FANTARO NY FAHAMARINANA

21. rhaj0 ( 25/10/2017 16:48)
gasy1zay:
Ka i rhaj0 zao mihevitra MARINA hoe gidro ny dadaben'i dadabeny nefa Théorie ny évolution fa tsy vérité.
rhaj0:
Efa noresahina koa io ry Gasy1zay aaa.. Ny ankizy any @ primera izao aty efa mahay tsara an'io, fa dia asakasakao Gasy1zay lehilahibe ao ee...

Efa naraviko tatsy @ bilaogiko
https://rahampitso.blogspot.ca/2015/04/creationisma-maoderina.html
http://forum.serasera.org/forum/message/m554225b62dd79

Ato http://evolution.berkeley.edu/evolibrary/article/evograms_07
Dia jerevo tsara ilay echelle des temps fa amina million re ry Gasy1zay a... dia rahefa azonao io, dia mba ampianaro @ ankizy, dia ilazao izy hoe, fony zaza ihany re rankizy ilay conte de fee bibilikan'i madame eva, fa efa lehibe vory saina ianao izao ka dia izao no izy...


RBNIR:
ny mahavariana kely amin'ity sarin'i rhajo ity
1 dia tsy fantatra ilay niaingana???
2 ny chimpazé sy ny bonobos hono tsy mba nandalo étape maro fa niainga avy amin'ilay tsy fantatra avy dia lasa chimpaze na bonobos,
3 ny olona kosa nandalo étapes marobe (niainga avy amin'ilay tsy fantatra) izay vao tonga amin'izao toerana izao

Esy e ry RBNIR... Rantsana iray io naseho io, fa ny renin'io rantsana io dia ... etsy tantanako RaRBNIR... siriho ilay nakana ny sary eee...
[size=18]https://evolution.berkeley.edu/evolibrary/article/evograms_02[/size]

Dia efa hoe izay ilay Siansa ee.. hadihadio io nohalalin'ny Siantista io, ary naravin'ny Oniversitian'i Berkeley @ io sary io, dia mba ampiasao ilay coco, fa na ianao RBNIR io azany ho'a dia mahavita ny rezonema ahatongavana @ io sary io..
ataovy mafy ny borosy coco izany ee.. :-)
22. Miharena ( 25/10/2017 18:19)
Ny marina anie raha hoe siansa dia Ny Mpahary no Lohany fa ry Rhaj0 moa hoatry ny tsy mijery izay Loharano nipoirana hatrany dia makamaka kely amin'ny sombim-pahalalan'ny olombelona eny atao fahamarinana fototra!
23. Miharena ( 25/10/2017 18:25)

tianabeloo:

"Raha ny resaka fahatsorana ara-paharanitan-tsaina indray aloha dia ny olona hitobian'ny Fanahy Masina dia afaka tsara ny manana saina mazava ary afaka manazava tsara ny zava-drehetra."

Ny manelingelina ahy (mpino manana an'izay inoako fa marina perfectible aho) @karazana affirmation tahaka itony dia izao : ny tenako izany tsy mahatsapa loatra hoe hitobian'ny fanahy masina vao afaka mandinika zavatra iray ataoko hoe @saina mazava sy tsy miangatra ihany anefa.

Fa hono hoy aho : adinodino ve sa tsy mahafantara an'io hoe saina tsy miangatra ny "olona hitobian'ny fanahy masina manana fahazavan-tsaina" izany rehefa mandinika?


Mety ho marina ilay filazanao azy io momba ny fahazava-tsaina fa misy koa ireo maizin-tsaina tsy azo adinoina velively. Ka ireo izay voapepon'ny devoly io voan'io fahamaizinana io ary mety tsy mahatsapa izany akory izy.

Fa ny itobian'ny Fanahy Masina anie hafa mihitsy ny fisainany satria voaaro izy sady mahazo fahatsilovana hatrany. Mety azo ihany ny fahazavan-tsaina amin'ny fitaizana ataon'ny tsirairay ny sainy fa hafa ihany ny asan'ny Fanahy Masina eo anatrehan'izany rehetra izany.
24. rhaj0 ( 25/10/2017 18:50)
Miharena:
Ny marina anie raha hoe siansa dia Ny Mpahary no Lohany..

ntss... vovoka+rora ve no mba novolavolain'ny Mpahary-n'i Miharena, 6000 taona lasa, ka namoronany olb...

