Masturbation sy ny fivavahana

1. Dreamlover14 ( 16/07/2017 19:14)
Tsotra ny fanontaniako :

Voararan'ny fivavahana ve ny masturbation raha io no hany làlana hahafahan'ny olona iray mi-assouvir ny filany fa tsy maka mpampanofa vatana na koa miray @ olon-kafa tsy vadiny ?

Ny fivavahana resahako eto tsy voatery fivavahana kristiianona fa na silamo na boudhiste na ny hafa koa an
novalian'i rhaj0 ny 03/08/2017 12:12
2. zay1ihany ( 16/07/2017 21:05)
inty ny hitako mahazava azy
http://www.enseignemoi.com/page/texte/la-masturbation-est-ce-un-peche-1850.html
3. hery ( 17/07/2017 05:01)
Tsy afaka mamaly mitamabe satria samy manana ny azy ihany.
Ho an'ny kristiana dia izay tsy fitiavana dia fahotana. Manohitohina ny fitiavana an'Andriamanitra ve, ny fitiavana ny namana ve, ny fitiavana ny tena ve.
Raha tsia dia tsy maninona
4. RBNIR ( 17/07/2017 06:49)

Dreamlover14:

Tsotra ny fanontaniako :

Voararan'ny fivavahana ve ny masturbation raha io no hany làlana hahafahan'ny olona iray mi-assouvir ny filany fa tsy maka mpampanofa vatana na koa miray @ olon-kafa tsy vadiny ?

Ny fivavahana resahako eto tsy voatery fivavahana kristiianona fa na silamo na boudhiste na ny hafa koa an

Tafiditra ato amin'ity notenenin'i Jesosy ity izay...« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Matio 5:28)
« Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina* anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany] » (Matio 5:29)

Sady misy fahotana ao ampo eo (faniriandratsy) sy passage à l'acte mihitsy...
5. rhaj0 ( 17/07/2017 11:28)
RBNIR:
izay rehetra mijery vehivavy hila azy...

Ity efa noresahina teto...

1- rahefa mba mikitikitika ny fitaovam-pananahany ao ny Ankizy, dia mahita tsirony, dia "masturbation" koa ny dikan'izay.
Ka "nijery vehivavy" ve izy tao ry Matio sy RBNIR???

2- Ary ny Vehivvy koa angaha tsy mba mi-se matsirobe?? Sa ve hoe, "mijery lehilahy" indray izy izany dia tsy manota??

3- Ny olona (sasany) dia mampiasa fitsovana rahefa mimatsirobe. TSY manota izy izany ve @ io??


Tena tsy azoko mihintsy hoe, maninona no afototra @ resak'i Matio ilay fi(s)ainana.

hery:
Ho an'ny kristiana dia izay tsy fitiavana dia fahotana.

"Kristiana" moa no nofaritan'i Hery. Fanefa i Kristy mihintsy no nilaza fa ilaozy ny RaR sy fianakams raha "tia" hanaraka Azy.

Ka "fitiavana" koa ve izany?? Eny "fitiavana an'i Krsity, fa kosa, TSY fitiavana ireto RaR sy fianakams.

Ka TSY diso izany ny ... "dogme-'i Hery" eee....
6. RBNIR ( 17/07/2017 11:30)
Notsindriny tsara hoe nijangajanga taminy tam-pony!!! ny fo no mijangajanga!!!
7. rhaj0 ( 17/07/2017 12:35)
Ampiako kely..

hery:
Ho an'ny kristiana dia izay tsy fitiavana dia fahotana.

"Kristiana" moa no nofaritan'i Hery. Fanefa i Kristy mihintsy no nilaza fa ilaozy ny RaR sy fianakams raha "tia" hanaraka Azy.

Ka "fitiavana" koa ve izany?? Eny "fitiavana an'i Krsity, fa kosa, TSY fitiavana ireto RaR sy fianakams.

Ka TSY diso izany ny ... "dogme-'i Hery" eee....


Dia ny kristiana koa toa "TSY tia" ny Moslimo ohatra.. na koa ny Atheista. Fa izany hoe, io dia noho ny "fitiavana an'i Kristy"..

Ka dia tena TSY diso mihitnsy izany ny ... "dogme-'i Hery" eee.... misy "fitiavana" mantsy ao.
8. RBNIR ( 17/07/2017 12:55)
rhaj0:

Ka dia tena TSY diso mihitnsy izany ny ... "dogme-'i Hery" eee.... misy "fitiavana" mantsy ao.

Izaho aloha dia miaraka miombokevitra aminao amin'io satria raha ohatra v izany misy tovovavy 2 na maromaro tianao be dia mety foana satria fitiavana no nibaiko an'izay???

