Rehefa toa ny ahoana no mibitsika ao aminao Atra

1. endriny ( 17/05/2017 17:11)
Andeha hatory ao io. Ka sao mba misy manana hevitra amin'ny zavatra tokony atao, mba ahazoako izany bitsika sy tsindrimandry avy amin'Atra izany amin'ity alina mangatsiaka ity.

Ohatran'ny mba mampafana ny saina mantsy izany ry reto a
novalian'i Miharena ny 03/06/2017 11:12
2. rhaj0 ( 18/05/2017 02:09)
Ka rehefa mivady iny ny Kristiana, dia hoe, toko 3 tsara fototra izao hono zareo ao @ tokatrano: i Jesosy no fanintelony.

Ka dia asa hoe, "hibitsika" @ izy roaroa, na ny iray amin-jareo ve izany tokoany i Jesosy, dia rahefa rahoviana, na hoe, rahefa ilay manao inona iny? :-)
3. endriny ( 18/05/2017 15:25)

rhaj0:

Ka rehefa mivady iny ny Kristiana, dia hoe, toko 3 tsara fototra izao hono zareo ao @ tokatrano: i Jesosy no fanintelony.

Ianao aza mampihomehy a. Asa raha misy mahavita izay ho tokony atao raha hisaina Jesosy amin'io andro io?

Ary mety tsy I Jesosy irey koa no ho eo fa tonga eo koa ny fanahy masina sy ny ray: 1) ny ray mitsodrano hoe fenoy ny tany, 2) ny fanahy masina manontany hoe ho atao lahy sa ho vavy, 3) Jesosy angamba mandinika hoe raha mba nanao toa izao moa aho fony teny an-tany.

Aoka re marina
4. rhaj0 ( 18/05/2017 16:19)
endriny:
Asa raha misy mahavita izay ho tokony atao raha hisaina Jesosy amin'io andro io?
Rehefa vita ny baolina izay vao (misy) mihiaka Jesosy k'nouh... :-)

ka tsihaitsihay io na miantso na mamaly antso k'lou eee... Izany hoe, teo ve ilery teo, sa izay izy vao (nantsoina) tonga indray hanamafy fototra ny tokantrano, fa toa mitolefika izy roroa k'nouh... :-)
5. endriny ( 19/05/2017 14:35)
Jesosy o. Inona re ity fahadalako e. Enga anie mba hiverina ny fadim-bolako
6. rhaj0 ( 19/05/2017 14:49)
Io ho'a ilay mahatapaka mihintsy..

Hoe, hitan'Andrmtnra daholo izay ataonao, n'aizan'aiza ary na oviana na oviana.
Dia hoe, h@ ianao manao, na koa manao matsirobasioi ve?
Dia hoe, eny, hitan'ny Ray ianao, n'aizan'aiza ary na oviana na oviana.

Asa aloha raha mahita fafiny ihany ianao raha jeren-dRainao rahefa manao ao eee...
Koa na vonoinao ao azany ny jiro, Izy anie mahita foana eeee...
Ary raha "bitsihiny" ao @ maizina ao ianao, tsy vao mainka tena horera??? :-)

Tsy aleo ve, amboamboarina ilay Finoana, dia hoe, tena mbola any @ pole nord Jesosy rehefa manao ao ianareo e... :-)
7. endriny ( 20/05/2017 13:32)
Ohatran'izao izany ny Bitsika araka ny Mpikalo Kolibera

8. rhaj0 ( 23/05/2017 12:43)
Asa aloha na hoax ity t@ 21 aogositra 2013 ity, fa hozy Benoa. https://www.theguardian.com/world/2013/aug/21/pope-benedict-god-resign-mystical-experience
Benedict denied he had been visited by an apparition or had heard God's voice, but said he had undergone a "mystical experience" during which God had inspired in him an "absolute desire" to dedicate his life to prayer rather than push on as pope.

TSISY "fisehoana" ary TSISY "bitsibitsika" izany, hozy Benoa izany ee... Fa kosa inspiration dada ka dadany be hono no nasisisisik'i Andmntra tao an-dohany eee...

Tsy azoko tsara ny resak'ilay lahiantitra...

