lehilahy manampy ny vadiny

21. nananie ( 02/04/2004 10:32)
Amizay ve mihena le 100 kg hihihi?!

Le hoe refa tsy eo zany kosa madama tsy mba rariny e! Tokony mba mahatsapa tena ny lhl hoe reraka avy niasa zany vadiko zany fa aleo ataoko ny raharaha oh. na we aleo mba haka aina madama @ week end fa efa niasa be mintsy izy isan'andro.
22. ralipo ( 02/04/2004 23:55)
Eny tokoa ho'a nefa tadidio fa matoa ny ankamaroan'ny lhl ato tsy "pour" à 100% @ le raharaha an-tokatrano dia vokatr'ilay maha-malagasy azy (ilay kolo-tsaina no tiako lazaina) ka aza omena tsiny re oln a!
Ary matoa ireo vhv miady mafy ny hanaovan'ny lhl izany dia mahatsapa ny maha-lany andro izany izy satria samy mi-karataka kosa kou ko nahoana no izy irery no hikarakara toka-trano.
Setriny : Aza manam-bady oln tsy mitovy fenitra amin'ny tena fa hifanjana foana ao an-trano ka ny solafa no lasa mitavana ny harenareo, ary ny ankizy ho sadasada fisaina sy mpialangalana koa rehefa lehibe.
23. hendry ( 08/04/2004 14:04)
marina io. Fa na zany aza raha mbola vita ihany zay tokony ho vita aza miditra @ "solafa" zany.
24. fijo ( 08/04/2004 22:50)
ka izay manaova aloha ianareo vhv enmety hanampy ihanyizahay avy eo
25. ralipo ( 08/04/2004 22:57)
Fa iza no miteny hoe hiditra @ solafa?

Fa zay tokoa ny voka-dratsy indraindray an! raha manjamanja le solafa de lasa maîtresse ndRamose, ary raha bôgosy le sofera de lasa tandapan'i Madama satria mahavita ny sitra-pony.
26. beko ( 26/04/2004 20:38)
Solafa pelaka alaina amin izay tout le monde est tranquillos
27. fijo ( 28/04/2004 22:35)
hevitra koa letsy iny ko
28. rfanjav ( 30/04/2004 13:22)
Aza avadika ry zareo ny resaka a!!! tsy matinareo lolo mihitsy zany resaka solafa zany a !

Tena mampalahelo mihitsy ireny lehilahy sahy milaza fa reraka avy miasa ireny d tsy mety manampy ao an-trano, nefa mba samy reraka ny miasa any ivelany daholo ihany !

ny vehivavy zany tsy manana zo ny ho reraka ka hiala sasatra fa tsy maintsy manao ny raharaha rehetra rehefa tsisy hikarakara !!!

na tsy miasa any ivelany aza ny vehivavy,

mafy anie izany asa ao an-trano zany e ! tsy maintsy enjehina daholo izao rehetra izao (sakafo manenjika lera, fanadiovana, fikarakarana zaza, sasa lamba...) fa misy ny lehilahy tsy mahatsapa an'izany akory fa hoe izy no reraka no tokony ho reraka satria miasa any ivelany !
29. rfanjav ( 30/04/2004 13:24)
Deraiko manokana ireny lehilahy manam-piniavana sy fitiavana mifanampy amin'ny vadiny ao an-trano ireny !

30. xxx ( 01/05/2004 20:15)
Za vhv, tsy nandray ravin-dena hatr@ izay. Izao niteren'ny fiainana ka nanambady lhl gasy tsy tia manao raharaha an-trano. Inona no mitranga? Anjaranareo ny maminany!
31. fijo ( 04/05/2004 00:14)
mandray ravina maina izany ianao izao ko.
rfanjav>ka izahay anie tsy hoe tsy hanampy e,fa mba tsy tokony hoterena koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3997