Ny fialonana ve voan-janahary?

1. alz ( 05/04/2004 16:35)
Matetika rehefa misy olona iray mahavita zavatra dia ny fihetse-po voalohany hita eny amin'ny hafa matetika dia ny fialonana. Ary raha sanatria aza solafaka ny sasany dia mahazohazo aina daholo ny akamaroan'ny spektatera. Ao ary ireo manao tsindrio fa lavo.
Tsy resaka gasy irery ihany ity fa resaka olombelona amin'ny akapobeny.
Ny fahitana ny hafa mijaly ve no mahasambatrambatra ny sasany?
Ny fahitany ny sasany sambatra ve no mampijaly ny hafa?
Inona no tena marina amin'io?
novalian'i fijo ny 16/04/2004 23:53
2. ikaretsaka ( 05/04/2004 20:31)
fitaizana io
3. fijo ( 05/04/2004 23:27)
raha olona tena misaina dia ny an'ny tena aloha no dinihana fa tsy ny an'ny hafa.na mety ny azy na tsy mety ny anao aloha jerena dia izay.
4. ikaretsaka ( 06/04/2004 03:17)
marina mihitsy izay
5. ralipo ( 06/04/2004 04:02)
Izay mihintsy no tokony atao voalohany satria raha tsy fantatrao ny manjo ny tenanao tokony tsy hitsara ny hafa ianao.
Izany akory tsy midika hoe tia tena fa tsara ny "auto-critique" vao miditra @ "critique".
6. peluche ( 06/04/2004 09:20)
marina zany nefa misy olona nanao thèse nilaza fa ny olona tsy maintsy manana tendance micomparen'ny tenanay @ hafa foana
7. ravatorano ( 06/04/2004 12:28)
ny fampitahana amiko tsy midika veli2 fa misy fialonana.Mety mamporisika anao hanana tanjona miohatra ny an 'ilay ze voalaza fa nampitahanao ny fiainanao aloha e.Ny fialonana dia toetra ratsy , mety voajanahary io , na mety nambolena fa miankina betsaka amin ny tontolo manodidina anao koa le izy.
8. kitjo ( 07/04/2004 16:34)
ny tokony ho izy ange tokony resaka "fifaninana masina "io e,
fa ny matetika miseho inddra ho antsika gasy d ny oe "ory hava-manana"
tsy haiko oe complexe noho ilay fampitahana ve d mamingana foana na misintona midina fa tsy miezaka hanakattra ny ambony
9. voninkazokely ( 07/04/2004 16:50)
Tsy voa-janahary fa voatran'ny devoly.
10. jhouhlambout ( 08/04/2004 09:01)
Naturel ny fialonana, raha tsy maka ohatra @ ataon'ny olon-dehibe isika fa mijery ny ataon'ireo ankizikely dia convaincu tsara. Oh: fialonana @ resaka kilalao, akanjo,....
Efa génétique é!
11. hendry ( 08/04/2004 13:44)
Ny olona tsy manana ny anananao, ny olona tsy mahatakatra zay takatrao, ny olona tsy mahay noho enao, tsy tsara noho enao foana matetika no mialona. Mba te hivoatra na hisondrotra @ avo izy nefa tsy afaka.
Ny mpanenjika tsy maintsy afara.
12. fijo ( 08/04/2004 21:40)
raha manao zavatra ianao dia be ny mialona sy mistikera.ireto avy izy ireo.
-izay te nahao toa ano
-izay te hanao ny mifanohitra aminao
-ny tena loza ary maro an'isa dia ireo tsy manao ary tsy mahavita ninoninona.
ka dia avelao izy hialona fa tohizo izay natombokao ary hatsarao izay efa nitanao.
13. ralipo ( 08/04/2004 22:25)
Sao dia resaka possibilité ndray ary e!
Rehefa manana possibilité ambony ny an'ilay iray ny 1 dia lazaina fa manindry.
Rehefa tsy manana possibilité hitoviana @ hafa indray izy de lazaina fa mialona.
tena ratsy loha tokoa ve raolombelona e! Asa aloha
14. kitjo ( 09/04/2004 14:29)
tsy ny olombelona no natao ho ratsy loha fa izy no mandratsy ny sainy k

io lazain fijo io no marina, refa mahavita ze ataonao enao dia ataovy fa aza mora kivy fa tsy maintsy hisy foana ny hamingana fa ezaho ho vita ze ataonao fa refa vizaka le manenjika mijanona iany

Refa madio ny sainao nanao an le zavatra , k tanterakao ho an iza moa ny fatiantoka
15. ikaretsaka ( 13/04/2004 03:14)
ilay mitsabaka ny vilia sy ny anjara masoandron'ny olona koa no mahatonga ilay filinina
16. fijo ( 13/04/2004 23:45)
misy olona manana possibilité noho ny hafa fa tsy manindry izany.ilay manindrykoa anie efa fahambanian tsaina e.
17. karinahbk ( 16/04/2004 05:20)
ny fialonana tsy voajanahary fa toetra novolen'ny devoly ao @ao ao, diso mampitahy ny tena @ olona loatra dia miteraka fialaonana
18. alz ( 16/04/2004 07:19)
Ny fampitahana tsy voatery ho ratsy. Maro ny Cabinet de conseils mampirisika an'izy io ho an'ny orinasa te-hivôtra vetivety (Benchmarking).
Izany hoe, mifampitaha amin'ny mazana indrindra amin'ny Secteurs misy anao, dia jerena hoe inona no azo hatsaraina mba hitovizana no hioharana an'ireny. Resaka teknika na resaka fomba fiasa, sy ny sisa.

Ilay fangalana tahaka zany tsy voatery ho ratsy. Ny soa faka tahaka.

Fa ny tiako tsindrina, ilay tonga de mi-tacle sy manaratsy rehefa mba misy olona manao zavatra no tsy milay. Lany andro mifamotika fotsiny.


19. pitchou ( 16/04/2004 12:19)
ny tsy afaka no manao an'izay! d sintoniny hidina eo @niveau daholo ny hafa
20. fijo ( 16/04/2004 23:53)
ka lasa fifaninanana izany fa tsy fialonana intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2177