Ka ahoana no fazahoanareo an'io God had inspired in him io rey olona??

Dia ahoana koa ny fazahoanareo izany hoe "mystical experience"???

9. Miharena ( 24/05/2017 10:09)
Miarahaba anareo namana manokatra adihevitra eto.

Fivavahana sy Finoana moa izy ity ary efa hita soritra ny fironan-kevitrareo roalahy maneho hevitra eto.

Efa ela ihany ny tena no nandray anjara ary mba mijery ny fivoaran'ny toe-tsaina eto amin'ity Forum ity.

Ka hamaly mivantana ilay fanontaniana no tiana hatao fa tsy hijery izay endrika samihafa entinareo hitondrana ilay loha-hevitra.

Ny voalohany dia tsy mety raha tsy ekenareo aloha fa matoa misy ireo teny voarindra ao anaty Baiboly izay mbola tamin'ny andro tsy nisian'ny teknolojia avo lenta dia bitsiky ny Fanahy izay no nandrindra izany.

Raha tsy mino fa manam-panahy anefa ianao dia tsy hahafantatra ny asan'ny Fanahy sy ny Loharanony.

Ka ireo sehon-kevitra ataonao ireo ve vokatry ny fanahy ao aminao sa saina ihany?

Amiko, saina mandinika no hitenenanareo eto fa tsy fanahy mandinika.

Sa izaho no tsy mahay mamakafaka?
10. rhaj0 ( 24/05/2017 12:20)
Miharena:
Ny voalohany dia tsy mety raha tsy ekenareo aloha fa matoa misy ireo teny voarindra ao anaty Baiboly izay mbola tamin'ny andro tsy nisian'ny teknolojia avo lenta dia bitsiky ny Fanahy izay no nandrindra izany.

ndao azany hoe ekena io hipaotezinao io ry Miharena.
Dia ahoana, dia @ izao "andro isian'ny teknolojia avo lenta" izao izany, dia tena TSISY bitsika intsony, hozy i Miharena aaa??

Tena (mety) marina ny anao ry Miharena. JNefa indray, jereo eto anie ilay rahalahy (ao @ Tompo) fa miresaka @ Andrmntra @ poritabilany.

https://www.facebook.com/spotboxlive/videos/1205511922905104/

io izao tokony mba ianaran'i Herinirina (sy RBNIR)
11. Miharena ( 25/05/2017 08:46)

Ny bitsiky ny Fanahy tsy azo ferana namana rhaj0 a! Na teknolojia firy aza no miroborobo, moa tsy ny olombelona asan'ny Tanan'Andriamanitra ihany no namolavola ireny ary tsy avy amin'ny zavatra noforonin'Andriamanitra ihany ve no nanamboarany azy ireny?

Ka mila misandratra kokoa mihoatra ireny isika raha te-hahalala sy hiserasera mivantana amin'ny Tompo Tsitoha.

INy filazako dia tsy hipaotezy fa teny mivantana sy mahitsy.
12. rhaj0 ( 25/05/2017 13:33)
TSISY "fisehoana" ary TSISY "bitsibitsika" izany, hozy Benoa, fa i Miharena indray izany dia mamerimberina eraky ny serasera fa misy ny "bitsibitsika" sy "serasera mivantana" @ Andmntra.

Tena raha mba manombatombana an'orona eto kosa aho, dia ... very ianao ry Miharena aa... ianao kosa ve dia mba hanana fahalalana na fandinihana, mahery kokoa noho i Benoa??
I Benoa efa io no fiainany, 24h/24, ary 365d/365, ary h@ razambeny. ianao Miharena toa manao tomban'orona eto fotsiny androany.

Fa jereo tsara kosa hozy iilay lahiantitra... God had inspired in him

Ny fahazoako an'io dia hoe :
i God no nampitsiry ny aingam-panahy tao @ Benoa.

Izany hoe, i Benoa no "tompon-kevitra", fa i God dia "nampitsiry" fotsiny ihany,
toa ny hoe, ny voa dia an'i Benoa, fa i God no nanondraka.