Na zaza any @ Garabola ve ho'a ry Miharena dia mbola hanaiky an'izany ny lohany??
25. Miharena ( 26/10/2017 11:54)

rhaj0:

Miharena:
Ny marina anie raha hoe siansa dia Ny Mpahary no Lohany..

ntss... vovoka+rora ve no mba novolavolain'ny Mpahary-n'i Miharena, 6000 taona lasa, ka namoronany olb...

Na zaza any @ Garabola ve ho'a ry Miharena dia mbola hanaiky an'izany ny lohany??


Zaranao aza ny ADN tao amin'ny roran'Andriamanitra no nanaovana anao toy izay fikirakirana zenetika hitanao etsy sy eroa io izay mety miteraka bibiolona.

Mazava tsara io ho an'ny olon-tsotra izay nomena ny teny mba tsy hierikerehany hanontany hoe avy aiza izy ary iza no namolavola ny tarazo ananany nahatonga azy ho olona raha toa ka tsy nandingana lakilasy ambaratonga faharoa izy.
26. rhaj0 ( 26/10/2017 13:51)
Miharena:
miteraka bibiolona

ataon'i Miharena fa toa ny garabola-de-Miharena ny serasera marina, ka "bibiolona" hono...
27. Miharena ( 26/10/2017 18:29)
Efa mazavazava aminao ihany aloha Rhaj0 ny resaka matoa mitsaingoka kely sisa no ataonao.

Dia mba hendre tsara amin'izay maneho hevitra e!
28. rhaj0 ( 26/10/2017 19:11)
koa ilay "ADN tao amin'ny roran'Andriamanitra" lazain'i MIharena azany, lasa tany @ Rajako koa.. ary dia nafangaron'i Gasy1zay tamiko rhaj0 koa... angaha tsy sampona mihintsy ny (imazinatoin) anareo Kristiana eee .. :-)
29. endriny ( 27/10/2017 06:48)

Miharena:

Fa ny itobian'ny Fanahy Masina anie hafa mihitsy ny fisainany satria voaaro izy sady mahazo fahatsilovana hatrany.


Matsilo amin'ny lainga ve?
30. Miharena ( 27/10/2017 18:35)

endriny:


Miharena:

Fa ny itobian'ny Fanahy Masina anie hafa mihitsy ny fisainany satria voaaro izy sady mahazo fahatsilovana hatrany.


Matsilo amin'ny lainga ve?


Aza mamorona izay tsy nolazaina fa izany no atao hoe mamafy tsaho sy eritreritra tsisy fotony.
31. RBNIR ( 02/11/2017 13:44)
rhaj0:

Esy e ry RBNIR... Rantsana iray io naseho io, fa ny renin'io rantsana io dia ... etsy tantanako RaRBNIR... siriho ilay nakana ny sary eee...
[size=18]https://evolution.berkeley.edu/evolibrary/article/evograms_02[/size]

Isao ange ilay taona e! 420 millions of years ago (tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa taloha tany hono....

Tamin'ny 2000 taona lasa nisy 12 lahy (sy vahoaka marobe) nijoro vavolombelona fa velona ILAY JESOSY NAHANTONA TEO AMIN'NY HAZO.....

ary ankehitriny misy mijoro vavolombelona fa velona marina ILAY JESOSY satria miseho sy mampianatra azy ankehitriny

Inona no tena tokony hinoana??? Ilay HONOHONO milaza fa tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa dia......nefa tsy afaka mitondra porofo akory????

Sa ireo nijoro vavolombelona ny amin'ny nitsanganan'i Jesosy velona?????

Tsy aiko iza isika no manana ilay lojika??? fa raha izaho manokana tsy afaka mihitsy hitoky amin'ny theorie misavoana 420 lavitrisa taona lasa tany......
32. RBNIR ( 02/11/2017 14:24)
« Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? » (1 Kor.15:12)


« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Kor.15:16)

« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Kor.15:17)

Sao dia heverinareo fa tsy misy lojika ary ny ao amin'ny finoana kristianina????
33. rhaj0 ( 02/11/2017 15:47)
RBNIR:
Inona no tena tokony hinoana??? Ilay HONOHONO milaza fa tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa dia......nefa tsy afaka mitondra porofo akory????

