambout ( 30/04/2004 13:05)
Ka efa mazava be, fa matoa be mpividy dia tsy maintsy any @ maloto foana no tanjona hihihi
14. samoina ( 30/04/2004 13:09)
hi !hi! hi! Tokony ho gazety "safosafo" @ izay no atao anarany izany.

ANATRA: Jereo tsara ny fono-mofogasy sy ny fono-koba ry namana isany alohan'ny handrapahana!


15. win ( 25/05/2004 23:39)
Manahy aho fa raha izao no mitohy dia tsy ho voalohany intsony ny MIDI sy ny GAZETIKO
16. fijo ( 26/05/2004 21:19)
fa iza indray no mety haka ny toerany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3221