Iza nareo no efa nahita ny videon'i Andres Bissoni t@ youtube

1. gasy1zay ( 18/10/2017 16:27)
Ahoana ny hevitrareo @ ito :

https://www.youtube.com/watch?v=PEgoItDo_ew
novalian'i Miharena ny 31/10/2017 05:16
2. rhaj0 ( 18/10/2017 18:17)
Dia rehefa eo iihany dia ity koa jerena, videon'i Chris Oyakhilome

https://www.youtube.com/watch?v=nVG98f8NL5g


Samy @ anaran'i Jesosy ireo, fa i Andres fotsy hoditra (tiatian'i Gasy1zay?), ary i Chris mainty hoditra.
3. Miharena ( 20/10/2017 06:05)
Efa misy na eto na hatraiza hatraiza ny asa ara-panahy misy ny asan'ny Hery Tena IZY tsy takatry ny tsy Kristianina.
4. rhaj0 ( 20/10/2017 15:36)
Ny fahazoako ny valin-tenin'i Miharena izany dia "inoany" tsara daholo ireo "asa ara-panahy" na ny an'i Andres na ny an'i Chris. Koa na ny an'i Tsaratsara azany moa inoan'i Miharena. Fa i Yahoshua indray nefa toa hiadianao ao moa ry Miharena?

Fa raha ny fahazoako ny an'i Gasy1zay indray dia.. ilay an'ny Vazaha no tena mba nofinofisan'ilery ee... Ahoana tokoany moa no inoan'i Gasy1zay ireo mpanao "asa ara-panahy" (avy aty Afrika) toa ilay iray mampihinana bozaka ny mpiangona iny?
5. Miharena ( 23/10/2017 12:14)
Ka io anie Rhaj0 araka ilay teny hoe ny voany no hahalalana ny hazo e!

Yahoshua dia fomba fiantso fa ny vontoatin'ny hafatra fototra rehetra momba an'Andriamanitra tsy miova. Tsy tokony hifanipaka sy hiady anarana raha ny tokony ho izy satria na ny firenena samihafa aza samy manana ny fanononana ny teny sy anarana aby isanisany.

Tsy hoe vazaha koa no inoana fa ny asan'Andriamanitra manerana izao tontolo izao.

Anisan'ny asan'Andriamanitra ny asam-pifohazana mahagaga nitranga sy mbola hitranga eto Madagasikara. Ka tsy mila mandeha any an-dafy na manafatra vazaha vao mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra sy Jesoa Tompo.

Dia averina indray hoe ny olona anie afaka miteny izay teneniny, ny devoly afaka miteny izay teneniny ary Andriamanitra afaka miteny izay teneniny fa ny azo antoka dia samy miteny ireo ary samy misy.

Fa izay milaza fa tsy misy ireo dia toy ny mitapi-maso sy manao fanahy hiniana tsy te-hahalala fotsiny ny fisiana.
6. gasy1zay ( 23/10/2017 18:16)
rhaj0 ­: tsy henoko ny toritenin'ilay ranamana iray io ka tsy afaka hanambara aho hoe tena mifanaraka @ baiboly ve sa tsia ny fampianarany fa ny an'i Andres no hitako hoe azo hamarinina @ tenin'Andriamanitra
7. rhaj0 ( 23/10/2017 19:15)
Dia i Gasy1zay izany no MITSARA raha "tenin'Atra" na TSIA ny "fampianaran'ny Mpitori-teny".

Dia i Miharena (sy RBNIR) koa no MITSARA raha "voany tena izy" na tsia ilay "asa ara-panahy".


Eny azany kouh.. mahay MITSARA ireto olona (mitono-tena ho) Irak'Atra na Profeta na Apostaoly na Ambasadaoro izany ianareo eee...
- ianareo ireo no mahay manamarina na mandiso ny tori-teny, izay lazain'ireto Profeta/Apostoly/Ambsdoro fa dia bitsk'Atra mivantana aminy ohatra.
- ianareo ireo no mahay kokoa noho ireto Profeta/Apostoly/Ambsdoro


Bravo.. mba mampiasa ny fahazaoana mitsaratsara ianareo izany eee... tsara fa tohizo.
8. Miharena ( 24/10/2017 06:31)
Fanehoana ireo karazana fitorian-teny sy ny karazana familiana ny fitorian-teny ary koa ny fisian'ny tranga mamohehitra isan-tokony no atao fa tsy ny fitsikerana sy fitsaratsarana be fahatany.

