Efa manomboka ny fahatanterahan'ny apokalipsa

21. gasy1zay ( 04/02/2020 21:31)

RBNIR:


rhaj0:

Fetsy noho I RBNIR ilay Gasy1zay ity kah..

- I RBNIR mila mikofokofoka manaraka izao Didy aman-dalana an'i Mosesy sy Abrahama ary Paoly sy John The Elder izao, mifokofoko manilika ny helokany ao
Ha leloya :-)

Ha men...

Tsy mila mikofokofoka intsony rehefa tafatoetra ao anatinao ny didiny sy ny fitsipikany (Heb.8:10)

efa lasa fiainana ilay izy....« Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Korintiana 5:17)

Dia ho tsapanao fa marina ity tenin'i Jesosy ity....

« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

Mitsahatra tanteraka fa tsy miasa mafy otran'ny Jiosy intsony manantateraka ilay lalàna (Jesosy no mampitoetra izany ao anatinao) Raha mety ianao....




Mihamahay anie RBNIR izany e! io fitsaharana io ilay Sabata ry RBNIR fa tsy ilay andro sabata eritreretinao a! Azonao @ zay hoe ilay ziogan'i Kristy no ilaina fa tsy ilay ziogan'ny lalan'i Mosesy izay tsy zakantsika ary tsy tanterantsika. Tohizo RBNIR fa tena mihaazonao ny andrasan'i Jesoa aminao
22. RBNIR ( 05/02/2020 05:29)
tsy azo aolakolaka ny teny gasy1zay a!
ny fitsaharana voalaza ety ambony dia ilay fitondrana ny entamavesatra vokatry ny lalàna...
« Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Matio 11:28)


l'habitude est une seconde nature...atao lasa fiainanan'ny olona ilay lalàna dia lasa tsy vesatra aminy intsony (heb.8:10) satria lasa fiainany vaovao 2 Kor.5:17) ary ny FM no hanantateraka izany ao anatin'ilay olona amin'izany (Eze.36:26,27) efa naverimberina hatramin'ny voalohany io fa hita fa tsy niampita mihitsy raha tsy nazavaina tamin'ny antsipirihiny....

dikany ilay lalàna teo aloha ihany (tsy miova) fa atao lasa fiainana fa tsy didy ivelany fotsiny ihany....(kol.2:14) efa naverimberina izany teny izany e,

fa tsy mampaninona fa hoy ny teny hoe « ........ Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [* Na: veloma] » (Filipiana 3:1)

ity teny ity koa dia tsy azo aolaka hitadiavana hevitra hafa satria efa tena mazava be ihany koa...

amin'ny baiboly katolika @ teny angilisy izy teneniny tsara mihitsy hoe "andro fahafito"

9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

https://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4


fa amin'ny dikan-teny frantsay teneniny hoe "un jour de repos" izany hoe andro iray hitsaharana ao anatin'ny herinandro (fa tsy hoe isan'andro araka ilay fampianarana diso)....

9 Il reste donc un jour de repos réservé au peuple de Dieu.

https://bible.catholique.org/epitre-aux-hebreux/3448-chapitre-4

Baiboly katolika daholo no nalaiko satria io no azo antoka fa ela indrindra manana ny marina tany amboalohany....
23. RBNIR ( 05/02/2020 07:14)
ny andro fahafito (Sabatan'i Jehovah) hoy aho dia tena zava-dehibe amin'Andriamanitra, izay manamasina an'io ihany no fantany hoe olony (marika io Sabata io)....

« Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. » (Eksodosy 31:13)
« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. » (Eksodosy 31:17)
« Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. » (Ezekiela 20:12)
« Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Ezekiela 20:20)


Izay no nahatonga ireto olona ireto tsy fantatr'i Jesosy....
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)

Ilay FM mantsy rehefa tonga ao anatin'ny olona dia manome fanomezam-pahasoavana maro tokoa (maminany, manasitrana, manangana amin'ny maty sns) vakio 1 Kor.1-12

Nefa tsy izay loatra ilay tena tadiavin'Andriamanitra fa ianao manao ilay sitraky ny fony mihitsy....

Ka raha ny sitraky ny fon'Andriamanitra hoy aho ny Sabata (andro fahafito) dia mbola misy ho an'ny olon'Andriamanitra (tsy jiosy irery intsony fa notsindrina mazava hoe peuple de Dieu (God's people)....Heb.4:9



24. RBNIR ( 05/02/2020 07:17)
tsy fitsarana an'iza n'iza izao fa tsy tiako ho voafitaka isika rehetra fa mba samy ho tonga any amin'ilay fanjakan'Andriamanitra...

mampalahelo ange izany hoe ianao mafana fo nanao ny asan'Andriamanitra nefa avy eo diso fanantenana tanteraka e!
25. endriny ( 05/02/2020 07:58)

rhaj0:

Tratry ny taona Endriny.


