Ambodiatafana

1. ikaretsaka ( 21/04/2004 18:29)
Mba fanontaniana kely fotsiny:
Nony vita ny crise 2002 ka lasa nandeha any ivelany ry Jamba.. dia nilaozany ambodiatafana.. inona sisa no tavela ao?
iza no tompony izao?
dia inona no zavatra azo atao ao, azo ovaina ho birao ve na hotely ?
misokatra ny adihevitra
novalian'i fijo ny 05/10/2004 22:04
2. ramoul ( 21/04/2004 19:40)
ra tsy manana heritreritra hiverina ry jamba dia tsy maninona mihitsy fa raha mbola hiverina ry zareo dia mety hisy ady ndray eto
3. booboo ( 21/04/2004 20:23)
ohatra tsisy tavela ao fa lasan'ny rezervista nandalo tao ny ankamaroany !
4. fijo ( 21/04/2004 20:35)
araka ny hitako tamin'ny gazety dia lasa base miaramila ao izao rehefa avy nalaina daholo ny tao anatiny
5. ikaretsaka ( 21/04/2004 20:37)
fa inona aby ny possiblite azo atao aminy iznay e? afaka atao birao ve , base militaire aloha izany lety.. hotely ve sns
6. fijo ( 21/04/2004 20:57)
birao angamba fa toa villa ilay izy tsinona.
7. ikaretsaka ( 21/04/2004 20:58)
fa ny hangezany ka
8. kitjo ( 22/04/2004 02:23)
villa oh trano rht d misy birao kely bdb manodidina d ny tokotany malalaka b

hotely zany aloha ts mety fa birao ngamba nefa birao inona any @ dezaka b any, fa ho an fanjakana d atao base militaire zay d mety fa le izy tsinona feno toerana le miafinafina nanafeanan zavatra rney sady otsan mampatawatsa b

ra atao hotely matawatsa ny ol fa hanangaran deba ao rf oh zay knou,mety efa mahita izy amzay
9. ravatorano ( 22/04/2004 06:10)
raha mba nandeha naka rivotra tany Mahavelona (Foulpointe) izahay mianakavy tamin ny vacance da paka iny fia nijanona roa andro teo Ambodiatafana .Nijery io tranon i deba io tokoa izahay fa tena milay zany raha vovo , vita tsara.Nandritry ny fandosiran i deba dia voalaza fa talohan ny nahatongavan ny zana dambo dia efa najifa ny entana tao afa tsy ny sofa sy ny seza lava tao amin ny saloon satria nazefatra.
Tamin ny nandalovanay tao dioa tsy afaka niditra nijery ny tao anatiny izahay fa tety ivelany ihany (zaridaina).Tsara le toerana ary dia avoavo izay ka tratry ny rivo dranomasina tsara.Tazana avy eo koa mkoa ny ranomasina na dia somary mismisy ihany aza nyhalavirana.Manakaiky ity trano ity koa ny vianany izay fihaonan ny ranomamy amin ny ranomasina ary ny manodidina azy dia zava maitso avokoa.Ny tompony v tsy ho ry zareo ihany raha araky ny voalazan ny fananan tany sy trrano.Ny mipetraka ao amin io trano io dia tsy mazava amiko satria tsy nisy sahy nilaza raha mba nanontany ny tena fa dia we ny fanjakana aloha no mitantana anazy io zao.
10. fijo ( 22/04/2004 22:55)
mampalahelo raha toa izany no hiafaran'ny trano mpanjakana rehetra.jereo ny nahazo an'i iavoloha tamin'ny andron'i zafy.
11. ravatorano ( 23/04/2004 06:14)
ka tsy tranon drafanja anie io rafijo fa an'i lery e fa raha andrafanja io efa nataony hotely na dia ampanofaina fotsiny aza hitadiavam bola , raha atao birao lavitra loatra ny tanana, fa naleoa aza ato site touristik ka izay mba te hijery ny momba an i Deba sy ny niafarany dia afaka mandalo eo de asiana fidirana ny makao de zay
12. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:45)
ary raha manao karazana legionaire na marines gasy dia any ny mikotrana?
13. booboo ( 24/04/2004 10:49)
tsara koa izany ! mafy toto tsara mivoaka avy ao !
14. ravatorano ( 21/05/2004 12:04)
Amizao fotoana izao dia takian ny fianakavian d
ratsiraka haverina aminy i Ambodiatafana izay mirefy 55 ha ary misy trano lehibe telo , piscine
Naneho ny heviny ry zareo tamin ny alalan ny taratasy nalefa tany amin ny tompon andraikitra tany toamasina mba hamerenana aminy io tananany io.
Efa nalefa aty amin ny fanjakana foibe moa izany fitakiana izany.
Marihina fa tany novidian Dratsiraka izy io ary misoratra amin ny anarany mihitsy.Amizao fotoana izao dia mbola misy mpiambina ao dia ny miaramila,polisy,zandary mifangaro .

15. fijo ( 26/05/2004 20:31)
raha azy indray o,dia,roa no azo hatao aradalana.
_na averina aminy(ny fampiasana azy,na tsy any aza izy)
_na dia hamidy hangalana ireo vola voalaza fa nahodiny tamin'izy hitsoaka.raha voaporofo fa nisy io vola voahodina io,dia azo alaina amin'ny vidin'io tany io.
16. xxx ( 04/10/2004 02:35)
Inona indray izany?Rehefa miongana izany Ravalomanana dia holovain\'ny Malagasy koa izany ny Tiko?
17. fijo ( 05/10/2004 22:04)
ny tiko dia orin\'asa fa tsy fananana manokana toa ny trano.izany hoe ny trano sy ny fiara ary izay fananana manokan\'i ravalo dia hazo ahitsoka raha voaporofo izy fa nangalabola tao amin\'ny fitondrana,fa raha ny orin\'asa kosa tsy azo atao izany.tsy mitovy ny sokajin\'izy roa ireo fa aza atambatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1488