Ny niavinTSIKA Malagasy (2)

81. Miharena ( 25/08/2017 20:02)
Azo arahina ny livre d'Henoch raha te-hahafantatra ny fitantaran'Andriamanitra Mpahary ny famoronana ianao Rhaj0 a!
82. rhaj0 ( 25/08/2017 20:05)
Miharena:
tsy misy afa-tsy IZY Mpahary no afaka mamaly ny fanontaniana apetrakao dia anontanio IZY aloha

F'angaha indray moa tsy hoe "kipantsiny" ho'a ianao ry Miharena? ka hoe miteny à travers anao Izy, na koa, miresaka aminao Miharena?? Dia tsy nikaoziny taminao izany hoe, taiza ho aiza Izy no niditra an-tsehatra dia nampiditra ny "fofon'aina avy AMINY" taminao ee... Fa efa tsy Izy aloha izany no "namorona" an'i Miharena.

Entre-pa fa.. tena atambatambatrao fotsiny ho'a ny teny siantifika, dia mibontsimbotsina ianao eee... taiza nisy "otrika aina izay efa manana ny endrika voafaritra ao anatin'ny ADN" lazainao izany ry Miharena???

Hozy Rajemisa
otrikaina (otrika, aina) Ireo karazan-javatra hita ao anatin' ny zavamaniry na zavatra hafa ka misy ireo fototra mahavelona; ny tsy fahampiana na tsy fisian' ny otrikaina dia miteraka aretina toy ny solohitra, ny manirano, ny bibaka an-tenda...; nomena anarana araka ny abidy ny otrikaina, ka misy otrikaina A, B, D, B1, B2, PP.; vitamina

izany hoe, hozy i Miharena kipantsin'Atra rahefa mafanafo be iny izy mitori-teny:
"Vitamina izay efa manana ny endrika voafaritra ao anatin'ny ADN" :-)
83. Miharena ( 29/08/2017 11:48)
Aza dia manao famaritana zazakely Rhaj0 fa mampihomehy a!

Angaha ny vitamina no otrik'aina resahana eto fa ny aina voafaritry ny ADN ny tsirairay izay fototra mampisy azy aby.

Rehefa tsy mahazo resaka fa efa fanina dia mba mitenena ihany aloha fa raha ny fahitako aloha hatramin;izao dia tsy mahazo izay lazaina zy ambara mihitsy Rhaj0 fa maka referansy indray amin;ny voambolana ampiasaina.

Avy amin;ny hoe OTRIKA sy AINA io. Ny ADN no misy OTRIKA ananan'ny miaina rehetra io taova rehetra ampiasainy io. Ny vitamina dia mpandrisika ny fiarovana fotsiny ihany.

Raha ny marina aloha mila averina mihitsy ireny fanagasiana ireny fa lasa mampanaotao foana ny olona toa an-dRhaj0.

Mamerina ihany aho hoe araho tsara ny laoahadinika dia rehefa tsy azo dia anontanio tsara ary miezaha manao dinika misy fitohizany fa aza manao tsaingoka tsisy ifandraisany hatrany.
84. rhaj0 ( 29/08/2017 15:41)
hi hi hi... ianao Miharena ihany no Belazao @ izao, et je cite, "otrika aina ... ao anatin'ny ADN" izao.. Angaha tsy mahatapaka.. Nahare ny voambolana siantifika ADN i Miharena, dia nataony fa Vitamine A sy Vitamine D sy Vitamine N no dikan'ilay ADN :-)
85. Miharena ( 05/09/2017 07:45)
Aza averina ilay famaritana zazakely.

Raha tsy nisy namorona ny ADN dia tsy misy izao rehetra manan'aina izao fa aza dia avily any amin'ny tsy fahazoan-dresaka ny resakao Rhaj0.

Rehefa ampahatsiarovan-tena momba io toetranao io ianao izao dia hamboly eritreritra hafa indray o!??

Ny teny hoe otrik'aina dia tsy mananbara izay asan'ny vitamina fa aina voarindra ao anatin'ny rafitra fototra iray izay ny ADN no hitan'ny olona ho fotony. Tsy miresaka fampantanjahana izany fa ianao io tsy misy aloha raha tsy misy otrika mampisy anao.

86. Miharena ( 05/09/2017 07:46)
Ary mahaiza miteny gasy fa isika anie ao anatin'ny serasera mampiasa teny Malagasy rano iray e!
87. rhaj0 ( 05/09/2017 15:11)
Miharena:
ianao io tsy misy aloha raha tsy misy otrika mampisy anao

Toa tsy azonao ilay ADN fa aleo aho hihatakataka.. :-)

Fa ampatsotra azy: f'angaha tsy "noforoniNY" indray moa no "mampisy anao" ao io ry Miharena???
88. endriny ( 06/09/2017 03:32)
Iza indray no namorona an'izany ADN izany?
89. Miharena ( 06/09/2017 07:50)
Aza ampidinina ilay resaka rehefa eo ihany fa miresaka Mpahary aho dia IZY no nampisy ny ADN mazava ho azy fa ianareo izany anie manao bontolon-dresaka fotsiny e!