13. Miharena ( 26/05/2017 04:16)

Raha maka tohana amin'ny zava-boalazan'olona hafa ianao mamaky ny zavatra teneniko izay niharany dia sahirana fotsiny ihany sady very tanteraka. Lasa resaka tiana hateza hanaovana fanorana atidoha ihany no lasa hatao amin'izay ka tsy hiditra amin'izany isika.

Ka ianao nitady sy nandavaka tamin'ny fanontanianao dia nomena valiny tsotra dia lasa maka tohana ara-tahirin-kevitra tsy hahita ny hatra mihitsy.
14. rhaj0 ( 26/05/2017 13:09)
Ka i Miharena anie hanontaniana, ary efa sahala @ italahoana mihintsy, dia TSY mety mitantara izao "feo ren'i Miharena" izao eee... Dia lasa aho mitady olona, tsy mpanao belazao-nefa-tsisy-ambara, mba olona hafa "mitantara" izay fandehany ao. I Benoa izany io milaza fa TSISY "fisehoana" ary TSISY "bitsibitsika".

Fa afaka sokirina indray koa izany ny Profeta Tsaratsara ee.. ilery nahita mihtsy, fa tsy hoe nahare fotsiny. I Tsaratsara dia nahita Jesosy "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be"

Jereo tsara atsy @ 9:30

15. Miharena ( 29/05/2017 05:20)
Rhaj0>

Ny tiana marihina dia efa nisy ireo mpandalina ara-panahy manaiky ireo zava-mihatra amin'ny olom-boafidin'Andriamanitra.

Ka raha bitsika ara-panahy no lzaina dia isan'ny endri-pifandraisana izay nolazaiko izay'

Ny an'i Tsaratsara dia mazava be ary tsy misy kianina. Ny be saina no manohitra azy.

Ka raha tohizana ilay adihevitra hoy aho dia mandany andro raha be saina no mandray azy fa tsy MAZAVA SAINA ary koa MIAINA ARA-PANAHY.

Ny fanontaniako izany dia hoe : mahatsapa ve ianao Rhaj0 fa miaina ara-panahy aloha?
16. rhaj0 ( 29/05/2017 10:48)
Izaho k'lou, hamaly ny fanontanianao, dia TSY mahatsapa izany "miaina ara-panahy" izany..
Dia izaho mino fa i Benoa dia "miaina ara-panahy". Afa-po @ valin-teny va ianao?

ka ahoana indray azany ilay fanontaniako fa mba valio eee...
Tantarao ho'a ny "bitsika" reNAO ao ry Miharena.

Tsy ho ahy ihany ny valin-teny fa ho an'ny namana rehetra mandalo eto,
- izay "miaina ara-panahy", toa anao,
- fa TSY mahare "bitsika", toa an'i Benoa.
17. Miharena ( 29/05/2017 11:46)
Raha ny marina dia tsy misy olona tsy mahazo bitsika izany fa ianao no mody adala.

Ny olana fotsiny dia hoe bitsika mandeha ho azy eny ve ny an'ny sasany fa tsy misy firafiny mazava.
18. rhaj0 ( 29/05/2017 12:15)
Tantarao ho'a ny "bitsika" reNAO ao ry Miharena.
19. Miharena ( 30/05/2017 04:56)

rhaj0:

Tantarao ho'a ny "bitsika" reNAO ao ry Miharena.

Raha tantaraina dia tsy omby izao tontolo izao fa anjaranao no mitady ny Fanahy hiasa ao aminao mba hahafahanao mamantatra ny zava-drehetra tiaNY ambara aminao namana rhaj0 a!
20. rhaj0 ( 30/05/2017 11:22)
esy e ry Miharena.. dia tena tsy mba ahahazo tantara-na "bitsika ren'i Miharena" eto mihitsny aho iznay... bou hou...

1- ka tena TSISY ho tantaraina ve izany ry Miharena, na dia kely fotsiny aza?
2- sa misy ihany no afaka tantaraina, saingy mahamenatra?

ka 1- sa 2-??? TSISY sa mahamenatra izao "bitsika ren'i Miharena" izao??
Zarao eto ry Miharena fa tsisy mahamenatra izany aa :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1801