MAHAFATY NY DIDY FOLO

161. RA TAN ( 22/06/2017 07:52)



Stahtam:
-Ny Yahavah, na Yahwah na Yahoshuah dia Anarana NAPETRAKAO, ny Andriamanitra dia NAPETRAKY ny mpandika teny (iray karazana aminao); noho izany fahavalon’i Elohym?
-Ny anarana YAH kosa dia anarana TSY NAPETRAKAO fa efa NIPETRAKA ELA HATRY NY FAHAGOLA tao anaty baiboly nisaraka t@ hoe: Elôhym.
YAH sy ELOHYM dia anarana MIARAKA voasoratra ao anaty baiboly hebreo hatry ny elabe (hatr@ andron-dry Davida sy ny hafa …).


RA TAN:
Averiko mihintsy aloha ilay teninao t@ herintaona:hoy i stahtam t@ 10/11/2016 10:04 hoe: “na inona na inona Anarana apetrakao eo dia fahavalon’i Elohym satria ny hoe Elohym dia nolazainao fa tsy misy dikany”. Tsindriako tsara fa “anarana apetrakao EO” (hoy I stahtam): izany hoe ANARANA APETRAK’IZAHO RA TAN “ETO @ ITY FORUM SERASERA.ORG ITY no tiany ho tenenina (fa tsy hoe anarana apetrako ao anaty baiboly); izaho tsy nametraka anarana tao @ baiboly, fa mampiseho an’ilay anarana mipetraka ao anaty baiboly eto @ forum no nataoko. Dia izaho RA TAN no nametraka an’ilay anarana “YAH” izay anaran’Ilay Dadanay izay nahary ny lanitra sy ny tany teto @ forum teto. Ary tsy afaka manda an’izany ianao fa izaho RA TAN no nametraka an’io anarana YAH io teto.
hoy aho hoe: YAH no namorona ny zava-drehetra.
YAH HAVAH: YAH(nom propre) HAVAH(efa nisy hatrizay hatrizay); ka tsy maintsy hoe izay efa nisy hatrizay hatrizay no mpamorona. Ary ianao aza efa niaiky fa YAH no namorona ny tany sy ny lanitra.
Fa izaho tsy niteny an’io Yahavah nolazain’i stahtam io, fa “Yahvah” hoy aho.
Fa izaho tsy niteny hoe izaho no nametraka an’io tao anaty baiboly hebreo. Fa i stahtam mahatsiaro tena afatotr’io teniny t@ heritaona i dia menatra be, dia io mamily resaka io indray.
Ary ny hoe ELOHYM, DIEU, GOD, A/TRA … koa TSY NOM PROPRE fa titre fotsiny.
Raha izaho no miteny an’i stahtam dia tahaka ny hoe fankahalana daholo angamba izay teneniko aminy. Fa I stahtam mihintsy izao no milaza fa DEVOLY ilay ELOHYM ivavahany t@ alalan’io teniny t@ 10/11/2016 10:04 io. Ary hita taratra tokoa izany t@ ireny fitsipahana baiboly ataon’I stahtam ireny.


Stahtam:
Raha efa nisy hatr@ andron’ny Mpanao salamo ny fiangonanareo dia anareo marina io. Ny Mpanao salamo mantsy no nametraka an’io tao anaty baiboly hebreo. Izay nametraka azy tao no tompony.