Raha hendry anareo dia izay endriky ny Fiainana mandrakizay ananan'ny Mpahary aloha resahana satria izany no mahatonga ny resaka fivavahana sy finoana eto.

Raha hiresaka andriamanitra mandalo miserana fotsiny dia aza miresaka eto ILAY MANDRAKIZAY no anaovana resaka eto.
90. rhaj0 ( 06/09/2017 11:28)
Miharena:
IZY no nampisy ny ADN

TAiza tao @ BAiboly i Andrmtnra no namorona ny ADN re ry Miharena? dia t@ Andro faha-firy?

Sa moa, t@ namorona an'i Adama i Andrmntra, noforoniny avy t@ "vovo-tany", dia ilay fasika iny izany, izay Silica (SiO2), dia lasa nivadika ho cellule animale tampoka teo, ary dia pouh pouh pouh... ary dia nisy ny ADN?

hi hi hi.. ny vitamina A sy D ary N-nao ve ry Miharena dia noforonin'izao Andrtmrna izao avy t@ SiO2??? Aoka ho'a...
91. Miharena ( 06/09/2017 18:24)
Vao mainka mirefarefa ilay resakao Rhaj0.

Mitadiava hevitra hafa fa maivana loatra e! Mba ataovy matotra kokoa.
92. rhaj0 ( 06/09/2017 19:08)
O ry Miharena.. mirefarefa ahoana ny equation simika hoe
Silica + catalyseur ([size=4]pouh-pouh-n'[/size]Atra) == proteine

nataoko kisarisary "tsy matotra" ny resaka mba azahoanao Miharena azy eee..... :-)
93. endriny ( 07/09/2017 03:46)

Miharena:

Aza ampidinina ilay resaka rehefa eo ihany fa miresaka Mpahary aho dia IZY no nampisy ny ADN mazava ho azy fa ianareo izany anie manao bontolon-dresaka fotsiny e!

Raha hendry anareo dia izay endriky ny Fiainana mandrakizay ananan'ny Mpahary aloha resahana satria izany no mahatonga ny resaka fivavahana sy finoana eto.

Raha hiresaka andriamanitra mandalo miserana fotsiny dia aza miresaka eto ILAY MANDRAKIZAY no anaovana resaka eto.


Arahiko kely ny zohin-kevitrao. Ianao izany no tena mpanao lohan-tsahona vatan-drindrina no ianihana kanefa ny hoza-pe roa tondro. Ianao 70-75 taona dia dangy dia mipendapendana hiresaka ny fiainana mandrakizay. Vao 6.000 taona nisiana ny olom-belona dia milaza fa nahita ny nanomoronana an'izao tontolo izao (ara-Genesisy io) fa tsy ara-boka akory.

Ka ho ahy izany, araka ny zohin-kevitrao ihany manao hoe : "Raha hiresaka andriamanitra mandalo miserana fotsiny dia aza miresaka eto ILAY MANDRAKIZAY no anaovana resaka eto" Dia aleo tsy resahina na asiana sira akory izay fiainana mandrakizay any satria kay tsy misy mandrakizay isika rehetra eto.

Dia ataovy izany ny teboka famaranana koa inona moa
94. Miharena ( 07/09/2017 18:42)
Ny mahalava ny resaka eto dia mazava tsara fa firesahana Fiainana mandrakizay.

Tsy misy hiresaka Fivavahana sy finoana raha tsy Fiainana mandrakizay.

Ka raha fohy ny saina satria heverinao fa io fandalovanao eto an-tany io ihany no fiainanao dia avy hatrany dia manao teboka ianao.

Ny olana fotsiny dia tsy misy teboka ilay fiainanao aorian'ny fahafatesana.

Dia io fiainana aorian'ny fandazana ny nofo eto an-tany io no ifampiresahana eto.

Efa hazavaina fa misy ireo mahazo fiadanana mandrakizay ary ao ireo mahazo fahoriana mandrakizay.

Ka io safidy sisa fa misy ny fiainana aorian'izao fandalovanao eto antany izao e!



95. rhaj0 ( 07/09/2017 19:18)
Miharena:
Tsy misy hiresaka Fivavahana sy finoana raha tsy Fiainana mandrakizay.

esy aho e ry Itsimahalalaafatsynysaimpantany.