1- Efa hoe, TSY "inoana" (manaiky-tsisy-porofo) ny teoria siantifika, fa mba ampiasao koa ny coco-nao, dia hadihadio ny POROFO mivaingana nentin'ireo mpikaroka nandrafetana ny teoria, fa afaky ny averinao ny fizotran'ny lojikany.

2- Misy artikla be dia be, mitatitra ny porofo sy ny fandehan'ny lojikany, naravin'ny Oniversitian'i Berkely. Ireo dia efa nohamafisin'ny Mpikaroka hafa, no-reproduiser-ny @ fomba independent.

3- Ny "porofo"-n'i Jesosy kosa, dia vavan'ny Belazao. Dia eritrereto foana ho'a ny fahalalana (niveau de connaissance) t@ andron'i Jesosy de l'an zero. Tena tsisy hay ny fandehan'ny fiainana ao, ka dia izay malama vava tonga dia "inoana" eee... Ohatra hoe, ilay Volana etsy ambony etsy izao tena hoe, mba ahoana koa azany no lasa croissant tsidraidray. Dia hozy ny mpinomino foana hoe, ndao hanontaniana i Jesosy, fa ilery mahay ny zava-drehetra. Dia hozy nefa Jesosy hoe, TSY haiko.

34. endriny ( 03/11/2017 05:48)

RBNIR:

Isao ange ilay taona e! 420 millions of years ago (tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa taloha tany hono....

Ilay HONOHONO milaza fa tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa dia......nefa tsy afaka mitondra porofo akory????

fa raha izaho manokana tsy afaka mihitsy hitoky amin'ny theorie misavoana 420 lavitrisa taona lasa tany......


Mba ahitsiko kely fotsiny ianao fa million = tapitrisa fa tsy lavitrisa akory

Dia tohizo amin'izay
35. endriny ( 03/11/2017 05:52)

RBNIR:

« Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? » (1 Kor.15:12)


« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Kor.15:16)

« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Kor.15:17)

Sao dia heverinareo fa tsy misy lojika ary ny ao amin'ny finoana kristianina????



i Paoly tokoa moa izany nanatrika ny nitsangan'i Jesosy tamin'ny maty?
36. Miharena ( 03/11/2017 07:33)

rhaj0:

RBNIR:
Inona no tena tokony hinoana??? Ilay HONOHONO milaza fa tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa dia......nefa tsy afaka mitondra porofo akory????

1- Efa hoe, TSY "inoana" (manaiky-tsisy-porofo) ny teoria siantifika, fa mba ampiasao koa ny coco-nao, dia hadihadio ny POROFO mivaingana nentin'ireo mpikaroka nandrafetana ny teoria, fa afaky ny averinao ny fizotran'ny lojikany.

2- Misy artikla be dia be, mitatitra ny porofo sy ny fandehan'ny lojikany, naravin'ny Oniversitian'i Berkely. Ireo dia efa nohamafisin'ny Mpikaroka hafa, no-reproduiser-ny @ fomba independent.

3- Ny "porofo"-n'i Jesosy kosa, dia vavan'ny Belazao. Dia eritrereto foana ho'a ny fahalalana (niveau de connaissance) t@ andron'i Jesosy de l'an zero. Tena tsisy hay ny fandehan'ny fiainana ao, ka dia izay malama vava tonga dia "inoana" eee... Ohatra hoe, ilay Volana etsy ambony etsy izao tena hoe, mba ahoana koa azany no lasa croissant tsidraidray. Dia hozy ny mpinomino foana hoe, ndao hanontaniana i Jesosy, fa ilery mahay ny zava-drehetra. Dia hozy nefa Jesosy hoe, TSY haiko.