RA TAN:
YAH dia Andriamanitr’i Abraham.
Ary niteny Izy hoe “GEN,22:18 amin’NY taranakao no hitahiko ny firenena rehetra”: GAL,3:16 Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany no no nilazany ny teny fikasana. Tsy nolazainy hoe: amin’ny taranaka toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, “ary hoan’NY taranakao dia YAHOSHUAH izany”.
GAL,3:21 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana(YAHOSHUAH) dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika(Israeliana/jiosy) ka voahidy ho amin’ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Yahoshuah, mba hohamarinina amin’ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika(rehefa tonga i YAHOSHUAH dia miala amin’izay ilay torah). 26 Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i YAHOSHUAH. 27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho amin’i YAHOSHUAH dia mitafy an’i YAHOSHUAH. 28 Tsy misy intsony ny Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i YAHOSHUAH. 29 Fa raha an’i YAHOSHUAH ianareo dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
Raha mbola tsy tonga i YAHOSHUAH dia: “izay voambina tao ambanin’ny lalàn’i Moshè no miaraka @ YAH sy Abrahama; izany hoe izay nahatandrina ny torah”. Anisany ry Davida sy ireo Israeliana hafa nahatandrina izany torah izany.
Fa rehefa tonga kosa i YAHOSHUAH dia: nesoriny aminizay ilay lalàn’i Moshè, dia natambany ny Jiosy sy ny hafa firenena dia lasa iray ao aminy daholo. Anisany izahay Malagasy miaraka @ zandrin’i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD, ka Ahoana no tsy ho Faly e! OUEEEEEEEEEEEEEEE!!!! Tena mizesita @ izany mihintsy izahay eee! Izany no tena ireharehanay izany aa! Soa fa teo i YAHOSHUAH. Ndao daholo izay hiaraka aminay fa mbola tsy tara
Izay israeliana mbola mitandrina torah dia manamaivana an’i Yahoshuah, ary manohitra an’i Yahoshuah sy ny Ray(YAH). Dia normal hoe: “zanaka devoly nareo”: JAONA,8:37 Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, 39 Raha zanak’i Abrahama ianareo dia ny asan’i Abrahama no ataonareo. 40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy izay lehilahy milaza ny marina aminareo 44 Ianareo dia avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tinareo atao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha,
Fa tena novonoin’ireo i YAHOSHUAH; tena ny jiosy mpitandrina didy folo mihintsy izany no nanao sonia hoe zanaka devoly ry zareo, t@ alalan’ny namonoany an’i Yahoshuah. Nefa ilay torah vingitiny misy hoe “aza mamono olona”. Fa tsy nahoany izany satria biby no ao anatiny!
Conclusion, tsy misy Israeliana miaraka @ A/tra YAH izany ankehitriny, fa devoly no miaraka @ ireo. Porofon’izany: ireo mosqué be anankiroa avelan-dry zareo hitsangana eo @ kianjan’ny Tempolin’ny Jerosalema ireo. Iza no miteny anareo hoe azo asiana an’ireo eo?? Ary efa nanao fifanarahana t@ filohan’ny Rosiana koa ny Rabin israeliana sy ny premier ministre israeliana ny @ fananganany ny Tempolin’ny Jerosalema, ka tsy atao olana hoy ry zareo ny fisian’ireo mosqués be an’ny silamo ireo fa avelao hoeo. FANDIKAN-DALANA FARATAMPONY!
Izahay no miaraka @ io YAH izay namorona ny tany sy ny lanitra io ankehitriny, fa tsy ireo israeliana mpandika lalàna ireo. Efa nisy hatrizay hatrizay YAH Dadanay, ary t@ andron’ny Mpanao salamo dia ry Davida no nisolo-tena anay t@ izany; fa ankehitriny kosa izahay no misolo-tena an-dry Davida sy ny namanay t@ izany. Izahay sy ry Abrahama sy ry Davida sns … dia iray ihany, ary samy MIVAVAKA @ YAHOSHUAH daholo izahay rehetra ankehitriny sy mandrakizay.


Stahtam:
Misy anaran-tsamirery hafa ankoatra an’io Yah io aza ao anaty baiboly, izay hafa koa ny fampiasana azy, fa tsy hitanareo satria tsy hitan’ny mpandika teny dia voafina.
Izao no nolazaiko hatr@ izay fa sokiro tsara ny taimaso mbola tavela any: mbola misy anarana hafa ankoàtra an’io Yah io ny anarany @ hebreo. Saingy io moa no mba hitanareo dia savitsavihina sy ipasopasohana mason-daomy tsy misy farany eto (ny mampalahelo dia lasa vorona azon’adala no niafaràny).

RA TAN:
YAH no anaran’ny Dadanay, dia io irery fa tsy misy hafa izany intsony. Izahay izay heverinareo fa adala sy tsis saina mihintsy inty no nofidiany mba hampamenatra anareo miseho ho hendry sy manana fahalalana ambony. Tena Izy tenany mihintsy no nanatona anay dia niseho taminay ka nampahafantariny anay ny anarany: “ISAIA,65:1Hoy izaho tamin’izay firenena tsy nantsoina tamin’ny anarako: Inty Aho Inty Aho! ISAIA,52:6 koa ny oloko dia hahalala ny anarako; eny amin’izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no minteny hoe: Inty Aho”. Tsy ny israeliana intsony io lazaina hoe olony io; satria ny israeliana aza @ fotoana nitenenan’i Isaia efa mahafantatra ny anarany, fa raha lazainao fa israeliana no tenenina eo dia hiteny ry zareo hoe: fa angaha izahay izao tsy efa mahafantatra anao no lazainao fa vao hahafantatra indray? Tsy mety @ israeliana io teny io, fa tena izahay hafa firenena no tenenina amin’io. Sady ny israeliana koa mandika lalàna dia MIAFINA aminy i YAH (ISAIA,59:1,2), dia tsy mety aminy ilay hoe “Inty Aho”.
Tsy mba izahay akory no nitady Azy, fa tena Izy YAH mihintsy no nanatona anay dia noraisinay ampanajana. Ka Ahoana izahay no tsy ho Faly eeee! Ahoana izahay no tsy hirehareha eeee! Fa tena mizesta hatr@ farany mihintsy izahay @ izany a!


