Faminaniana fitaka

1. tealala ( 24/08/2017 05:04)
Hono hoa zareo raha toa ka misy olona milaza fa ho apostoly miresaka amin'i Jesoa dia tsy tokony hafantatra mialoha ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy?
novalian'i endriny ny 20/09/2017 03:46
2. RBNIR ( 24/08/2017 07:56)
tealala:

Hono hoa zareo raha toa ka misy olona milaza fa ho apostoly miresaka amin'i Jesoa dia tsy tokony hafantatra mialoha ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy?

Raha nahafantatra ny hanjo azy v ireo apostoly taloha tsy mba efa nitsoaka ihany ry tealala a!

Indraindray tsy maintsy mandalo sedra ny apostoly (misy fotoana ampahafantarina azy ny zavatra hitranga, misy fotoana tsy ampahalalana mihitsy)


3. RBNIR ( 24/08/2017 08:03)
Teto ohatra, nampahafantarina an'i paoly fa hisy hamono izy....

« [Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] » (Asan'ny Apostoly 14:1)
« Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy. » (Asan'ny Apostoly 14:2)
« Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany » (Asan'ny Apostoly 14:3)
« Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly. » (Asan'ny Apostoly 14:4)
« Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony, » (Asan'ny Apostoly 14:5)
« ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy, » (Asan'ny Apostoly 14:6)
« dia nitory ny filazantsara tany. » (Asan'ny Apostoly 14:7)
4. RBNIR ( 24/08/2017 08:07)
Tato indray kosa...tsy nampahafantarina izy ka dia tsy afaka nandositra....

« Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy. » (Asan'ny Apostoly 14:19)
5. rhaj0 ( 24/08/2017 16:21)
tealala:
Hono hoa zareo raha toa ka misy olona milaza fa ho apostoly miresaka amin'i Jesoa dia tsy tokony hafantatra mialoha ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy?

Raha ny fahtakarako azy, dia tsy ilay Apaostaoly no zava-dehibe, fa ilay hoe "miresaka amin'i Jesoa".

ka raha "miresaka amin'i Jesoa" moa ny olona iray, na apostaoly izy na tsia, dia mba nampahalalain'i Jesoa ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy??

Zat iz ze couestion.

Dia ny fahitako azy...
- satria mitono-tena ho "miresaka @ Jesoa" ny Apostaoly gasy isan'isany,
- dia raha TSY fantany akory ny zavatra ratsy mety hanjoa azy
- dia fôsika izany izy, ary na izay "faminaniana" ataony sy idingidinginana azany dia fôsika koa.

Ka dia:
ENY, "faminaniana fitaka" ny an-dry Tsaratsara sy Tatandraza ary Samuelson, ary Mailhol sy Herinirina.



Entre-pa, fa raha tsy diso ny fitadidiko, dia i Papa Fransisy hono, TSY maheno Jesosy izany, fa kosa, ny resaka arosony, dia inspiré @ Jesosy. Sa diso ny fitadidiko izay ry Katolika tsara sitra-po??
6. tealala ( 24/08/2017 17:34)

rhaj0:

tealala:
Hono hoa zareo raha toa ka misy olona milaza fa ho apostoly miresaka amin'i Jesoa dia tsy tokony hafantatra mialoha ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy?

Raha ny fahtakarako azy, dia tsy ilay Apaostaoly no zava-dehibe, fa ilay hoe "miresaka amin'i Jesoa".

ka raha "miresaka amin'i Jesoa" moa ny olona iray, na apostaoly izy na tsia, dia mba nampahalalain'i Jesoa ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy??

Zat iz ze couestion.

Dia ny fahitako azy...
- satria mitono-tena ho "miresaka @ Jesoa" ny Apostaoly gasy isan'isany,
- dia raha TSY fantany akory ny zavatra ratsy mety hanjoa azy
- dia fôsika izany izy, ary na izay "faminaniana" ataony sy idingidinginana azany dia fôsika koa.

Ka dia:
ENY, "faminaniana fitaka" ny an-dry Tsaratsara sy Tatandraza ary Samuelson, ary Mailhol sy Herinirina.



Entre-pa, fa raha tsy diso ny fitadidiko, dia i Papa Fransisy hono, TSY maheno Jesosy izany, fa kosa, ny resaka arosony, dia inspiré @ Jesosy. Sa diso ny fitadidiko izay ry Katolika tsara sitra-po??

Misaotra an i Rhajo namaly tsy niolakolana.
7. tealala ( 24/08/2017 17:52)
Rehefa miaraka amin'i Jesoa zany dia mbola mety ho vitain'ny jiolahy izay olombelona ihany ko.
8. endriny ( 25/08/2017 04:41)

tealala:

Hono hoa zareo raha toa ka misy olona milaza fa ho apostoly miresaka amin'i Jesoa dia tsy tokony hafantatra mialoha ny zavatra ratsy mety hanjoa azy ve izy?


Ny valin'io izany amn-dry zareo bibilava-voromailala dia izay rehetra tianao atao ho valiny e.

