ahoana indray ity IP miharihary b ty

1. ravatorano ( 16/04/2004 11:12)
tena zendana aho nahita anio , tsary nampoiziko mihitsy.Ny olana amin io mantsy dia izao : raha sendra misy mahalala ny IP nao dia asa fotsiny
Tsy tokony ho jerena v ny momba an izay e
novalian'i six ny 29/04/2004 09:21
2. ndriana ( 16/04/2004 12:43)
Misimisy ihany ny site no mampiseho an'io. Transparence ve ? sa Ianao irery no mahita azy amin'io fotoana io ? Ingahy webmaster angamba no afaka hamaly izay tanjona kendreny ê !
Fa ratsy marina aloha raha misy mahafantatra ê !
3. hery ( 16/04/2004 12:53)
Ip-n'iza no hitan'i ravatorano?

Ny IP-nao ihany angamba.

ny anton'io dia mba hahitanao hoe iza no nampiasa ny compte-nao farany. Misy mitaraina mantsy hoe ampiasain'olona ny compte-ny. Eo izy mahita hoe ordinateur-n'iza no nampiasa ny pseudo-ny farany.
Tsy mahita ny ip-n'olona hafa mihitsy anao kah.
4. donemaskit ( 16/04/2004 13:24)
calme fotsiny Ravatorano an
5. imailaka ( 16/04/2004 16:10)
Ataovy serieux zalahy ity resaka ity a !!!!!
1° dia sur ve izany oe nisy nampiasa izany ny kaonty raha tsy nifanaraka oe izao ny mdp sy ny kaontiko
2° ny olona sur fa hahalala ny momba ny kaontin ny tsirairay ato nge tsy misy afatsy nareo web master isany sy master isany na kou ny Hackers
3° matoa zany nasiana an io dia tena mibanaka ity raharaha ity, ka misy olona mahafantatra ny kaontin olona sasany ao donky mety hiteraka savorovoro ny amin ny fahatokisana ity tranokala ity.
4° raha fantatr ilay olona aza fa izany io dia tsy hiditra amin ny ip-ny izy fa miditra cyber ohatra na pcn'olonkafa dia akory izay? na koa irony sehatra manome ip radom ireny toy ny dhcp sy ny karazany dia iza no enjehina!!!!!!!!!
5° ka raha ohatra ka hackers na olona te hampiady dia idirany ny kaontin i ravatorano de apetany eo ny ipn i hery na ny andramaskita dia ahoana? tena horaikitra iany ny adisaritaka ?
6° olona firy mapiasa an ity sehatran ny aterineto ity moa no mahalala ny dikan izany oe ip?
Amin ny eritreritro manokana aleo tsy asiana an io resaka io hivoaka eo ?
fa raha sendra misy ny manao an ilay izy ka misy mitaraina dia anreo master any iany miteny oe ity ip ity nidtra tao t@ izao ora sy fotoana, raha fantatrareo koa moa oe an iza ilay izy vao may tsara!!!!

Izay fa dia soavatsara e!!!!

sourire la vie !!! oziz orange sy cocacola!!!
fa tsy sourire le ridicule!!!!!
6. hery ( 16/04/2004 16:29)
Aleo aza fa azavaiko leisy ilay izy

Misy kôfa sy sipa mpisipa eto. Mazava ho azy fa indraindray ry zareo mifampizara mot de passe. Dia idiran'ny anakiray ny compten-ny anakiray. Ny blem dia aty amiko no mimenomenona satria "hono" izaho mahalala ny mot de passe... dia hozy aho hoe jereo ny ip dia ampitahao.

Tsy misy hoe iza no henjehana fa du moins ilay olona mahalala hoe nisy niditra tato amin'ny compte-ko. Ny dikan'izany dia fantany hoe nisy nampiasa ny mot de passe-ny. Ka afaka manova mot de passe malaky izy ohatra.

Ny olona mahalala ny atao hoe ip no mikitika an'io fa tsy izay tsy mahalala akory. Zé tsy mahalala dia mampiasa ny site tahaka ny taloha ihany.

