Noravaina ny lalàna ao amin'ny TV

21. endriny ( 06/11/2017 15:17)
Jesosy aza nampianatra tamin'ilay Testamenta taloha fa tsy namorona boky vaovao, izay vao nampianatra koa
22. stahtam ( 07/11/2017 04:38)
Ho an'i Tealala:
Ilay lohahevitra narosonao dia mbola tsy nanehoanao hevitra hatreto. Ka mba hampahazava izay tianao holazaina dia asehoy ny hevitrao ary diniho miaraka @ io verset io ny Efesiana 6/2 hahitanao ny pataloha tery nampidiran'i Paoly ny kristiana. Mbola misy verset hafa mamatotra ny kristiana kokoa noho io aza fa io aloha no omeko.
23. endriny ( 07/11/2017 05:43)
Mba namaky ilay efesianina 6/5 ry Stahtam. Kay mbola tokony misy fanandevozana izao. Tokony manangana olona hotompoina indray aloha
24. stahtam ( 07/11/2017 07:19)
Io angamba dia hoe: an'ny tsirairay interprétation satria loa-bary an-dasy ilay izy. Ny source mihitsy no ahitako fa misy tsy milamina io TV io.
25. RBNIR ( 07/11/2017 10:44)
tealala:

Ny mpanaraka ny TV no manaraka ilay fandravana, tahaka ny famorana sns, satria tsy fantany no anton'ilay lalàna anefa sarotra aminy ny hanaraka azy.

Izay mpanaraka an'i Jesosy tsy tokony handrava ny lalàna satria hoy i Jesosy hoe....

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Raha tonga i Jesosy dia tsy tonga handrava ny lalàna fa hanantanteraka azy...

Hoy koa ny teny hoe.....« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] » (1 Jao. 2:6)

Matoo mandrava ny lalàna araka izany dia tsy mandeha toy izay nandehanany, izany hoe olona tsy mitoetra ao Aminy....

26. stahtam ( 07/11/2017 11:34)
[quote=tealala]

"Ny mpanaraka ny TV no manaraka ilay fandravana, tahaka ny famorana sns, satria tsy fantany no anton'ilay lalàna anefa sarotra aminy ny hanaraka azy"

[quote=stahtam]
Mazava be raha izay satria izay no ahafahany manangana fivavahana ho azy. Io no namoronana ilay voambolana "hoe Israely ara-panahy" tsy hisy hanaraka io fivavahana io raha tsy (misandoka) atao mitovitovy @ ilay an'ny Jiosy. Izy anefa tsy te-hitandrina ilay lalàna fa manelingelina azy. Ohatra mazava manamarina izany ilay hoe: "tsy izay miseho no Jiosy" ka tsy tokony hahagaga raha ravàny io. Ka rehefa tsy Jiosy io fivavahana io dia tsy maintsy "milaza ny tenany ho Jiosy". Kanjo... tsy izy !!!.
27. RBNIR ( 07/11/2017 11:38)

stahtam:

Misy ahitsy kely ihany....Tsy ny mpanaraka ny TV rehetra no manaraka ilay fandravana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1666