hirampivavahana

1. xxx ( 14/04/2004 10:43)
fa maninona kay rehefa hoe groupe
hanao hirampivavahana dia tsy misy mpanohana mihintsy?
novalian'i xxx ny 23/01/2005 16:30
2. yonikafopl ( 14/04/2004 20:50)
Arakaraka ny toe-tsaina io, nefa misy koa anefa ilay manao hirampivavahana ,asa angaha hoe mode izy io nefa ny atao dia mifanipaka @ ilay zavatra atao , tsy hoe mitsara aho akory fa mety ho izay koa ny antony tsy hanohanan'ny olona azy. Ary misy ihany ireo tena lasa lavitra @ hiram-pivavahana rehefa ataony @ fo madio ilay izy.
3. tia_ery ( 15/04/2004 14:28)
Ilay izy hoe HIRAM-PIVAVAHANA 'zany. Tsy efa manana Mpanohana goavana be ve izy araka izany ê!

Ilay hevitry ny hoe mpanohana no tsy azoko !!! Ireny 'zao ANTSAN'I KRISTY nanao fiderana tao amin'ny Palais des Sports nisy nanohana koa ahoana moa no hilazana fa TSY MPANOHANA MIHINTSY ?

Raisiko amin'ny hoe SPONSORS aloha ilay hevitra dia tsotra fotsiny; ny orinasa na izay mety hanohana dia manana ny tanjony amin'ny fanohanana ataony. Matoa izy manaiky ny ho SPONSOR dia misy an'ilay antsoina hoe ''COMMUNICATION MEDIATIQUE'' ao izay. Ary Ao anatin'ilay sehatra MARKETING 'zany. Eo ny PRODUIT fa eo ihany koa ny IMAGEn'ilay mpanohana. Ary tanjona anankiray ny ahafantaran'ny maro an'ilay orinasa sy ny vokatra vokariny. Ataoko fa raha mifandraika amin'izany dia azo antoka fa hanohana tokoa ilay orinasa na ilay mpanohana. Fa ny sehatra HIRAM-PIVAVAHANA ange dia mametraka sahady hoe TSY IZAY TE HANOHANA NO AFAKA MANOHANA FA MISY SIVANA AVY HATRANY IZANY. Ataoko fa tsy ny PMU na ny Cie VIDZAR na ny STAR no ndeha hanohana HIRAM-PIVAVAHANA. Raha tsy hilaza afa tsy izany isika nefa mety koa eo amin'ilay FINOAN'ILAY TOMPONA ORINASA mihintsy izany.

Fa misy ihany koa ilay hevitry ny fanohanana amin'ilay hoe MECENAT. Io ilay fanohanana tsy hita maso ary tsy mitaky fanindraindraina sns... ka mety ho any ary any no hitarafana an'ilay izy.

Amin'ireo tranga roa ireo dia tena samihafa ny SORABOLA sy ny HETSIKA tiana hanohanana; ataoko fa izay angamba no antony sns...

Sôtra ê!
4. ikaretsaka ( 15/04/2004 22:42)
ka io ilay hoe arakarak'ilay torianao e
5. fijo ( 15/04/2004 23:48)
ka tsy mamaely io ko
6. ari.malala ( 16/04/2004 10:41)
ny inona no tsy mamely ri fijo? andray kosa ity ianao!
7. hendry ( 17/04/2004 11:51)
raha tsara sy manintona ny zavatra avoakanao (hira) dia misy manohana foana hoy aho. Tokony mieritreritra sy mandinin-tena ary mandinika ny asany (hirany) zay tsy mahazo mpanohana.
8. ikaretsaka ( 18/04/2004 00:34)
sy ilay fiainana ankapobeny no atao hira fa tsy ilay tsiponina ao anaty fihirana.. fihirana efa nampiasain'i dadan'i dadabeanay hoe hira daha 300 de iny foana
9. tia_ery ( 27/04/2004 09:18)
Fa ny tena mitombona r'izareo dia tsy ilay olombelona no mpanohana an'izany â!

Io ange Andriamanitra no asandratra sy deraina ê! Ka eo no tiana ametrahana ny resaka fa ANDRIAMANITRA MANAKARENA no anaovana hetsika ka tsy aleo ve mametraka eo ampelatanan'ny an'izany toa izay hitavandra sy hitoky amin'olona.

FINOANA io ary TEMOIGNAGE entina hampisehoana sahady amin'ny hafa fa ANDRIAMANITRA MANAKARENA NO HANORENANA NY FINOANA SY NY ASA ATAO.

Sôtra ê!
10. ikaretsaka ( 28/04/2004 03:07)
ka tsy andriamanitra ange no anaovana ilay fampisehoana fa ny mpijery e.. andriamanitra na tsy manao aza ianoa de kobony ..
sao ampifamadihan'i tia ery koa ny lobaka sy ny pataloha atsy aho atsy
11. tia_ery ( 29/04/2004 07:15)
Izy ito ange r'Ikaretsaka tsy spectacle ê! Ary izay no mahadiso hevitra ny maro amin'ireny Hetsika fiderana an'Andriamanitra ireny. Ny FIDERANA n'inon'inona endriny dia tsy natao ho an'olona fa ho an'Andriamanitra. Tsy SPECTACLE velively no atao; fa ohatran'ny mampitovy an'ny Antsan'i Kristy amin'Ambondrona r'ikaretsaka.

Sehatra roa samihafa ireo ary tsy mitovy velively. Hiderana an'Andriamanitra no anaovana an'ireny fa tsy hanomezana fahafaham-po ho an'ny mpijery. Ny mpijery entanina mba hiara-hanandratra an'ilay Avo indrindra fa tsy hijery fe hijery fotsiny.

Ka tena disoko tanteraka i Ikaretsaka.

Sôtra ê!
12. hendry ( 30/04/2004 18:39)
mbola eto an-tany ihany ve i tia-ery?
13. six ( 07/05/2004 09:39)
marina kosa zany ra -tia ery a! tokony ho izay mihitsy no eritreritr'izay hanao izany
14. xxx ( 23/01/2005 16:30)
le izy alou de karazany VAVAKA le hiram-pivavahana fa refa tsy ampy ny vavaka de io alou no aroso .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962