Diso fandray izany an!!!
9. rhaj0 ( 17/07/2017 23:34)
Dreamlover14:
Voararan'ny fivavahana ve ny masturbation raha io no hany làlana hahafahan'ny olona iray mi-assouvir ny filany fa tsy maka mpampanofa vatana na koa miray @ olon-kafa tsy vadiny ?

Ny fivavahana resahako eto tsy voatery fivavahana kristiianona fa na silamo na boudhiste na ny hafa koa an

Ato ny valin'ny fanontaniana
https://en.wikipedia.org/wiki/Religious_views_on_masturbation

Fa @ ankapobeny..

ho an'ny bodista, dia toa bedy koa..
masturbation is explicitly characterised as sexual misconduct

@ Taoisa ( ny sinoa) dia tsy ampirisihina
masturbation can cause a lowered energy level in men... discouraged female masturbation

fa ho an'ny silamo, dia TSY bedy raha mpivady no miara-mi-matsirobe:
It is considered permissible for spouses to masturbate each other, with the only sexual acts between spouses forbidden in Islam being anal intercourse and vaginal sex during menstruation.

Ary farany, ho an'ny kristiana katolika sy ortodoksa, dia "ota"
Today, Roman Catholic and Eastern Orthodox Christians consider masturbation to be a sin.
entre-pa, fa izay no niantsoako ny resak'i Hery hoe "dogme-n'i Hery", satria ny fampianarana ofisialy an'ny Katolika dia TSY toa ny revin'i Heswry (resaka matsirobe io)...
hi hi hi.. mila mi-kaonfessy indray ianao izany RaHery fa mampianatra diso :-)

10. hery ( 18/07/2017 12:59)
Noraisinareo am-bolony ilay izy :-)

Averiko ilay hoe raha vao tsy feno ilay "Fitiavana ny namana, Andriamanitra, ny tena (fanajana ny tena)" dia efa fahotana izay.

Misy tia namana be fa tsy tia an'Andriamanitra
Misy tia namana be iray fa tsy tia namana hafa (tsy tia silamo, tsy tia mpanota, tsy tia katolika :-p)
Misy milaza fa tia an'Andriamanitra fa tsy tia ny namany
Misy milaza fa tia namana fa manimba tena...

Raha vao tsy feno ilay fitiavana dia fahotana izay.

Ka avereno ilay fanontaniana. Ny olona tia vehivavy 2 ve mahafeno an'ireo (Andriamanitra, namana, tena) ireo?

11. rhaj0 ( 18/07/2017 14:06)
Hery:
Ka avereno ilay fanontaniana. Ny olona tia vehivavy 2 ve mahafeno an'ireo (Andriamanitra, namana, tena) ireo?

Ka raha hamaly ny fanontnaiana aho izany dia
- Tia ny namany izy, vhv #1, ary mahita tsirony aminy
- Dia tia ilay namany hafa koa izy, vhv #2, ary mahita tsirony aminy
- Ary tia ny tenany koa izy, ary mahita tsirony @ ireo vhv anankiroa
- Sady tia an'Andrmntra koa, no tian'Andrmntra, satria navelan'Andmtnra hitia azy roa iretsy
Ka dia, araka ny dogme-n'i Hery izany, dia TSY manota ilery eee :-)


[size=8]hi hi hi... dia mbola miziriziry @ dogme-ny ihany i Hery, nefa efa hoe, TSY izany ny fampianarana Katolika ofisialy :-)[/size]
12. hery ( 18/07/2017 14:26)
Arakarak'ilay antsoina hoe fitiavana koa aloha e :-)

Raha ohatra ka ny mahita tsirony fotsiny no hamaritanareo ny atao hoe tia dia zavatra hafa.
13. rhaj0 ( 18/07/2017 21:35)
Mba ahoana tokoany ny famaritan'i Hery ny "fitiavana" izany eee...

Ny famaritako raha ny an'eritreritro eto izao dia:
- tia sakafo = mankafy sy mahita tsirony @ izay masirasira sy mamimamy eo
- tia mozika, tia zava-kanto = mankafy sy mahita tsirony @ ilay mijery/manao revy eo ee..
- tia ilay ivadiana = mankafy sy mahita tsirony @ fanaovana azy ao sy ny fiarahana eee...
- tia karokaroka, tia fahamarinana = mankafy sy mahita tsirony @ fanaovana izany ao, na ny iainana azy ao...

Fa ny anareo Kristiana izao, dia hoe "tia an'Andrmntra" : dia ahoana tokoany moa izao izany??? Ho ahy Atheista TSY mino mantsy, dia tena tsisy n'inon'inona mihintsy ny dikan'izany. Hainareo ihany ilay hoe, imazination fotsiny izato izy, fa tsisy concret.. ka tsy hita sy tsy takatro hoe avadibadika @ ahoana izy izao.


