Genesisy (Jenezy) toko-2

21. Miharena ( 13/06/2017 06:39)

rhaj0:

Miharena:
Raha mamaky Baiboly ianao dia fitanisana fahendrena sy tantara no ao.

inty ve kaotina ho "fahendrena" be ry Miharena, sa mba pli-vava (toa ny mahazatra) fotsiny ny anao?
Lioka 14:26:
Raha misy manatona ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin'ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro.

Ka nanantona AZY ianao ry Miharena, dia te-ho "mpianaNY", sa... dia nodikainao fotsiny io "Tenin'Andrmntra" io?

Ahoana moa no fandraisanao io teny io? Milaza Jesoa fa mila mifantoka Aminy ny mpianany fa tsy hijery olon-kafa. Mila manolotra ny ainy fa tsy mitandro izany amin'ny fomba tsy mety.

Ny olona mihevitra fa rehefa manankarena dia eka velona. Jesoa niteny hoe any Aminy misy fiainana be dia be.

Dia izay no mila fifantohana fa aza raisina an-tendron'orona ny teny voambara.
22. rhaj0 ( 13/06/2017 13:57)
Ka ianao izany ve ry Miharena, moa va...
- sady TSY mankahala ny ray reny, vady, zanaka, rahalahy, anabavinao, na dia ny mifanohitra @ nolazain'i Jesosy mazavabe io @ Lioka 14:26 io azany izay ataonao izay,
- no sady manatona ary (te-ho) mpianatr'i Jesoa koa ??

Ataovy ao foana ho'a io manao mandray roa io, dia mihatsara velatsihy ao, ry Miharena aa... f'angaha ataonao fa tsy takany ny paikabenao, manodikodin-dresaka @ izay TSY manaraka (ara-baki-teny) ny teniNY ao io??

@ Kristiana namanao ianao no afaka ny malama vava dia manodikodina manolakolana ny resak'i Jesosy, fa dia .. ao ianao sirikany ao izany eee...

Ary averimberiko foana, fa raha io no ataonao ry Miharena, dia mahatatesa ny vavan'i Jesosy:
Matio 17:16 : Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy...
23. Miharena ( 17/06/2017 04:59)

Tsy misy mandary roa ny finoana nampianarina satria raha miteny IZY hoe manaraha AHY dia manaraka ny FITIAVANY nampianariNY sy ny fitondran-tena tiaNY ananana.

Tsy mora ny nitenenaNY hoe IZY vatany no fihinana ary ny RANY no fisotro. Midika hoe IRAY TENA AMINY.

Ka na io vady, zanaka, ray, reny, tsy atao mihoatra izay.

Lasa sampy anie raha tianao mihoatra ny Mpahary kosa ny olona e!

Asa na mazava!
24. endriny ( 22/06/2017 14:54)
E, mbola eto amin'ny Genesisy took-2 isika izao. Mbola tsy misy Jesosy
25. MIharena ( 24/06/2017 04:59)
Miala tsiny endriny fa efa lasa lavitrabe ilay Rhaj0 namantsika iray io dia lasa mandingana/mibirioka amin'ny fiheviny tiany atao drindrangilo eto ilay loha-hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1416