ry XXXX isany

21. hery ( 12/04/2004 06:24)
Ny lafy tsaran'ilay xxxx dia izao :)

- Ilay ps ampiasaina eto dia milaza identité na dia hoe solonanarana aza. Iny no entina mitady namana sy mahazo namana ka raha iny no ampiasaina hanaovana zavatra tsy metimety loatra dia matahotra ny ho oainina amin'ilay namana... surtout raha zavatra tsy ankasitrahany. (ohatra hoe manao annonce de coeur indray kanefa efa manana sipa amin'ny alalan'ilay ps). Antony mahatonga ny namana hampiasa xxx io.

- Efa manomboka malaza ny ps-ny kanefa izy mba te handefa forum tsy dia mifanaraka loatra amin'ny image omen'ilay ps dia atao xxx rehefa eto amin'ny forum. Antony iray ihany koa io.

- Milaza ny tena mahaizy azy ilay ps ka mba hanajana ny vie privée amin'ny lohahevitra sasany dia mampiasa xxx.

- Rehefa manoratra hafatra vaovao eto amin'ny forum ianao ka ataonao xxx dia tsy mitranga any amin'ny page d'accueil-n'ny site namana. Izaho dia matetika manao an'io rehefa tsy tiako hitranga any ny hafatra. Kanefa mametraka sonia aho rehefa avy eo.

Ireo lafy ratsin'ny fanaovana xxx

- Psychologiquement ho an'ny mamaky. Hafahafa ihany ilay mamaky hafatra misy xxx ka na te hamaly aza enao dia ohatran'ny kamo.

- Manararaotra hoe tsy fantatra anarana dia mametraka izay tiana hapetraka. Malalaka kokoa rehefa xxx dia hoe tsy manin na manopa aza.

Famintinana:

Ilaina io xxx io aloha matoa apetraka eo. Rehefa manana antony mazava ianao (fanajana ny vie privée) dia tsy maninona mihitsy. Rehefa manopa sy mametraka zavatra tsy izy kosa dia tsy rariny. Rehefa mametraka xxx koa dia aza manantena valiny sérieux loatra satria io ilay lafiny psychologique nolazaiko teo.

22. rfanjav ( 13/04/2004 06:31)
Marina fa mahasorena indraindray ny mamaly ny resak'i xxx,

nefa jereo kosa anie, za v ohatra hamaly ao @ Resa-dehilahy na Resa-behivavy, ohatra hoe : inn no position ankafizintsika, ... d hametraka ps, menatra b za, hi hi hi

na koa hoe za ve hamaly ny resaka adalan'i Fijo (resaka vicieux ohatra) d hasehoko eo ny ps-ko, ...

Asa aloha !!!
23. samoina ( 13/04/2004 21:06)
matoa mamaly rafanja dia mahatsapa fa zava-misy sy hiainana andavan'andro ny "resak'adalan'i fijo". Tsy tokony ho menatry ny hampiseho ps farafaharatsiny fa izy manao"resaka vicieux" aza sahy mampiseho ny sariny fa tsy miafin-tava toy ny mpanompa sasany.
24. ralanz ( 14/04/2004 00:53)
marina mihitsy io resaka momba andry xxx io .ny sasany de tena manararaotra ohatry ny b...mihomehy alina mihitsy rehefa mitafy io solon anarana io ka miteniteny foana amin ity forum ity .
tsy le resaka vicieux sy sex akory reny zavatra aradalana sy ianana andavan andro fa le mifanopa indraindray no tena tsy tantiko .satria tsy fantatra tsinona ny identite ndry takaka de manararaotra manopa ry leirony .
apetaho le pseudo mba ho fantatray hoe avy aiza zany opa variraraka izany e
25. booboo ( 14/04/2004 20:39)
avoahy dia homboy e !
26. ikaretsaka ( 14/04/2004 23:21)
zay zany!..."roger" hoy ny miaramil amiady any iraka
27. fijo ( 16/04/2004 20:13)
ny hevitro dia izao e.ekeko io raha natao mba tsy ahafantarana ny fiainana manokana satria io dia anao irery.fa raha natao hanadalana sy hanebahana namana kosa dia aleo ikaretsaka no hitsara azy.izany hoe raha misy zavatra momba ny fiainanao tianao hakana hevitra eto dia tsy maninona raha tsy hita ianao.fa raha anompa sy hanadala ny namana fotsiny,mba tsy rariny angamba,ka dia mahaizamifidy e
28. ds ( 16/04/2004 21:15)
Miombon-kevitra tanteraka amin'i rfanjav aho. Tsy hoe rehefa mampiasa XXXX akory dia ahiahiana. Toy ny saonjo iray lohasaha ny namana ka tsy ilaozan'izay mamarara, ka anjarantsika ny manavaka ny vary amin'ny tsiparifary. Rehefa manondrana ny namana iray na mampiasa ps na XXXX izy, dia tokony hampitandremana ary esorina rehefa tsy laitra tenenina. Aza hadinoina anefa fa mety hiverina izy ny ampitso rehefa avy nanova ps. Noho izany tsy mora ny manaraka azy. Raha tsy hoe angaha angatahina ny CNI ny tsirairay alohan'ny hidirana ato.
29. booboo ( 21/04/2004 14:09)
dé aôna ihany izany ?
30. oully ( 21/04/2004 17:14)
Fifanajana no hitako hoe zava-dehibe. Rehefa hitanareo admin fa manohina ny hafa ny hevitr'ireo xxxxx avy hatrany dia fafao fa hitako hoe tsy mety raha avela eo ny hafany nefa avoaka ery ambany ny anarany. Tsy ho fay ve izy rehefa voafafa matetika eo ny hafany sady hanomboka hanaja ny hafa.
Dia anjaranareo admin no mandajalanja azy eo eh!!! Ilaina ihany ny fanajana ny anonymat-n'ny hafa, satria misy matotra sy mahasoa ny hafa ihany ny resak'ireny olona ireny nefa tiany hiafina ny momba azy.
31. ikaretsaka ( 21/04/2004 18:26)
izay mihitsy.. ny ahy raha misy maiendrika hafahafa dia avoakako hohitan'ny be sy ny maro. ohatran'ny mipipi ankilaoty manko ilay izy.. rehefa manao pipi dia esorina ny kilaoty ary aharihary ilay zavatra fa tsy ao anaty kilaoty (XXXX) no mipipi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8205