Efa hoe, ngo dia heverinao fa any ampiangonanao ao azany ny eto @ serasera, na koa ny eto an-tany.
96. endriny ( 08/09/2017 15:37)
Miharena:

Efa hazavaina fa misy ireo mahazo fiadanana mandrakizay ary ao ireo mahazo fahoriana mandrakizay.


Ihihi mpivarotra sakabeloha izany sa mpivarotra omby anaty ambiaty ka manazava tsy hita fototra?

Sao ilay sary amin'ny hosodokon'ny Vatican sy Leonard aza no anamarinanao ity rediredy tsy voaporofo ity.
97. Miharena ( 08/09/2017 17:28)

endriny:

Miharena:

Efa hazavaina fa misy ireo mahazo fiadanana mandrakizay ary ao ireo mahazo fahoriana mandrakizay.


Ihihi mpivarotra sakabeloha izany sa mpivarotra omby anaty ambiaty ka manazava tsy hita fototra?

Sao ilay sary amin'ny hosodokon'ny Vatican sy Leonard aza no anamarinanao ity rediredy tsy voaporofo ity.


Tsy resaka saka be loha io fa betsaka ihany izay nanehoana ny zavatra mihatra amin'ny olona any ankoatra any izay.

Raha ny Baiboly no jerena dia ity no tranga voasoratra ao amin'ny Lioka 16:19-31

19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.
20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy]
22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy]
24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.
26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala et?, ary ny ho afa-mita hanket? aminay izay eny.
27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko
28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy.
29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.


Raha ankehitriny no jerena dia misy ireo olona anehoana ireo karazan-javamisy any ankoatra ireo. Amin'ny alalan'ny fahafatesana dia velomina indray no anehoana azy ireo ny zava-misy ary ireo no mijoro vavolombelona satria nirahina haneho ny zava-mitranga aorian'ny fandaozana ny nofo eto an-tany izy.

Mino ianareo, tsara, tsy mino ianareo, mandeha any amin'ilay toeran'ny tsy mino rehefa mandao ny vatanareo ankehitriny.
98. rhaj0 ( 10/09/2017 15:45)
t@ andron'i Abrahama izany, araka ny voatatitr'i Lioka io, dia tena hotsahotsan'ny miresaka en permanence @ olona ao i Andrmntra. Dia nitantara izany hono ireto "vavolombelona", ary dia mino beuh ery ry Miharena. Tsisy fampiasana coco io fa tonga dia mino beuh.

Dia vasoka be nefa ry Miharena sy RBNIR ohatra, fa "ankehitriny" dia TSISY, eny, indrisy ry tava-tsosisy, fa TSISY izany Andtrmna miresaka en permanence izany intsony. Raha ny marina, TSISY an'izany mihintsy koa h@ izay, fa ireo "vavolombelona" no voarebirebin'ny tsihaitsihay tao, dia manao belazao, dia lasa "fombafomba" ny finoana izany..

Ka izao, dia folahan-dry Miharena sy RBNIR ny zava-misy, ary lazainy fa "miverina miresaka en permanence indray hono i Andrmntra", ary izany dia @ olona notsongainy.

Dia ampiasao ilay coco isaka ny miteny izao mitono-tena rehetra izao ry Miharena sy RBNIR aaa..

Ato izao sirika ny gasy ity olona hiankohofan-dry Miharena ity.. "tonga sahala @ mpangalatra" hono izy io... f'angaha tsy dia gaigy ee :-)

99. Miharena ( 11/09/2017 18:01)
Mba lazao aloha ny resak'io olona io vao mitsara azy ianao Rhaj0.

Ny olana dia ity, na dia misy maty mitsangana aza dia tsy hino ny olona toa an-dRhaj0 satria efa ataony miraikitra ao aminy ny hoe tsy mino izy.

Ny mety tsy fantany anefa dia izay foto-pisainana izay no manakona ny fahasoavana avy amin'ny Mpahary ho azy.

Fa io resaka lazainao io hoe tsy manao bitsika ny Tompo, dia izay mitsipaka be fahatany ny FisiaNY fotsiny aloha.

Nefa raha ny marina, IZAY mpamorona ny olombelona ve tsy hahay hiteny ao anatin'ny voariNY na hifandray aminy?

Valio tsotra aloha io vao miteny fa lasa mivoana be ny fomba fanehoan-kevitrao.
100. rhaj0 ( 11/09/2017 22:36)
O ry Miharena... TEna hotsahotsan'ny mahita an'i Jesosy izany i Miharena @ io sary io, dia tena hoe, izaho no mitsipatsipaka @n'a pas isaka ny mihetsika an...

Eny azany koa... Jesosy, na irak'i Jesosy, na koa, kipantsin'Atra toa an'i Miharena ilay zalahy io..

Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry MIharena :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0393