Mety hampahazava ny tsirairay manaraka ny fifanakalozana toy izany.

Ary misaotra an-dRhaj0 aza fa mba vory ao daholo aloha ireo fomba fiheverana rehetra hahafahana mamantatra hoe aiza ary ho aiza avy ny tsirairay amin'ny fiheverany samirery avy mamaky ilay Baiboly sy ny fahendreha isan-tokony ary koa ireo faharatsiana isan-tokony hita etsy sy eroa.

Mety hahafahana mitondra any amin'ny fomba famindra sy fisainana ary ny fitaizam-panahy araka ny tokony ho izy ihany ny fifanakalozana toy izao kah! Misaotra Rhaj0 fa tsara a!
9. gasy1zay ( 25/10/2017 01:57)
Ka nareo nga rhaj0 tonga dia manaiky ny théorie ambaran'ny siantista sasany sa mba manadihady koa hoe mitombina ve ny zavatra ambarany sa tsia?
10. rhaj0 ( 25/10/2017 12:43)
NY teorian'ny Siantista ry Gasy1zay, dia NOHAMARIN'NY Namany aaa.. Izay ilay hoe raha tsy reproductible independemment ny Teoria tsy ho ekena. Ary na izaho na ianao, rahefa mampiasa coco, dia afaka ny "manadihady" dia mamerina ny rezonema nahatongavana t@ ilay Teoria.

Asa ho'a raha mba ho takatra na ho eken'ny sainao izany methode (siantifika) izany.. mahavariana ahy fa efa hotry ny im-10 kely io naverina teto, fa TSY mety miditra mihintsy izany satria "tsy ao anaty Biboly ee.."
11. Miharena ( 25/10/2017 13:18)
Ny siantifika dia mandinika ny zavaboary sy ny fomba fihetsiny. Izany hoe ny zavamisy tsy nataony akory ny famoronana azy no dinihiny eo dia hoe mahay hono izy satria mahatakatra ny fombafomban'ireo sy ny pitsopitson'ireo karazana zava-misy ireo.

Tsy heveriny hoe IZA ary no nahatakatra nanamboatra ireo zavatra maro dinihintsika ireo?

Dia io no mahavariana ny fomba fiheverana fa izao siansa izao no tena izy hono!! Nefa mamaky ny efa eo fotsiny no ataony!

Ny momba ny ara-panahy indray dia io fanahy io mihitsy no jerena hoe manao ahoana, dia atao ahoana no fitaizana azy ary mandeha mankaiza avy rehefa mahay na tsy mahay mitaiza azy. Izany no ao anaty Baiboly.

Ka aza manao hoe ambony noho ny Mpamorona fa mpamaky sy mpandinika fotsiny ianao zanak'olombelona. Olona efa mamatam-bonona izany raha ny marina fa tsy afaka mamorona akory na dia atoma iray aza.
12. endriny ( 25/10/2017 13:42)
Tsy mbola nahavita Ataoma hono ny olona.

O rey olona e, mahamenatra be.

Mitombo ihany ilay mibilobiloka bibilika
13. rhaj0 ( 25/10/2017 17:02)
Miharena:
Olona efa mamatam-bonona izany raha ny marina fa tsy afaka mamorona akory...

hi hi hi .. ny FIBATA azany, hozy Lôlô, "noforonin'ny Fanjakana", ny Disco noforonin'i Travolta...
ary @ ireo rehetra ireo, dia "mamatam-bonona" fotsiny ry Miharena ... :-)

Tena TSY takatry ry Miharena mihintsy ny fiainany ao ee... loz'ty.
Mikapentsompetsona be nefa tena TSISY takatry ry Miharena mihintsy na dia ny fiainany ao azany.