Koa raha tsy mahadiso, inona kay ny dikany, ary inona no atao @ izany hoe, "tia an'Andrmntra" izany???
14. Miharena ( 29/07/2017 06:51)

rhaj0:

Mba ahoana tokoany ny famaritan'i Hery ny "fitiavana" izany eee...

Ny famaritako raha ny an'eritreritro eto izao dia:
- tia sakafo = mankafy sy mahita tsirony @ izay masirasira sy mamimamy eo
- tia mozika, tia zava-kanto = mankafy sy mahita tsirony @ ilay mijery/manao revy eo ee..
- tia ilay ivadiana = mankafy sy mahita tsirony @ fanaovana azy ao sy ny fiarahana eee...
- tia karokaroka, tia fahamarinana = mankafy sy mahita tsirony @ fanaovana izany ao, na ny iainana azy ao...

Fa ny anareo Kristiana izao, dia hoe "tia an'Andrmntra" : dia ahoana tokoany moa izao izany??? Ho ahy Atheista TSY mino mantsy, dia tena tsisy n'inon'inona mihintsy ny dikan'izany. Hainareo ihany ilay hoe, imazination fotsiny izato izy, fa tsisy concret.. ka tsy hita sy tsy takatro hoe avadibadika @ ahoana izy izao.


Koa raha tsy mahadiso, inona kay ny dikany, ary inona no atao @ izany hoe, "tia an'Andrmntra" izany???



Izay aho vao handray anjara kely eto.

Efa mahalaza azy ireo valinteny resahan'i Hery ireo raha ny marina momba ny fitiavana.

Ireo ambaran'i Rhaj0 ireo dia mazava fa ireo atao hoe filana mba hahafahan'ny vatana mahazo fahafaham-po na fahafinaretana.

Ny an'i Hery indray dia izay mampiombona sy mampinrindra tsara ny fifandraisana eo amin'ny samy mpiara-belona, amin'ny tena ary sy amin-Janahary.

Ka raha Kristianina dia mazava fa ireo endrika farany ireo no mitoetra mitarika ny fitondran-tenany.

Fitiavana tsy manam-petra no ilazana azy fa tsy filana mandalo satria aoka ho fantatra fa ny Kristianina matoa nilazan'i Jesoa hoe ireto telo ireto no mitoetra, Finoana, Fanantenana ary Fitiavana, nefa ny Fitiavana no lehibe indrindra, dia mazava fa tsy misy firindrana raha tsy misy fitiavana.

Ny fitiavana no mahatonga ny olona iray mananatra ny namany; ny fitiavana no mahatonga ny olona mitaiza ny zanany, fitiavana no mahatonga an'Andriamanitra naniraka ny Zanany hampnjy izay miaina anaty haizin'ny tsy fahalalana AZY.

Ka ny Atheista dia mody tsy mahalala io endrika io nefa miaina ao anatin'ny eran'ny Voary ary singa iray amin'ny voary rehetra mitovy aminy dia olombelona izany.

Ka na hanao Rhaj0 hoe imazinasion, tsy imazinasion akory ny ilazako hoe ianao anie ka mitovy amin'ny olombelona namanao fa ianao fotsiny no manao anao ho isan'ny manana firehana hoe Ateista e! Tsy mahasakana ny Teny rehetra voalaza ao anaty Baiboly sy hanafoana ny mpandinika izany ny filazanao fa ateista ianao. Raha ny marina ny ateista dia niainga tamin'ny famakiana ny Baiboly dia mitady ny mahadiso azy io dia mamorona firehana.

Asa aloha fa izay no fahitako azy.
15. Miharena ( 29/07/2017 07:28)
Fa raha hiverina amin'ny fanontaniana vontoatin'ny lohahevitra dia tsotra io:


Efa voalaza ao amin'ny I Kor 7:1-4 io resaka masturbation io:

1 [Ny amin'ny fanambadiana] Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
3 Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.


Voasoratra eo amin'ny andininy faha-efatra ilay fomban'olombelona.

Raha tokana izany ianao Ka hitanao fa tena tsy aritra mihitsy ilay zavatra dia aleo mitady hevitra hanambadiana fa manjary manaotao foana.

Ny filana izany no tena manintona ny olona hanamboatra ny tenany eto, dia lasa fahotana ilay izy rehefa tsy misy antony mazava (izay efa namoronana azy) ny hampiasana ny fitaovam-pananahana.
16. rhaj0 ( 31/07/2017 13:43)
Ato i Paoly dia mbola mamelively tsara
1 Tesalonisiana 4:5 fa tsy amin'ny filan-dratsin'ny nofo araka ny fanaon'ny jentily izay tsy mahalala an'Andriamanitra ...

