iza no fositra t@ireny

1. xxx ( 13/04/2004 17:09)
dia mahagaga isika malagasy dia samy isika ihany no mifanenjika sy mifanaratsy raha mba misy lalana hafa alehan'ny olona ,jereo anie e misy dia sahy mitsikilo mihintsy hoe hay visa touriste no nivoahan'i tovo j'hay sy ny ekipany ,dia notoriany dia nandoa vola be ny mpikarakara
dia hoy aho hoe;mba iza ary no fositra nahatonga io ?????
novalian'i fijo ny 01/06/2004 23:20
2. oully ( 13/04/2004 17:19)
Aza ataonareo an'izany kosa i Tovo J'hay eh
3. donemaskit ( 13/04/2004 20:43)
samy manana ny reviny e !
4. ikaretsaka ( 13/04/2004 23:06)
rat i Tovo J'hay ireny ro mpanakanto ka mandeha any ivelany mampiasa visa tourisme fa angamba ny 100% an izy rehetra mipetraka any dago mihitsy..
fa misy fosika mihitsy ao e
5. samoina ( 14/04/2004 08:34)
Dia iza intsony marina ny artista ho hitantsika mihira ho antsika aty ivelany raha hifampitory toy izany avokoa ? ( " A qui profite le crime ? " )
6. fijo ( 14/04/2004 22:13)
ka na visa tourista aza anie maninona moa izy raha mihira rehefa tonga aty.ary inona moa ny olona ra visa inona io na inona e.sa te handeha koa dia tsy lasa
7. hery ( 14/04/2004 22:46)
Fa angaha business (ilaina visa affaire) ny mandeha mitsidika sy mihira aty andafy? Tsy haiko indray iny.
I Jean-Jacques Goldmann sy ny sisa ve ôtran'zany kou tany amintsika?
Tsy arako.
8. ikaretsaka ( 15/04/2004 00:59)
zay indrindra manko hoa
ireny nivoaka taloha ireny izany Visa Business daholo?
tsy inoako..
9. donemaskit ( 15/04/2004 19:16)
... dia aôna hoy ny lalàna ?
10. ikaretsaka ( 15/04/2004 22:09)
ny tokony anontaniana dia heo dia ahoana hoy ny artistes sasany sy ny mpankafy
11. fijo ( 15/04/2004 23:10)
raha ny tokony ho izy aloha aty france raha visa touriste dia tsy mahazo manao activite lucrative.
fa iza ireo taty ireo no nangataka izany visa d'affaire izany?tsy mbola naheno aho.fa dia fialonana ilay resaka eto
12. ikaretsaka ( 16/04/2004 02:52)
de inoan ny antony? io tia kely io ihany.. izay tia kely anie tsy hahazo betsaka mandrakizay e.. ary nyazo @ kiloadoaka mivoaka @ makarakara
13. samoina ( 16/04/2004 06:42)
dia ireo artista "mahitahita" visa long séjour sy efa monina aty andafy izany sisa no hiafiana jerena aty lavitra aty ? Dia iza avy anefa izany ?
Tokony hivondrona hifanohana hifanoro hevitra ny samy artista. Possible ve izany ?
14. hery ( 19/04/2004 19:26)
Ary sao dia manimba ny marché-n'ny artista manana long séjour aty ivelany kosa ary ireo artista malaza any Dago mandeha aty.

Na izany na tsy izany dia efa misy maromaro manangasanga. Jereo ny lohahevitra Dokambarotra fa hisy Ricky sy Bodo atsy ho atsy.
15. fijo ( 19/04/2004 22:09)
tsy hitako mihintsy izay hoe manimba ny marchéany aty.samy manana ny azy io.i solo ve ohatra dia hialona izay avy aty,fa ireo tsy misy mpila no mialona,fa tsy te hiezaka
16. six ( 28/05/2004 10:58)
marina zany ra fijo
17. ikaretsaka ( 28/05/2004 18:54)
izay mihitsy ra fijo.. ilay tsy mahazo ireny no mialona
18. fijo ( 31/05/2004 23:34)
ka tokony hatao hery hivoarana ilay izy fa tsy hisakanana izay mba lasa e.
19. chipie1 ( 01/06/2004 19:39)
eee mbola ao ilay toetsaina miefarefa am tany kou. ..
20. fijo ( 01/06/2004 23:20)
dia nahazo inona anefa izay nanao an'izay e.tsy azoko mihintsy ity manakana olona ity raha tsy misy tombony hoan'ny tena akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2611