Manin-te hody

1. jhouhlambout
(
05/04/2004 18:37)
zà zany té hody.....
Ary nareo?
Ary nareo?
novalian'i bozimanga ny 29/09/2005 14:15

4. ramoul
(
06/04/2004 12:02)
Zah konko mba te hody fa ny zavatra ataoko aty an-tan-ol aty no tsy mamela ahy ody any an-tanin-drazana

7. yonikafopl
(
07/04/2004 21:03)
Izaho indray na manina te hody aza, aleoko ihany mijanona , mafy anie ry ireto hono ny fiainana any e! izaho aty no mba afaka mamonjy ireo fianankaviako mahantra, fa raha mody any aho, iza indray no hantenainy? raha sendra misy koa ny fahareseko , iza no antenaiko hamonjy ahy?Koa raha mety ihany ny fiainako aty , aleoko mijanona. Dia hisy aminareo ve hanome tsiny ahy?Rehefa leo ny eto aho, mifindra any an-kafa indray.

9. beko
(
13/04/2004 09:45)
indraindray aloha dia tena hody tokoa , on a envie de tout laisser et partir sans savoir pourquoi . Malahelo, leo mahita vazaha, leo ny fiainana routine ,leo mandoa factures ,Ndao rangahy hody a ! Lasa aho an !

12. fijo
(
14/04/2004 22:47)
ilay aty aloha ry zalahy dia tena efa mankaleo tokoa.nefa ilay mody koa anie ka mila fanomanana fa tsy hoe te hody dia lasa izao.tamin'ny 98 aho dia efa nalefako daholo ny entako,fa niverina indray tamin'ny juillet 99 fa tena sarotra ilay tany.

16. samoina
(
19/04/2004 07:26)
Ny tena zava-dehibe dia ny tsy fanadinoina ny tanindrazana e ! Na aiza na aiza misy anao tsy ho afa-po araky ny hilàna azy hatrany.
Ho an'ireo izay mandalo mivahiny an-tanilavitra ( mpianatra, artista, ets...) dia mahereza sy mazotoa manovo izay fahalàlana azo araraotina hamenoina ny tsy ampy. Ny lesoka maron'ireto vazà izay tsy hitovizana aminy dia ataovy lesona hampivoarana ny fiainan'ny tsirairay.Tsarovy fa raha oharina aminay beantitra tonga teto t@ taona 80 tany dia mahavoa be ianareo afaka mifandray mivantana , mitafa, miresaka, mahita sary ny any an-tanàna @ alalan'ity "net " ity. Maivana kokoa ny vesatry ny fisarahana
Ho an'izay nisafidy ny hijanona maharitra indray noho ny antony samihafa dia ezaho tiavina ny toerana hialokalofana na lavitry ny hatsaran'ny an'ny tena aza.Efa nisafidy ( na mety ho voatery ) ho olon'izao tontolo izao isika ka manana andraikitra lehibe eo @ fiarahamonina hampiseho ny maha-izy antsika @ alalan'ny fitondratena mendrika.Tsy midika izany anefa hoe tompoy sy milelà faladia an'ireto mpampiantrano antsika. Ary indrindra indrindra aza adino ny mampahafantatra hatrany an'ireto taranaka fara amandimby ny tanindrazany araka izay fahafahana manao izany @ lafiny rehetra fa hilainy tokoa izany ho @ ny ho aviny.
Tsarà jiaby jiaby e !

18. fijo
(
19/04/2004 22:37)
marina io voalazan'i samoina io,ary tsindriako manokana ilay fampahafantarana ny mahagasy ny taranaka

19. titakely
(
03/05/2004 08:19)
izaho izao efa elaelano nipetraka taty ampita taty,ohatry ny mba mahafinaritra ery tami'nny voalohany satria madio ny tanana sns fa avy kay tena routine be ny fiainana , mora mankaleo, tsy azo ampitoviana ami'nny dago , mampa te hody e