Entre-pa.. fa dia asa ho'a fa dia mirehareha izao izay Jentilisa/Jentily/Gentile @ io famariparitana toa rambon'osy nataon'i Paoly io. (i Paoly @ io anefa Jentilisa koa fa TSY Jiosy).


Fa ny zava-dehibe eto, dia hoe: fa maninona ho'a no lasa RATSY ilay "filan'ny nofo" eee..

Rahefa nieritreritra aho, dia lojika BE kosany ilay izy.

Satria ilay "Fitiavana" dia roritina ho "Fitiavana Azy" foana, hany ka lasa gaigy ny saiNY rahefa miharo "filan'ny nofo" ilay FItiavana.
17. Miharena ( 01/08/2017 09:48)
Aza diso fandray ianao Rhaj0 fa tsy hoe fitiavana AZY no tena fitiavana fa ny FITIAVANA nofaritaNY izay ao AMINY ka tiany ho ao anatin;ny olombelona noforoniNY mba tsy hanaotao foana ilay noforoniNY.

Izay no mahatonga ny anatra sy fampianarana. Raha tsy ampianarina dia lasa manao izay tiany atao tsy misy lalany mazava.
18. rhaj0 ( 01/08/2017 11:44)
Miharena:
ny FITIAVANA nofaritaNY izay ao AMINY

ka io "FITIAVANA nofaritaNY izay ao AMINY" io izany, rahefa miharo "filan'ny nofo", dia... tsy ilay "FITIAVANA" no ratsy fa ilay "filan'ny nofo" ee....

IZY daholo ihany HONO no "namorona" an'izany rehetra izany, na ny fitiavana na ny filan'ny nofo, na ny fiharon'ireo, na ny fi-juger-na ny tsara sy ratsy...

Fa dia "ratsy" izany hono ilay "filan'ny nofo" eee...

izay izany ilay izy ry Paoly sy Miharena aa???


Miharena:
Raha tsy ampianarina dia lasa manao izay tiany atao tsy misy lalany mazava.

acculturation sa colonisation? Ny RazaNTSIKA tia "filan'ny nofo"..

19. MIharena ( 03/08/2017 11:59)
Tsy resaka acculturation io.

Ny zavatra nitranga noho ny fisian'ny fampiasana ny filan'ny nofo amin'ny endrika mamohehatra no nahatonga ny tantaran'i Sodoma sy Gomora.

Ny filan'ny nofo tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy no nisy teo amin'ny fisian'ny lahy mila lahy sy vavy mila vavy.

Toy izany koa ny fahalalahana ara-nofo novoizin'ny Frantsay tamin'ny fotoan'androny ka nahatonga ny Malagasy sy izay nozanahany rehetra manana firehana malalaka hono ara-nofo ka na iza na iza no ampiantranoina ao anatin'ny taovam-pananahana dia mety daholo. Sanatria tsy isika rangahy no nivoaka avy amin'izany taova efa nidiran-tafika izany dia avy eo tsy mahalala hoe iza no raintsika! Hoy ny hiran'i Firmin hoe maman'i Kokitely!!

Zava-mahavoafady ilay resahana saingy efa mihatra aman'aiana izy amin'izao fotoana izao dia aleo ambara arak'izay fahitana azy.

Mazava fa tsy hoe tamin;ny fotoana misy antsika ankehitriny ihany no nisian'ny fiviliana ara-nofo fa tsara raha misy ny fampitandremana tao anaty Baiboly.

Raha tsy nisy izany tao dia tsy Baiboly ny Baiboly ary tsy fitaizana ara-batana sy ara-panahy.
20. rhaj0 ( 03/08/2017 12:12)
Dia arakao tsara izany fa

- t@ l'an zero, dia hozy ny fiaraha-monina, na ny marimarina kokoa, hozy ny Mpitarika (sy Mpampianatra mahay) hoe... "mamohehatra" ny firaisan'ny lahy/lahy sy vavy/vavy

- @ l'an 2017, dia hozy ny fiaraha-monina, na koa, hozy ny Mpitarika (sy Mpampianatra mahay) hoe... "normal" ny firaisan'ny lahy/lahy sy vavy/vavy


Fa takatrao tsara koa, fa

- t@ l'an zero, na ny taloha keliny na n ytaoriana keliny, ary tao moyen-orient tao, sy ny manodidina, dia nanao "normalement" ny lahy/lahy sy vavy/vavy, ary TIA ny filan'ny nofo ny olona

- ny razaNTSIKA, (dia nanao "normalement" ny lahy/lahy sy vavy/vavy, ary) TIA ny filan'ny nofo ny olona


Fa dia anao ny safidy ee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3334