Tsetsatsetsa: Politika sy ny Finona Kristianina eto madagaasikara ankehitrio

1. endriny ( 25/04/2017 14:45)
Hoy ny governemanta hoe: "MIsy ambadika politika, fampiadiana ny fiangoanana amin'ny mpitondra, ireo fanolanana masera tany Antsirabe sy ny famonoana mopera sy frera tany Antsohihy"

Ho ahy indray anefa dia hoe: "tetika nataon'ny mpitondra fanjakana (ny governemanta) mihintsy ireo mba ahafahany manambitamby ny fiangonana katolika. Satria teo aloha kely dia efa im-polo kely ny fiangonana katolika no nanakiana an'io fitondra io. Indrindra moa taorian'ireo tranga tany Antsakabary"

Ho ahy dia tetiky ny governemanta sy ireo FIP 42 lahy hampiadiana ny fiangonana sy ny vahoaka any Sofia sy Antsohihy io famonoana mopera io. Nahoana hoy ianao:

1) Ireo mopera ireo no niaro sy nampihely ny habibiana nataon'ireo FIP ireo tamin'ny vahoaka tany Antsakabary
2) Natao izay tetika rehatra hampiady an'i Mopera amin'ny vahoaka dia tsy hisy resaka intsony Antakabary.
3) Olona hangalatra ve no nalehany tao amin'ny mopera dia ho avelany ao ny kilaotiny sy ny akanjony ary ny poketrany.
4) Ny miaramila sy ny Polisy ary ny zandary ihany no manana Kalaky eto Madagasikara, fa tsy ny olo-tsotra akory.

Kanefa dia ny olon-tsotra 13 no nosamborina avy hatrany noho ny kilaoty sy ny poketra navelan'ny mpanafika tao amin'i Mopera.

Fehiny: "Ny governemanta ihany no nanao ireo habibiana ireo mba andambolamboina an'ity fitondrana tsy mamely ity"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1694