Misy tsy mazava

1. xxx ( 22/04/2004 18:39)
Manahoana daholo nareo ry olona lehibe,mba azony sasany Hazavaina ve hoe:manao ahoana ny toetoetra hananan`izany olona tia vola zany
Dia ianareo ve tia sa tsy tia?Eny na Tsia
novalian'i booboo ny 21/06/2004 14:52
2. kally ( 24/04/2004 12:47)
Izaho aloha tsy tia vola fa mila vola e!
Izany tia vola izany manko ilay tsy mahafoy vola mihitsy raha tsy ho azy sy ny tombotsoany ihany,dia vao misy resaka hoe vola dia ny hikatsaka azy hiditra any am-paosiny ihany no mahamay azy na hanosena an'iza sy iza aza.
3. yonikafopl ( 24/04/2004 13:17)
Ilaina ny vola satria io no hozatry ny fiainana, nefa mbola mitana ilay ohabolana malagasy aho manao hoe " aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana " ny vola fitady ka tsy hataoko mampisy olana, tiako ny vola nefa tsy hametrahako ny foko.
4. sipagasy ( 24/04/2004 13:57)
Ilaina ny fananana ilay vola fa ilay tsy andevoziny ihany no izy é!, marina fa ny vola no maha-rangahy tsy midika akory izany fa raha tsy manana dia vehivavy!!! hi!hi!hi!hi!hi!, Ny fahaizanao mampiasa azy no tena zava dehibe é! tsy entinao anindraindranao ny tenanao raha manana be ianao ary tsy isitrihanao any ambanin'ny tany ihany koa raha tsy manana ianao.
5. booboo ( 21/06/2004 14:52)
ny toetran'izany oul tia vola izany dé ataony dôl izay fika mety ho hitan'ny ati-dohany hahazoany vola na hanariany ny fianakaviany sy ny namany sy ny tsy haiko intsony ara !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.198