ricky

1. sanga ( 03/04/2004 13:50)
Manao ahoana daholo! Hono oa! Mba misy mahalala ve hoe rahoviana no handalo eto PARIS "Ricky" izay handalo any VICHY mandritry ny RNS? Isaorako mialoha ianao izay afaka mamaly ahy.

Misaotra ary mandrosoa hasina
novalian'i fijo ny 14/05/2004 00:04
2. voninkazokely ( 07/04/2004 17:12)
Fun angaha enô ô?
3. ikaretsaka ( 08/04/2004 01:42)
enao nga tsia o?
4. alz ( 18/04/2004 07:28)
Vendredi 07 mai .
7, rue Galois. Z.I. PARIWEST
78310 Maurepas.

Concert Ricky à 22 h
5. sanga ( 19/04/2004 07:47)
Misaotra anao alz a!

Mirary soa ho anao.
Mahereza.
6. alz ( 11/05/2004 17:59)
Masaka be ilay Concert Ricky.
Be ihany ny concert hitako fa ity tena nanala azy.
Naharitra adin'ny efatra ny concert, ary tao daholo ny hirany taloha sy ny ankehitriny.(kalangita, iny havako iny, adinony ianao,...)
Tao koa Balita Marvin sy ny feony kanto.
Masaka be!
7. sanga ( 11/05/2004 18:23)
Manja alz a! Masaka tokoa ka masaka iny rindra tany Maurepas iny. Tsy haiko ianao fa hitako anisany nahatsara azy koa ilay tsy dia be olona fa tena tao @ nitiavako azy. Ohatran'ny mijery concert privé. Asa na rahoviana indray no hiverina Ra-Zoky. Raha nividy ilay raki-kira"ORAA" ianao dia ho lafatra tokoa. Tsy nampoiziko ho mpanakanto gasy toy Ra-Zoky no mahavita zavatra mahalasa saina sy mametraka anao anaty lamina lavorary raha mihaino ilay raki-kira.
Mahereza alz ho @ manaraka indray.
Mandrosoa Hasina..
8. fijo ( 11/05/2004 23:43)
aiza no mety ahitana izany raki kira izany le?
9. sanga ( 12/05/2004 16:30)
Tsy haiko na mety ahitana eny @ fivarotana isan-karazany fa izaho tany Maurepas, vita lanonana, no nividy. Mino aho fa raha manontany mivantana any @ Ricky ianao fijo dia mety ahazo valiny.

Mirary soa ho anao.
10. fijo ( 12/05/2004 23:15)
tsy misy ve any amin'ny FNAC na virgin
11. fijo ( 12/05/2004 23:16)
za lereto tena mankafia ny hiran'io olmbelo iray io ka mba tena mitady izany raki kira izany o.
12. ikaretsaka ( 13/05/2004 00:55)
jereo Virgina ry fijo fa misy an.. tsara tokoa ilay Gadona sy ilay rindram-peo sy HIra ry reto.. mitondar any .....
13. fijo ( 14/05/2004 00:04)
sura ve ialahy fa misy any amin'ny vigine
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2845