Ireo mpitondra fivavahana sy ny mpanara-dia azy? - Dinika forum.serasera.org
You are here: home > Forum

Ireo mpitondra fivavahana sy ny mpanara-dia azy?

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Ireo mpitondra fivavahana sy ny mpanara-dia azy?
Valiny : 3
endriny - 09/08/2018 17:04
Raha nanao ny alikany tamin'ny fanonganam-panjaka I Odon Razanakolona. dia mbola vory lanona foana ny toerana rehetra izay anaovany famoriana ara-pivavahana. Ary hoy ny Kristianina Katolika hoe: "Tsy rarahinay izay nataon'i Odon tany, fa tsy izy no ivavahanay"

Eo amin'ny FJKM Analakely, dia mitokona sy milanja sora-baventy ny mpiangona satria nafindra toerana ny pasiterany. Dia hoy aho hoe: "Raha tsy io Pasitera io ve izany no mitondra teny ao am-piangonana dia tsy ao Atra?"

Dia mahavariana sy mahavalalanina
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 11/08/2018 10:17
Dia samy manana ny foto-pisainany marina ny Fiangonana. Ary arakaraky ny fanasana atidoha natao an'ireto ondry.

Ny iray tsy mandrara izay mpitari-bato vilam-bava any, fa ny vato ihany no jereny. Satria izay ihany no nasaina nobanjininy.

Ny faharoa tsy mijery izay voasoratra eny amin'ny tabilao fa ny mpampianatra manjamanja no mahavariana azy.

Asa iza no marina? Andraso eto I Paoly, hametaka lakaoly!
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 11/08/2018 16:26
ny ahy aloha izao, ny consolation-ko, dia OMAR dia tsy ho lasa Kardinaly mandrakizay.. dia tena tsy mety tonga saina ve ny Katolika mpanaraka azy hoe, misy masiso izy izany?

Dia aiza ny masiso: i OMAR, sa i Vatikana mpiahy azy, sa mihintsy ilay Mpiahy Lehibe izao HONO eee??....
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 16/08/2018 17:11
Mba hafa koa izany fampihononan-tenanao izany ka. Faly ery ianao fa tsy niakatra grade mihintsy i OMAR Bongo
Valio | Miverina eny ambony