Nampidiriko io satria hitako fa na ny PhpNuke aza misy an'io. Donc misy an'io daholo ny site-n'olona mampiasa phpNuke ireny. Zà tsy mampisa phpNuke fa mamorona ny module-ko manokana dé zé hitako hoe tsara dia amboarina indray.

Izay ihany no antony nanaovana an'io. Tsy resaka hanenjika fa iza kou mou no afaka hanenjika olona mampiasa cyber? FA raha ohatra ka olona manana ip fixe ohatra, efa fantany fôna ny ip fampiasany dia manjary nisy fotoana nisy ip hafa tampoka... dia fantany fa nisy nampiasa ny pseudo-ny.

Dé zay ihany kah.

7. fijo ( 16/04/2004 19:51)
azafady aloha ry zalahy fa tsy fantratro akory ny dikan'ilay IP,ka raha azo atao dia mba hazavao azafady.satria raha misy manao an'io amiko ohatra dia tsy fantatro akory.
misaotra.
8. ds ( 16/04/2004 20:56)
Hoy Fijo nanontany :
>azafady aloha ry zalahy fa tsy >fantratro akory ny dikan\'ilay IP

IP (Internet Protocol) na adiresy IP, dia adiresin\'ny solosaina tsirairay mifandray eo amina tambazotra. Miovaova izy io (isaky ny miditra) ho an\'ny sasany, tsy miova kosa matetika ho an\'ny mpampiasa kabla sy xDSL sasany. Raha nendrikendrehina ho mpanely bibikely ohatra ianao, dia avy amin\'ny alalan\'io adiresy IP no ahafantarana raha niainga marina avy tao amin\'ny solosainao ny bibikely. Izay ny momba an\'iny.

Momba ny fisehoan\'io adiresy io indray, dia tsy hitako ny olana. Tsy misy afa-tsy ny tompony ihany no mahita azy na mahafantatra fa azy io adiresy io ankoatra ny tompon\'andraikitra. Tsy tokony hatahorana mihitsy ny fisehoan\'io ka.
Isaky ny iray segondra, misy olona manandrana miditra ato amin\'ny solosaiko hatry ny ela kanefa tsy fantany akory fa ahy io adiresy io. Ny olon-dratsy anie tsy hiandry ny fisehoan\'io vao afaka mamely e. Ohatra iray : fantatrareo angamba ilay bibikely MS Blaster. Raha vao miditra eo amin\'ny aterineto ianao, ka mampiasa Windows XP ary tsy nametraka ilay arofanina (patch Microsoft) dia tsy maintsy voany. Ny dikan\'izany, dia vao miditra ianao dia asiany kanefa tsy fantany mialoha ny adiresinao sy ny fe-potoana idiranao ary n\'aiza n\'aiza alehanao na eto amin\'ny namana na any amin\'ny toeran-kafa.
9. ravatorano ( 19/04/2004 08:04)
amiko aloha tsisy olana io satria nenah mafy be ny fiarovana ary de lazaiko aminareo fa za isan andro za dia mandio foana satria ny adiresy mail ko dia feno bibikely tsy latsaky ny dimy isan andro.
Izay antony izay koa dia mankaleo anah satria leo mamono bibikely foana aho ary raha vao adiresy tsy haiko ohatra dia avy hatrany dia efa voafafa automatika ka manahirana ihany satria mety hisy namana tsy tafiditra anaty repertoire ny adiresiny dia voafafa izy.
Marina ny voalazan i Hery sy ds ary mahavaly ny fanontaninan imailaka sy fijo ireo ka tsisy hanohizana na mandilana mbola ho tenenina.
Ny antony tena nametrahako anio theme io mantsy dia mba nisy namana maromaro ihany nilaza tamiko fa sao de tsy mety le izy fa mba alefaso forum any é.Ny tena marina tokony raha misy manana olana momba ny takelaka isika dia tsara kokoa ny avy dia manoratra na mandefa mailaka any amin ny admin na i hery.
Misaotra é
10. fijo ( 19/04/2004 23:42)
dia ahoana izany no ahitana azy.
11. six ( 29/04/2004 09:21)
tsy maninona nge na tsy aseho aza e, zay ts mahay nin'in, fa le izy kou aza miovaova be kou,
toa efa niala le izy kou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2284