Tratry ny taona ihany koa ianao Rhaj0, sy ireo nama rehetra !

Raha toa marina ka : "Tsy ho ela" araka ny fiheveran'Atra, ilay "Tsy ho ela" nolazain'i Jesosy. Dia mpamitaka izany i Jesosy, satria olom-belona no nilazany hoe: "Mitandrema ianareo, ary miambena fa ho avy tsy ho ela ny farany" Ary mbola nampiany ihany koa taty aoriana hoe: "Mbola tsy ho lo akory... dia efa ho tonga ny farany". Ka asa moa na efa taranaka faha-firy izao no lo. Fa mbola tsy tonga ny farany arak'i Jesosy.

Ilay farany arak'i Jesosy mantsy dia tsy mitovy amin'ilay farany eo amin'ny habaka. Ny an'i Jesosy rehefa ho avy ny farany dia miraraka eto an-tany ny Kintana, dia avy eo hitsangana daholo ny taolam-balo sy ny lavenona rehetra ary hiakatra any an-danitra mandrakizay doria amen. Ny Farany araka ny habaka indray, dia mifandona ny planeta roa, ny galaksy anakiroa, na nopahon'ny lava-mainty ny tontolo.
26. RBNIR ( 05/02/2020 08:03)
ka i Jesosy kosa ange ry endriny efa nitsotra fa na Izy aza tsy mahafantatra ny daty sy ora fa ireo famantarana no fantany e!

« Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. » (Matio 24:36)
« Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona. » (Matio 24:44)


27. endriny ( 05/02/2020 08:05)

RBNIR:

tsy tiako ho voafitaka isika rehetra fa mba samy ho tonga any amin'ilay fanjakan'Andriamanitra...

mampalahelo ange izany hoe ianao mafana fo nanao ny asan'Andriamanitra nefa avy eo diso fanantenana tanteraka e!


Fa maninona moa no isika no manao ny asan'Atra? Angaha tsy vitan'izy Atra ilay asa. Raha ny haiko mantsy dia tsy mila olom-belona voaveta tamin'ny fahotan'i Adama sy Eva Atra. Fa izy aza miteny idray mandeha fotsiny dia vita ny zavatra iray.

Ny olona te hamitaka ny namany no miteny fa izy na izatsy no solotenan'Atra, na vavolombelon'Atra. Raha amin'ny toerana rehetra tokoa Atra, ary tia ny olona rehetra dia tsy mila manondro akory izy hoe i Zafindravindaka no ataoko solotenako fa iny tsy mivazizavy mihintsy rehefa miteny.
28. RBNIR ( 05/02/2020 08:05)
endriny:

na nopahon'ny lava-mainty ny tontolo.

merci endriny d'accord ihany ianao ny farany fa ny lava-mainty dia mety hahafoana ny tontolo (galaxie) marina tokoa....
29. RBNIR ( 05/02/2020 12:00)
endriny:

Fa maninona moa no isika no manao ny asan'Atra? Angaha tsy vitan'izy Atra ilay asa. Raha ny haiko mantsy dia tsy mila olom-belona voaveta tamin'ny fahotan'i Adama sy Eva Atra. Fa izy aza miteny idray mandeha fotsiny dia vita ny zavatra iray.

Ny olona te hamitaka ny namany no miteny fa izy na izatsy no solotenan'Atra, na vavolombelon'Atra. Raha amin'ny toerana rehetra tokoa Atra, ary tia ny olona rehetra dia tsy mila manondro akory izy hoe i Zafindravindaka no ataoko solotenako fa iny tsy mivazizavy mihintsy rehefa miteny.

Ka efa fomban'io Andriamanitra (Jehovah) io hatramin'izany mihitsy ilay mifidy dia mampiasa olona ho hitan'ny maro koa...

taloha be izao dia i Noa, Abrahama, Jakoba, Melkizedeka....izany no nofidiny dia niditra indray i Mosesy sns....dia avy eo i Jesosy, dia taty aoriana ny apostoly....dia izao indray izy miverina mifidy apostoly vaovao....ka efa fombany io ka...tsy hoe vaovao akory...
30. rhaj0 ( 05/02/2020 13:14)
RBNIR:
ka i Jesosy kosa ange ry endriny efa nitsotra fa na Izy aza tsy mahafantatra ny daty sy ora fa ireo famantarana no fantany e!

« Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. » (Matio 24:36)
« Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona. » (Matio 24:44)

Ity hoe ry RBNIR mbo hanontanio I Gasy1zay, ary zizozizoy be mihintsy, toa ny fataon'i Gasy1zay ihany, zizozizoy be mihintsy ary aza amelana raha tsy mamaly I gasy1zay, fa hozy I Gasy1zay-born-again in-1 mandeha hoe:

--- Iray IHANY HONO ny Ray sy ny Jesosy --- arak'ilay formule Telo-Noho-Iray ---

- ka I Jesosy hozy I RBNIR dia TSY mahafantatra, fa ny Ray IHANY no mahafantatra
- Dia i Jesosy sy ny Ray hozy nefa I Gay1zay dia IRAY, ka raha mahafantatra izany ny Ray, dia mahafantra Jesosy.


Ka zizozizoy be mihintsy io ry RBNIR, aza amelana raha tsy mamaly ilay Gasy1zay,.
Tsy valin-teny hoe ilay toatoa ny hoe, izay fihevitrareo tsy rahirahiko, fa izaho Gasy1zay efa voavela heloka ary mitsilailay manja fotsiny ato
31. RBNIR ( 05/02/2020 14:10)
misy fomban'Andriamanitra iraisana ao fa ny marina 3 izireo e!
Izay ilay hoe telo izay iray (trinité) izany hoe iray amin'ny maha Andriamanitra azireo...
fa ny hierarchie dia misy hoy i Jesosy hoe...

« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jaona 14:28)
32. gasy1zay ( 05/02/2020 14:19)
rhaj0 > iny ary aho fa hamaly an! Ka vakio tsara aza ny fanazavana.

Voalohany aloha dia ambarako hoe diso tanteraka ny fieeitreretan'ny olona maro ny mikasika an'Andriamanitra, ny grika zao vao nahita olona niavaka ( matanjaka sns) dia noheveriny fa Andriamanitra, ny kristiana sasany nahita ilay hoe Jesoa tonga tety an-tany dia mieritreritra Jesoa olona foana hatramizao

Fa Andriamanitra dia Fanahy, ary raha nilaza izy hoe hanao olona mitovy endrika amintsika dia etre spirituel no noresahiny fa tsy olombelona charnel, izay ilay souffle nomeny an'i Adama, esprit

@ Maha Fanahy an'Andriamanitra dia tsy mitovy amintsika hoe mizara telo ny tenan'olombelona : loha vatana ary ratsambatana fa izy dia Fanahy vakio ny baiboly fa voalaza ao izany an! Fa Andriamanitra dia Fanahy izy tokana nefa mizara telo, raiso ohatra ilay tenan'olombelona nambarako olona 1 fa mizara telo ny tenany, Andrimanitra 1 fa mizara 3 Andrimanitra Ray ilay tout, Andriamanitra zanaka dia Jesoa na ilay tenin'Andriamanitra "Parole de Dieu", ary ny Fahatelo dia ny Fanahim'Andriamanitra na Fanahy Masina

Raha mitoetra ao aminao ny FM dia milaza ny baiboly fa mitoetra ao aminao Jesoa, dia mitoetra ao aminao Andrimanitra Ray, vakio Jaona

Ka io samy manana ny role-ny izy telo na dia Andrimanitra iray ihany dia ilay Andrimanitra Fanahy, ny mason'i rhaj0 izao no mijery fa ny tongotra no mandeha, fa tsy midika zany hoe tsy i rhaj0 ilay tongotra sy ilay maso.Fa Andriamanitra @ maha Fanahy azy ary @ maha omniscient sy omnipotent ary omnipresent azy dia afaka mizara izy, afaka tonga olona tao @ Jesoa Kristy mba hamonjy antsika sns...

33. rhaj0 ( 05/02/2020 15:14)
gasy1zay:
.. hanao olona mitovy endrika amintsika dia etre spirituel no noresahiny fa tsy olombelona charnel, izay ilay souffle nomeny an'i Adama, esprit

Eny azany mba tsy ifandirana.
(manaraka ny lojikan'i Gasy1zay fotsiny aho io, fa tsy midika hoe "mino", na "manaiky" an'izany ilay izaho Atheist an... azonao tsara io :-)


Dia ahoana, "notsofiny" DAHOLO izany ve ny Raolona rehetra ?

Satria raha "notsofiny" daholo, dia tsy mila manao supposition intsony I Gasy1zay hoe "Raha mitoetra ao aminao ny FM...", satria dia efa "soufflé" an'Azy no nisononoka ao @ ilay Olona.

Sa "Fanahy" hafa indray, TSY-Jesoa, no notsofiny tao ho an'ny rehetra k'lou, fa rehefa "tena izy" ihany, izay vao miova ilay "fanahy" ao aminao ao, ary izay vao tena "mitoetra ao aminao Jesoa"



Dia fanampi-panontaniana: oviana t@ nitomboan'ny sperma/oviola ho olona, dia taiza koa, oviana sy taiza Izy no "nitsokatsoka" izany ?