Ny tena mba iriana izao dia mba ho voakasik'i Jesoa ianao Rhaj0 dia amin'izay manana porofo tsara fa tsy miteniteny foana manindrahindra sy manankina ny fiainanao amin'ny fahalalan'ny olombelona mpanao siansa. He izany izy hoe mpandalina. Tsy ny zavatra efa misy ve no mba ampidirin'ny mpanao siansa an-tsoratra ireo e! dia mba afaka mampiasa ireo singa napetrak'Andriamanitra Mpahary ireo dia avy eo maka tsoa-kevitra hoe tsy misy Andriamanitra Mpahary!! Raha atao hoe adala dia ho tezitra!! Marina moa!!
37. RBNIR ( 03/11/2017 09:49)
endriny:


Mba ahitsiko kely fotsiny ianao fa million = tapitrisa fa tsy lavitrisa akory

Dia tohizo amin'izay

Tsara rehefa voamarikao tsara (fa saino kely ary e! tapitrisa???? dia tena mino ery ny sasany fa izay tokoa no tena izy???? nefa tsy misy porofo na dia kely aza....

Jesosy anefa nanaporofo fa misy ny fitsanganan'ny maty????
38. RBNIR ( 03/11/2017 09:53)
endriny:

i Paoly tokoa moa izany nanatrika ny nitsangan'i Jesosy tamin'ny maty?

Tato i paoly no nisehoany....

« [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy » (Asa.9:1)
« ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] » (Asa.9:2)
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asa.9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)

Izay rahateo ihany koa no nahatonga an'i paoly ho lasa kristianina...

Ankehitriny indray kosa dia ity misy olona iray mbola nisehoany ihany koa mba ho vavolombelona ho an'ny taranaka aty aoriana.....



https://www.youtube.com/watch?v=zXmdk1uhUUE
39. RBNIR ( 03/11/2017 09:56)
rhaj0:

RBNIR:
Inona no tena tokony hinoana??? Ilay HONOHONO milaza fa tany amin'ny 420 lavitrisa taona lasa dia......nefa tsy afaka mitondra porofo akory????

1- Efa hoe, TSY "inoana" (manaiky-tsisy-porofo) ny teoria siantifika, fa mba ampiasao koa ny coco-nao, dia hadihadio ny POROFO mivaingana nentin'ireo mpikaroka nandrafetana ny teoria, fa afaky ny averinao ny fizotran'ny lojikany.

Normal ny valiteninao satria ianao tsy mahay ny soratra masina fa ny tena marina dia noporofoina tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty fa tena misy marina tokoa ny fitsanganana amin'ny maty....

Ary izay koa no tena anton'ny mampijoro ny finoana kristianina....

Izay ihany koa no porofo fa ny fiangonana kristianina ihany no marina satria mbola tsy nisy finoana hafa afaka nanaporofo an'izany....
40. rhaj0 ( 03/11/2017 14:15)
RBNIR:
nefa tsy misy porofo na dia kely aza....

Jesosy anefa nanaporofo fa misy ny fitsanganan'ny maty????

Ahitsiko ny tori-tenin-dRBNIR : "tsy misy porofo na dia kely aza.. mba TAKATRY NY COCOn-dRBNIR."

TSY takatry ny cocon-dRBNIR mihintsy ny resaka Siansa, satria
- i RBNIR dia efa conditionné ny "hino" (manaiky-tsisy-porofo),
- sady tena mbola ao anatin'ny fisain-jaza @ PENSÉE MAZIKA.

Koa na ny hitady sy hizaha ireo artikla eraky ny interinety manazava ny teoria aroson'ny Siansa azany dia TSY takany, satria ny an'i RBNIR, dia Baiboly ihany sy hatrany.


Ny @ i "Jesosy manaporofo", ankoatr'izao mitsanga-maty izao, dia efa nolazaina foana i RBNIR fa efa "nanaporofo" koa i Jesosy, ary nisy "vavolombelona", fa fotaka+rora manasitrana Jamba, na koa volon-tsofina+rora manasitrana Moana-Marenina.
Ka no-reproduiser-nao sy HRNRN ve ho'a ireo ry RBNIR aa???

TSY voa-reproduiser-nareo, satria
- na ianao no kely finoana, dia tsy sasatry ny voaompan'i Jesosy ao fa mody tsy mahare
- na i Jesosy sy ny vavolombelona no mpanao resa-kehy tao, araka ny niveau de connaissance de l'an zero-ny tao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1707