Tokony tsy hisy Kristianina mankalaza ity 1 Naovambra ity izany mihintsy

1. endriny ( 01/11/2017 06:11)
Tokony miasa daholo ianareo Kristianina androany
novalian'i rhaj0 ny 06/11/2017 13:22
2. hery ( 01/11/2017 18:54)
Velabelaro :-)
3. rhaj0 ( 01/11/2017 19:14)
RAha ny kely takatro, dia "fetin'ny Maty" ny 1 novambra, ny maty rehetra.

Dia kay fety katolikan'i La Toussaint koa io andro io, izay ankalazana ny Saint-es rehetra.

Ka tiako itarina ny resaka: IZA no saint-e favori-e-nareo ka ankalazanareo ao @ izao fetin'i La Toussaint izao (dia TSY hiasanareo)??
4. ghammyandrianarisoa ( 01/11/2017 20:24)
fa manina no tsy hisy hankalaza eee,fetin'ny olomasina androany kou!!!
5. vony501 ( 02/11/2017 07:33)
Ka izahay anie mba te hiasa ihany fa ilay toeram-piasana mihitsy no mihidy e! Dia aleonay mandeha mivavaka!
6. endriny ( 03/11/2017 04:49)
1) tsy hay hoe inona marina no izy amin'ilay andro: Ny sasany milaza fa fetin'ny maty, ny an'ny sasany hoe fetin'ny olomasina (Fa ireo aloha efa samy maty daholo na izany aza)

Ny velona ve izany no mamaritra hoe tokony hanao fety androany 1 nov ny maty?
Ary dia ny velona indray no manao fety fa tsy ny maty

2) Ilay Jesosy aloha dia tsy nandrara izany maty izany, fa hoy izy hoe: "Avelao ny maty handevona ny maty ao aminy..."

Ary dia izay tokoa angaha no tsy nahitantsika ao anaty baiboly ny mikasika ny hoe: Jesosy nandevina an'i Josefa mpitaiza azy. Na koa hoe: "Jesosy nandeha nandevina an'i Jaona Mpanao Batisa".

Raha ny soratra masina no jerena dia efa anjaran'ny Fiainana mandrakizay ny maty, fa tsy tokony ho anjaran'ny velona intsony.
7. ghammyandrianarisoa ( 03/11/2017 04:56)

endriny:

tena olomasina leizy ka
8. ghammyandrianarisoa ( 03/11/2017 04:59)
efa samy manana ny fialana aby ny olona.misy miteny fa olomasina,fetin'ny maty
9. hery ( 05/11/2017 06:43)

endriny:

Raha ny soratra masina no jerena...

Ary lasa mpijery soratra masina indray ra-endeiny rehefa hanohana hevitra :-)
10. endriny ( 06/11/2017 06:13)
Sa angao dia ataon'i Hery fa mpamaly botolo fotsiny aza aho.
11. rhaj0 ( 06/11/2017 13:22)
Io ry Hery ilay hoe, asaina mihinana ny fanafodinareo (fĂ´sika) ihany ianareo aaa... (give you a taste of your own medicine).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3656