162. rougenoir ( 03/07/2017 15:11)

[quote=RA TAN]
Rafitra efa nilaozan'Andriamanitra ny didy folo dia mahafaty; mamelona ota:
- 2KOR,3:7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin'ny vato*(DEO,5:6- ...19) ...
- ROM,7:9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
- 1KOR,15:56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

YAHOSHUAH: ilay Fanekena vaovao no vahaolana. Izy ilay tena zanak'A/tra nandrava ny didy folo(EFESIANA,2:15); dia resiny ny fahafatesana, vitany ny nanaisotra ny fahotana. Izay miaraka @ YAHOSHUAH tsy mpanota intsony(1JAONA,3:5,6,9).


www.rtvyahoshuah.com
[/quote JAONA:3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Raha tsy mpanota izaho dia tsy mpandika lalàna, ary raha tsy madika lalàna zah dia tsy manota koa.
163. rougenoir ( 03/07/2017 15:11)

[quote=RA TAN]
Rafitra efa nilaozan'Andriamanitra ny didy folo dia mahafaty; mamelona ota:
- 2KOR,3:7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin'ny vato*(DEO,5:6- ...19) ...
- ROM,7:9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
- 1KOR,15:56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

YAHOSHUAH: ilay Fanekena vaovao no vahaolana. Izy ilay tena zanak'A/tra nandrava ny didy folo(EFESIANA,2:15); dia resiny ny fahafatesana, vitany ny nanaisotra ny fahotana. Izay miaraka @ YAHOSHUAH tsy mpanota intsony(1JAONA,3:5,6,9).


www.rtvyahoshuah.com
[/quote JAONA:3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Raha tsy mpanota izaho dia tsy mpandika lalàna, ary raha tsy madika lalàna zah dia tsy manota koa.
164. rougenoir ( 03/07/2017 15:26)
(IJaona:3:4) Izay rehetra manota no mandika ny lalàna,fa ny ota no fandikana ny lalàna.
Raha milaza fa tsy mpanota ianao RA TAN de tsy mpandika lalàna ianao izay fa ny atao hoe ota dia ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra.Relax!!!!!!!!!!

165. rougenoir ( 03/07/2017 15:52)
Lozanareo, mpanora-dalà sy fariseo,mpihatsaravelatsihy!fa mandoa ny fahafolon'ny solilasy ny aneta ary ny komina ianareo,nefa navelanareo izay lehige @ lalàna,dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana;ireto tokony ho nataonareo,nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
(Matio:23:23)
166. RA TAN ( 06/07/2017 08:39)
rougenoir:


JAONA:3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Raha tsy mpanota izaho dia tsy mpandika lalàna, ary raha tsy madika lalàna zah dia tsy manota koa.



Dia jereo tsara fa ireny milaza fa mpanota tsy mendrika ireny izany dia mpandika lalàna daholo.
Fa miaraka @ i YAHOSHUAH tsy mpanota intsony; tsy mandika ny lalàn'i Yahoshuah
167. rougenoir ( 09/07/2017 14:29)
Fa izao no fitiavana an Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny,ary tsy mavesatra ny didiny.(Ijaona:5:3)
Tia anao Jesosy ka mba porofoy koa @ fitandremana ny didiny fa tsy mavesatra izany fa aza matahotra RA-TAN a!
168. rougenoir ( 09/07/2017 15:08)
Fa izao no fitiavana an Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny,ary tsy mavesatra ny didiny.(Ijaona:5:3)
Tia anao Jesosy ka mba porofoy koa @ fitandremana ny didiny fa tsy mavesatra izany fa aza matahotra RA-TAN a!
169. RA TAN ( 26/07/2017 11:13)

rougenoir:

Tia anao Jesosy ...

Tsy io teneninao io n anaran'ilay zanak'A/tra fa YAHOSHUAH. Jiosy izy dia anarana jiosy ny anarany
170. RA TAN ( 26/07/2017 11:37)
rougenoir:

Fa izao no fitiavana an Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny,ary tsy mavesatra ny didiny.(Ijaona:5:3)

Ny lalàn'i Moizy (didy 10) anefa MAVESATRA:

ASA,15:5 Fa ny mino sasany izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa nitsangana ka nanao hoe: tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Moizy.
... 7 nitsangana Petera ka nanao hoe ...10 Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?

Jereo fa tena bedin'i Petera ireo mpampitandrina didy folo.
171. RA TAN ( 26/07/2017 11:57)
Fa hoy i Yahoshuah hoe:

MATIO,11:28 Mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy vesaran'ny lalàna, fa Izaho hanome anareo fitsaharana. ... 30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

=> Hesorin'i Yahoshuah ilay didy folo zioga mavesatra ny dikan'ireo teny ireo.

Teo @ hazo fijaliana i Yahoshuah no nanaisotra sy namotika an'ilay didy folo:
EFES,2:15 Nofoanan'i Yahoshuah ny lalàn'ny jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny
172. RA TAN ( 26/07/2017 12:14)
Rafitra efa nialan'A/tra iny lalàn'i Moizy na didy folo iny (fanekena taloha iny).

Fa efa FANEKENA VAOVAO indray izao no ahafahana miaraka @ A/tra.

Ny tenin'ny apostoly (1KOR,14:37) sy ny tenin'i Yahoshuah (JAONA,12:49,50) no didy arahina aty @ fanekena vaovao.
=> Didy ilay "EFES,2:15" dia tsy azo lavina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3426