Mikasika ny finoana

21. RBNIR ( 04/04/2017 15:32)
Inona no manakana anareo tsy hitafy ry endriny?????
22. rhaj0 ( 04/04/2017 19:30)
HOno ho'a ry RBNIR, tena mba tiako ho azoko tsara ny fandraisanao ireo soratra ao @ Baiboly ireo (na koa soratra @ ankapobeny ao @ Baiboly).

Eto ohatra izany, dia ireo "olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra (..) nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana", dia kisarisary, na hoe "allegorie" hoy RKjeanclaude izay, fa TSISY kianja namoriana ny olona (an'alin-kisa) izany, miaraka @ izany "Zanak'ondry" mitingitingina ambony "seza fiandrianana" izany etsy anoloana.

Fa raha mbola "mi-imaginer" ny zaza ara-pinoana (sasany), ka hoe, tena toa ny mihaohao toa ny ao Antsonjombe izany ny vahoaka @ izay andro izay, na koa hoe, toa ny ao @ Place St-Pierre ao Vatican, miaraka @ Papa etsy anoloana, dia tena TSY mahay (mamaky) Baiboly ireto Zaza ireto, fa DISO izany.

Izay ve ilay izy?

23. RBNIR ( 05/04/2017 04:57)
ilay Zanak'ondry dia manambara an'i Jesosy, « ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra! » (Jaona 1:36)
24. rhaj0 ( 05/04/2017 14:51)
Ka ahoana ny fandraisan'i RBNIR azy izany ee?

1- mihaohao any ho any ve ny olona an-davitrisany, miankanjo fotsy, dia etsy aloha Andrmntra, dia eo ambany ankavanany izy teo Jesosy?
Tena présence physique eo mihintsy izany rehetra izany.. h@ akanjo dia tena miakanjo fotsy rebareba ireto olona

2- sa, allegorie kisarisary na ara-keviny fotsiny io description io, ohatra hoe ilay "akanjo fotsy", fa ny tena izy dia .. ny "fanahy" marobe no mihaohao mameno ny erana, ary i Andrmntra sy Jesosy, izay mbola "fanahy" koa, izy roa lehibe ireo no hotry ny hoe miahy ny rehetra eo.


Mba lazao ilay fahazoanareo iliay izy ry RBNIR a... nareo mantsy tena mahalala, dia mba zarao @ tsy-mahalala eee...
25. RKjeanclaude ( 05/04/2017 15:27)
mba lazao ny tsy mahalala sa mba teneno iadian-kevitra e!? Ny siantifika anie mahitsy (honnete) e!
26. rhaj0 ( 05/04/2017 16:08)
Tia ahalala tsara alohan'ny iadiana hevitra kah.. manjary tsy mitombona ny resaka raha ilay resaka tsy azo akoriny.

Fa mihodikodina i RBNIR eee... toa tsy fantatrao akoriny inona no (tokony) inoanao.

Ohatra iray koa, rahefa hanontaniana ry RBNIR hoe, ka mahita/mahare an'Andrmntra hono izany i RBNIR ao, nefa toa TSY vitany akoriny no mitantara hoe, toatoa ny ahoana izany hitany sy reny izany.

Esy ee ry RBRNI. Menatra ny finoany ihany kay i RBNIR ity rahefa atao ny kaonty, ka dia io mihiboka mitelina ny lelany io. F'hita fa finoan-jazabodo, hehezin'ny Ankizy ity izy, koa mbola mikiri-biby ny hino hino ao foana. Izao tsy mahasahy mijoro @ finoany akoriny..


Fa défier-ko ianao ry RBNIR aaa... tena TSY fantatrao akory ho'a ny (tokony) inoanao ao.
Asehoy eto raha tsy izany ... :-)
27. RBNIR ( 05/04/2017 17:45)
Efa noteneniko teto kosa ny antony tsy hamaliako ny olona eto ry rhajo a!

Antony 3 hoy aho,

1- Mety manaratsy ilay olona izay dia aleko mangina araka ilay teny hoe « tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. » (1 Petera 3:9)

2- « Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio 13:11)

Misy zavatra izay tsy natao holazaina eto fa raha te hahafantatra ianao dia midira amin'ny lalina kokoa

3- « Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. » (Titosy 3:9)

Fanontaniana adaladala ilay izy na koa tantaram-pirazanana tsy hita lany ka "tsy mahasoa sady zava-poana e!
28. rhaj0 ( 05/04/2017 18:03)
hi hi hi... izay ve no mba tsongolo-batita hitanao ry RBNIR?