1) Raha afaka nisoroka ilay loza izy dia hoe: Efa mailo toy ny bibilava ary efa nilazan'i Jesoa mialoha (Mpaminany izy amin'io)

2) Raha niaran'ilay loza izy dia hoy izy: Fantaro fa ho avy tampoka toy ny mpangalatra voromailala ny fitsarana
9. RBNIR ( 25/08/2017 05:19)

tealala:

Rehefa miaraka amin'i Jesoa zany dia mbola mety ho vitain'ny jiolahy izay olombelona ihany ko.


« nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, » (2 Korintiana 11:26)


P.S : iza amin'ireo no tianao hisy anao tealala??? Rahalahy sandoka????
10. RBNIR ( 25/08/2017 07:24)
Louis Segond Bible
Fréquemment en voyage, j'ai été en péril sur les fleuves, en péril de la part des brigands, en péril de la part de ceux de ma nation, en péril de la part des païens, en péril dans les villes, en péril dans les déserts, en péril sur la mer, en péril parmi les faux frères.


dia mba rahoviana ihany ianareo ireo vao mba ho tonga saina ry faux frères isany a!!!
11. rhaj0 ( 25/08/2017 13:18)
tealala:
Rehefa miaraka amin'i Jesoa zany dia mbola mety ho vitain'ny jiolahy izay olombelona ihany ko.

Ka i Jesoa hono,
- anarany fotsiny mba hoe, namana/ray ary tia be anao
- aranany fotsiny hoe Mpaminany (na Andrmntra), ka mahalala ny ho avy sy ny zava-drehetra

Dia ianao koa moa mitono-tena fa "mampiaraka @ Jesoa", n'aiza n'aiza ary na oviana na oviana, ary nanolotra ny fitiavanao sy fiainanao manontolo an'i Jesoa, ary "noraisiNY" koa izany.

Nefa izany izao rahefa tonga ny loza, dia ao ianao...


ka ahoana tokoany azany izy ity:
- ianao ve no TSY mahay, na TSY nihaino tsara, na nanao izay nampidongy an'i Jesoa, ets..
- sa planin'i Jesoa mihintsy ilay loza, ilay "amitan'ny jiolahy anao"?

12. RBNIR ( 26/08/2017 03:25)
Na dia tamin'ny andron'ny fanekena taloha aza dia efa nisy zavatra tahakan'izao ihany koa nitranga,

Joba dia lehilahy anisan'ny tena tian'Andriamanitra marina tokoa ary nahazo dera mihitsy aza hoe « Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. » (Joba 1:8)

Izany anefa tsy nahasaka an'Andriamanitra hizaha toetra an'i Joba...;

Ary rehefa nozahana toetra i Joba dia izao no nolazainy....« Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba. » (Joba 2:10)

Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra????

Koa tsy hitako izay tokony hahagaga raha misy mpanompon'Andriamanitra zahan'Andriamanitra toetra ka hiaran'ny zavatra tahakan'izany.....

Raha misy olona tojo an'izany ary ankehitriny dia ity misy tenin'Andriamanitra mba ho fampaherezana ho azy....

« Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, » (1 Petera 4:12)

Aza atao mahagaga anareo izany ry rahalahy malala isany!!!
13. rhaj0 ( 27/08/2017 00:52)
« Dia hoy Jehovah tamin'i Satana... » (Joba 1:8)

Hay va re i Jehovah sy i Satana ka tena mahay miresaka toa civilisé tsara ee... Ka tsy tokony hiady @ Satana intsony izany ianareo ry RBNIR aaa... i Jehovah azany io tsara resaka aminy io kouh... :-)

hi hi hi.. . sahala @ politisiana ihany io izany ee.... Kay zareo miresaka tsara ao ambadika ao, fa ny mpanaraka azy aby eo foana no romodromotra sy mifampi-diaboliser @ n'a pas eo foana.

RBNIR:
... fizahan-toetra mahamay...» (1 Petera 4:12)

Hay va re "fizahan-toetra" rahefa voajedaky ny Jiolahy eee.. Dia izay fahavoazana hafa, ny voaroba, ny fahalavoana, na koa ny tsy fahafahana fanadinana ohatra, h@ aretina isan-karazany, na koa cancer... ireny rehetra ireny izany dia fizahan-toetra koa??

Fa (mety) marina tokoany ny anao an... Toa an'i Miharena tatsy, malady mihazakazaka any @ hopitaly rehefa marary, fa tsy mba mamikitra @ finoany, mivavaka dia mangataka "fahagagana-fanasitranana avy @ Jesosy".

Dia tena "nozahan-toetra" marina izany ohatra ry Miharena (Kristiana mpandeha hopitaly).. Ka io ho'a, ao @ imazination-ny ao ho'a ve ry Miharena tsy efa voaompa hoe "Ry Taranaka Tsy Mino Sy Ratsy Fanahy!...".
14. RBNIR ( 27/08/2017 05:36)
rhaj0:

« Dia hoy Jehovah tamin'i Satana... » (Joba 1:8)

Hay va re i Jehovah sy i Satana ka tena mahay miresaka toa civilisé tsara ee... Ka tsy tokony hiady @ Satana intsony izany ianareo ry RBNIR aaa... i Jehovah azany io tsara resaka aminy io kouh... :-)

tamin'i satana mbola afaka nitoetra tany an-danitra io fotoana io fa taty aorianan'io dia izao no nitranga....

« Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, » (Apokalypsy 12:7)
« nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. » (Apokalypsy 12:8)
« Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. » (Apokalypsy 12:9)

Nanomboka teo dia tsy nisy fitoerana ho an'i satana intsony tany an-danitra ary dia nazera tamin'ny tany izy....

15. rhaj0 ( 28/08/2017 14:14)
RBNIR:
« Ary nisy ady tany an-danitra...« Ary nazera ilay dragona..

Nataok'ty hoe, FANAHY ihany no "any an-danitra".

Kay ny dragon (tany an-danitra) koa izany manam-panahy.

Dia mahavalalanina mihintsy hoe, tena raisin'i RBNIR ara-baki-teny ity tantara epique fampatoriana sy fampitahorana zazabelelo ity..


Izao izao avy be ny orana, ary safotry ny rano ny ao Texas ao. Hihoraka ve izao Rakrisy mpino:
1- hoe, toatoa izay mihintsy ny @ andron'i Noah, niakatra be ny rano.
2- sa akoriny hoe, "famantarana" avy any an-danitra (ny @ faran'izao tontonlo izao) io, ary ao anatin'ny "faminaniana" mihitnsy io
3- sa koa hoe, "kapok'Andrmntra" @ fahavetavetan'ny Amerikana io

ka iza @ ireo ilay izy ry RBNIR???
16. RBNIR ( 29/08/2017 08:02)
rhaj0:

ka iza @ ireo ilay izy ry RBNIR???

Efa nozaraiko tato ny momba ireny loza Be mampivarahontsana ireny rhajo!!!

http://forum.serasera.org/forum/message/m5982a64549db7

Conclusion angamba dia hoe, aleo tsy mitsara an'iza na iza fa ny tenantsika (mbola velona) no jerevantsika e!

Mibebaha daholo dia tsy hisy tokony hampitahotra antsika na kely aza ny momba izay loza atsy sy eroa ....

« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lioka 13:3)
17. rhaj0 ( 29/08/2017 11:54)
Ilay Anjely sy Dragaona miady tao an-danitra tao.. Esy ee. dia ninobe ery i RBNIR.. fa toa izao i RBNIR vao tonga saina, hoe, "manam-panahy" tokoany ve ny Dragaona, raha toa ka tany an-danitra izy? dia ny fanahin'Alika sy ny Kisoa koa izany ho any an-danitra?

Izao i RBNIR vao nahatakatra fa resa-kehy izany "fanahy ihany no any an-danitra" izany,

Ilay Houston voan'ny "safo-drano", nefa ny tsaramaso ambolen-dRBNIR ao izao maina.. Izao izany i RBNIR vao tonga saina fa tsy mitombona izany resaka "safo-drano"izany. Efa nolazaina foana fa tsisy pingouins mivady nifampitantana tonga hatrany moyen-orient-de-Noah teo, na goaika manao tour du monde mahita fa mbola lena ny tany, na koa ny escargots tsy hay ny mampivady azy, fa mbola nikiry tao ihany, fa hoe "tsisy tsy vitan'Atra" hono.

Izao izany i RBNIR vao nahatakatra fa resa-kehy izany resak'i Noah sy ny safodranony izany.


Ny hany paradin-dRBNIR sisa dia hoe, mibebaha fotsiny ihany, mibebaha hatrany hatrany...
18. RBNIR ( 30/08/2017 05:36)
rhaj0:

Izao izany i RBNIR vao nahatakatra fa resa-kehy izany resak'i Noah sy ny safodranony izany.

Aza mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko hoy aho rhajo!!!

Izaho tena mino, fa nisy ny safodrano, ary tena niditra tsi22 ireo biby tao anaty sambofiara...

19. RBNIR ( 30/08/2017 05:37)
P.S : pingouin moa tsy nageur??? raha tsy diso aho??? noho izany tahaka ireo trondro, tsy ilaina ny ampidirina ao anaty sambo fiara izireo????

Mba alefalefaso ihany hoy aho ilay fisainana e!!!
20. endriny ( 30/08/2017 06:12)

tealala:

Rehefa miaraka amin'i Jesoa zany dia mbola mety ho vitain'ny jiolahy izay olombelona ihany ko.


Ka I Jesoa sy ny mpianany aza novitain'ny olombelona daholo koa. Kanefa dia misy miteny hoe nataon'Atra sorona hono ny zanany lahitokana. Kanefa tsy Atra akory no nisorona ny zanany fa ny olombelona.

Ka io Jiolahy io koa ange mety irak'Atra hamita ny andron'ilay olona e: Efa voasoratr'Atra hono mantsy ny andro sy ny ora ary ny fomba ahafatesan'ny tsirairay.

Ny sasany izao nivadika tamin'ny lakana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1325