D'efa misaotra manazava ry Gasy1zay aaa :-)


34. gasy1zay ( 06/02/2020 02:22)
Ny asan'ny nofo (fahotana) manohitra ny Fanahy, ary rehefa nanota i Adama sy Eva dia tsy nitoetra tao aminy intsony ilay Fanahy, izay ilay hoe rava ny fihavananyt@ Andriamanitra noho ny ota.Andriamanitra dia masina ka tsy afaka nitoetra niaraka t@ fahotan'i Adama izy ary i Adama dia tsy vonona ny hibebaka t@ zany fa dia i Eva no nomeny tsiny.

Tsy niverina disponible hoan'ny olona rehetra ny FM raha tsy i Jesoa Kristy no maty hanaisotra ny fahotantsika, izay ilay voalaza ao @ Jean 20:21-22 Jésus leur dit de nouveau: La paix soit avec vous! Comme le Père m'a envoyé, moi aussi je vous envoie.Après ces paroles, il souffla sur eux, et leur dit: Recevez le Saint-Esprit.

izao rehefa naterabaovao ( mibebaka+manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy)ianao dia mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina, dia avy eo afaka fenoin'ny FM (batisan'ny FM) mba hahazo hery hahafahanao mandresy ny fahalemenao sy hahazonao fanomezam-pahasoan'ny Fanahy ( dons de l'esprit)

Ny sperme sy ovule efa nisy depuis création efa tany @ genesisy no nisy ito :Dieu les bénit, et Dieu leur dit: Soyez féconds, multipliez, remplissez la terre

35. rhaj0 ( 06/02/2020 17:09)
TEna lalina be koa ity ry Gasy1zay..

Ahitsio hoe raha diso ny fahazoako azy

1- ni-souffle an'i Adama I Atra, ary dia tafiditra tao @ Adama ny FM

2- nanota I Adama (nihinan'ny paoma), ary dia niala tao @ Adama SY izao tontolo izao ny FM

3- maty Jesosy, ary dia niverina ny FM teto anivon'izao tontolo izao

4- fa ho an'ireo "natera-baovao" na "born-again" IHANY ny FM no miditra, rahefa tena "nibebaka+nanaiky" ilay Olona

5- ary I Gasy1zay dia isan'ny "born-again", ary dia ao @ Gasy1zay ny FM


Izay izy io an? Sa misy diso ny iray @ ireo teboka 5 ireo ry Gasy1zay?
36. gasy1zay ( 06/02/2020 21:36)
Tsy azonao ve hoe tsy afaka mitoetra miaraka @ fahotana ilay FM, ny nahatongavan'i Jesoa hanaisotra ny fahotana, tadidio ilay teny hoe, izy ilay zanak'ondrin'Andriamanitra izay manala ny fahotan'izao tontolo izao, rehefa vitany izay zay vao afaka mitoetra ao anatin'ny olona indray ny FM, rehefa tsy manaiky diovina ny fahotanao dia tsy miditra izy.
37. rhaj0 ( 06/02/2020 22:38)
Ka marina DAHOLO ve izany ireo teboka 5 ireo ry Gasy1zay?
Eny sa tsia?


1- ni-souffle an'i Adama I Atra, ary dia tafiditra tao @ Adama ny FM

2- nanota I Adama (nihinan'ny paoma), ary dia niala tao @ Adama SY izao tontolo izao ny FM

3- maty Jesosy, ary dia niverina ny FM teto anivon'izao tontolo izao

4- fa ho an'ireo "natera-baovao" na "born-again" IHANY ny FM no miditra, rahefa tena "nibebaka+nanaiky" ilay Olona

5- ary I Gasy1zay dia isan'ny "born-again", ary dia ao @ Gasy1zay ny FM
38. rhaj0 ( 07/02/2020 19:22)
tena sarotra be ve ny mamaly izany fanontaniana 5 tsotra be izany ry Gasy1zay aa? :-)

Sa ilay "FM ao aminao" ry Gasy1zay-natera-baovao kay tena TSY mahay ny valiny?


hi hi hi.. sarotra beuh satria niteniteny foana I Gasy1zay, hoe
ao @ Gasy1zay ny FM satria I Gasy1zay "natera-baovao"..
.. nefa nefa foana ho'a, izay kabarin'i Gasy1zay eto dia misavoana sy mivaralila..

Ivereno kely indray ohatra ilay happy ending ry Gasy1zay aa :-)
39. gasy1zay ( 08/02/2020 09:47)
Marina ilay teboka 5 ary afaka zaraina ny verset manambara azy raha mila rhaj0 ka
40. rhaj0 ( 08/02/2020 15:26)
gasy1zay:
Marina ilay teboka 5 ary afaka zaraina ny verset manambara azy raha mila rhaj0 ka

O ry vahoaka eeeee....:

[size=18]ary I Gasy1zay dia isan'ny "born-again",
ary dia ao @ Gasy1zay ny FM[/size]

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1511