Dia nefa etsy ambony etsy ianao toa aviavy, mamely an'i Endriny hoe : "Inona no manakana anareo tsy hitafy ry endriny?????"

Kay izany i Bebe RBNIR ka tena mino fa tena mitafy lamba rebareba fotsy ny vatany rahefa rahatrizay miatrika ny Zanak'ondry izy RBNIR, aorian'ny fahafatesany

Kanefa indray, toa ilay nofo efa lO kay tavela ao ambany rangolahy. Dia atao ahoana izany io lamba rebareba fotsy pasohanao ao an-trano io ry RBNIR???

esy eee... :-)
29. RBNIR ( 06/04/2017 06:51)
tandremo fotsiny mody miditra antsokosoko any ianareo ry rhajo sy endriny ka tsy mitondra ilay ankanjo fitondra amin'ny fampakarambady....
Sao mantsy mahazo izao teny izao ka ho sina any...
« Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. » (Matio 22:11)
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Matio 22:12)
« Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Matio 22:13)

30. rhaj0 ( 06/04/2017 12:34)
legoza... dia rahefa tsy (mahatakatra) @ akanjo fotsy rebareba izany dia tena asian-dry mitapison ny "Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina" ..

Izany tena fampithorana... zaza eny @ garabola... Dia mbola koditra h@ ilay lehilahilehibe @ izao 2017 izao..

hi hi hi.. ho tadidiko io 22:11 io, ary ho tantaraina @ ankizy.. rahefa mitady hiankanjo tsimetimety izy...

Tohizo fa mampihomehy ry RBNIR aaaa ... :-)
31. RBNIR ( 06/04/2017 13:07)
ngah moa ilay izy vidina fa tsy maimaipoana????
32. RBNIR ( 06/04/2017 13:08)
sady zaraina ho an'izay tia???
33. rhaj0 ( 06/04/2017 13:21)
Ka raha nahangona 1/10-karenan'olona kosany anie ianareo ry RBNIR, tena mba akanjo fotsy rebareba izany no .. tampim-bava ee...
Dadany ireto mpisoloky ireto kah..
34. rhaj0 ( 06/04/2017 13:21)
Ka raha nahangona 1/10-karenanèolona kosany anie ianareo ry RBNIR, tena mba akanjo fotsy rebareba izany no .. tampim-bava ee...
Dadany ireto mpisoloky ireto kah..
35. RBNIR ( 06/04/2017 13:30)
merci rhajo a! resaka hafa ny hifanaovana dia lasa resaka hafa ny iafarany???
36. endriny ( 06/04/2017 13:31)

RBNIR:

Inona no manakana anareo tsy hitafy ry endriny?????


Izaho indray tsy miboridana ka. Vao androany aho izao no avy nividy fripy teny amin'ny 67 koa.
37. rhaj0 ( 06/04/2017 14:04)
hi hi hi.. tsy matiko lolo ilay Andrmntra @ (imagination-n'ny) Kristiana ito.

Ka io izany, na i Andrmntra azany, t@ fotoana namoronany ny Lanitra sy ny Tany ary ny Masoandro sy ny Volana, dia TSY miboridana fa efa nanao .. fripy made in China :-)

38. RKjeanclaude ( 07/04/2017 06:41)
ngah moa efa nisy olona talohan'ny nahariana masoandro ?
-raha eny, diniho tsara aloha ny baiboly
-raha tsia, fafao aingana io sary io.
iza koa ary ny pendipendina nametaka an'io eto!? :) :D :)
39. rhaj0 ( 07/04/2017 12:41)
Izaho angaha no namorona io sary io fa tsy ny Kristiana namanao ihany eee... maninona no asain'i RKjeanclaude ho "fafana haingana"?? Mahamenatra angaha ny ato sy inoan'ny Kristiana namanao, izay "Havanao ao @ Tompo" ??

Ataovy sary eto azany ny "kisary marina", araka ny fahaizana amam-pahalalan'i RKjeanclaude ee...
40. endriny ( 07/04/2017 13:22)

RKjeanclaude:

ngah moa efa nisy olona talohan'ny nahariana masoandro ?


Ianao koa ity toa lalina, ka raha tsy nisy olona talohan'ny nanamboaran' Atra an'izao tontolo izao, dia ahoana moa no ahafahany mitantara ny Genesisy?

Sady ianao ihany koa aza no nilaza fa efa nisy olona hafa ankoatran'i Adama sy Eva tamin'izany araka ny Genesisy hoy ianao ihany.

Sady mety alegorika koa ange io sary io e. Atra bokony be ohatran'i Jean kelibe Malacam
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6749