1- Ny Siantista izao, miaraka @ lojika siantifika, dia "namorona" ny interinety.
2- Dia i Miharena @ io "mamatam-bonona", mikatsentsitra ny "lojika siantifika" eto tsy an-kenatra
3- Nefa ho'a ry tava-tsosisy, hozy ilay gasy iray izay:
[size=15] ny "lojika siantifika" dia MIFANIPAKA @ ilay lojikan'Andrmntra eee..[/size].

Izany hoe, zavatra (lojika) TSIPAHIN'NY (lojikam-)Andrmntra no katsentsenfin'i Miharena !!


io ho'a raha tena manaja ny Finoanao ianao ry Miharena, dia hajao daholo ary hajao tanteraka, fa aza misabakabaka dia misavisavika ny TSIPAHIN'ny Finoanao ao ianao eee..

ianaro ho'a ireny Amish ireny, fa zareo, dia
1- tena manaraka tanteraka ny fampianarana sy fiainan'i Kirisitiha
2- ary tena TSy mba misabakabaka sy misavisavika toa anareo milaza-tena fa mpanaraka ny fampianarana sy fiainan'i Kristy

Fa zareo Amish ireo dia.... ntsss... ataovy ny devoaranao ry Miharena, dia fantaro hoe IZA moa ireo Amish ireo, ary inona no ataony sy fi(s)ainany eee...

14. Miharena ( 25/10/2017 18:14)
Hoy Mpiroriteny ao amin'ny Baiboly ao hoe zavapoana ny zava-drehetra ary izay efa nisy ihany no miverina sy mihodinkodina eo ary miverina indray sns..

Mazava tsara izany ary nisy ireo sivilizasiona maro nifanesy ary rava teto an-tany izay tsy mbola tafaverin'ny mulaza azy nahay ny aterineto.

Ity tantara farany momba ny fahalalan'ny olombelona ny fifandraisan-davitra ity dia tsy vahiny amin'ny Mpamorona izao tontolo izao akory satria akora efa misy eto amin'izao tontolo noforonin'Andriamanitra izao ireo ampiasaina ireo dia hoe mahay hono mahay.

Mahamenatra raha izany aby tsy fantatrareo Endriny sy Rhaj0!
15. rhaj0 ( 25/10/2017 18:47)
ka ny "ny "lojika siantifika" dia MIFANIPAKA @ ilay lojikan'Andrmntra", nefany ho'a dia ilay "lojika siantifika" sy ny vokany (teknolozia) indray no sakambinin-dry Miharena tsy an-kiato ary tsy an-kenatra eto.

Fa ilay "fahalalan'Andrmntra" sy fampianarana eraky ny Baiboly, izay mifanipaka @ io sakambinin'i Miharena io, dia ... oops.. kay TSISY fahalalana (an'Atra) ao @ Baiboly mba mitondra @ teknolozia ohatra. Tolabila azany tsy takatry ny hoza-dohany, fa h@ izao i Jesosy mbola mitaingina kalesa tarihin'ny soavaly tokatandroka.
16. Miharena ( 26/10/2017 11:50)

rhaj0:

ka ny "ny "lojika siantifika" dia MIFANIPAKA @ ilay lojikan'Andrmntra", nefany ho'a dia ilay "lojika siantifika" sy ny vokany (teknolozia) indray no sakambinin-dry Miharena tsy an-kiato ary tsy an-kenatra eto.

Fa ilay "fahalalan'Andrmntra" sy fampianarana eraky ny Baiboly, izay mifanipaka @ io sakambinin'i Miharena io, dia ... oops.. kay TSISY fahalalana (an'Atra) ao @ Baiboly mba mitondra @ teknolozia ohatra. Tolabila azany tsy takatry ny hoza-dohany, fa h@ izao i Jesosy mbola mitaingina kalesa tarihin'ny soavaly tokatandroka.


Efa fantatra hatramin'ny faminaniana tany aloha tany fa hisy tolabila sy fivoarana eo amin'ny olombelona fa ireo rehetra ireo dia avy amin'izao tontolo izao ihany.

Izany no nilazan'i Jaona ao amin'ny I Jaona 2:14-17 hoe :

14 Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.


15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16 Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay


Ka io dia fitondran-trena sy fomba fitaizana ara-panahy fa tsy nofo be miteny hoatran'i Rhaj0 ka hoe hanindrahindra ny fahaizan'ny namany vazaha hoe mahay tolabila sy siansa dia bravo fa raha vao fahalalana an'Andriamanitra Mpahary dia zero!!

Aza mba mivadik'ondana Rhaj0 a! Voary ihany ianao vao mahay siansa fa raha tsy izay aloha dia asa hoe inona hoe mba valio tsara !!!
17. rhaj0 ( 26/10/2017 13:57)
Miharena:
vao fahalalana an'Andriamanitra Mpahary dia zero!!

F'angaha tena mbola tsy takatrao mihintsy re ry Miharena hoe, plan'Andtrmna daholo anie ny mitranga eto eee... Ary raha ny "tena izy", dia "nirahin'Andrmntra" hampiresaka anao eto anie aho io ee... IZY no mibitsika ahy @ ireo resaka ireo, HITSAPANY ny halalin'ny sainao ry Miharena.

izao izao, mibitsika ahy IZY hoe, dia tena mba ahoana mihintsy ilay Miharena io, fa sady tsy mamaly fanontaniana, no mamoaka hors-jeu ny resaka. Sady @ izay, ny resak'i Jaona tsisy ifandraisany aria no roriroritiny @ tsisy dikany eto.
18. endriny ( 26/10/2017 15:50)

Miharena:

Hoy Mpiroriteny ao amin'ny Baiboly ao hoe zavapoana ny zava-drehetra ary izay efa nisy ihany no miverina sy mihodinkodina eo ary miverina indray sns..


verise bibilika inona indra no misy an'io, sa mbola an'isan'ireo verise bilobiloka io?


Miharena:

Ity tantara farany momba ny fahalalan'ny olombelona ny fifandraisan-davitra ity dia tsy vahiny amin'ny Mpamorona izao tontolo izao akory satria akora efa misy eto amin'izao tontolo noforonin'Andriamanitra izao ireo ampiasaina ireo dia hoe mahay hono mahay.

Mahamenatra raha izany aby tsy fantatrareo Endriny sy Rhaj0!

Tadidiko mihintsy aloha fa nisy izany fifandraisan-davitr'Atra natao hoe bitsika sy nofinofy izany taloha e. Ary mbola misy hatramin'izao. Dia nisy koa varatra sy rivotra ary rano sy afo no-telekaomanden'Atra hamotika izay fahavalony.

Dia nisy robot nantsoina hoe anjely koa taloha nentiny namotika an'i Ejipta.

tena mba donendrina koa aho endriny tsa nahay ireo raha ireo
19. gasy1zay ( 26/10/2017 17:47)

rhaj0:

NY teorian'ny Siantista ry Gasy1zay, dia NOHAMARIN'NY Namany aaa.. Izay ilay hoe raha tsy reproductible independemment ny Teoria tsy ho ekena. Ary na izaho na ianao, rahefa mampiasa coco, dia afaka ny "manadihady" dia mamerina ny rezonema nahatongavana t@ ilay Teoria.

Asa ho'a raha mba ho takatra na ho eken'ny sainao izany methode (siantifika) izany.. mahavariana ahy fa efa hotry ny im-10 kely io naverina teto, fa TSY mety miditra mihintsy izany satria "tsy ao anaty Biboly ee.."


Ny anay koa anie misy kristiana @ million nijoro vavolombelona ka NANAMARINA fa manasitrana Jesoa Kristy e! ka io raisina @ finoana fa tsy toy ny anareo tokotrany ngamba.
20. rhaj0 ( 26/10/2017 17:50)
gasy1zay:
vavolombelona ka NANAMARINA fa manasitrana Jesoa Kristy

Dia mila iverenana indray ve ilay fotaka+rora manasitrana Jamba sy ny volon-tsofina+rora manasitrana ny moana marenina? I Jesosy be izao no nanao an'ireo fanasitranana, ary ry Matio Marka Lioka Jaona be izao no vavolombelona.

Koa maninona raha reproduiser-nao ao izany ry Gasy1zay aaa???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1673