FA HANDOSITRA HO AIZA ISIKA E????

21. rhaj0 ( 29/03/2017 02:07)
Ry Ingahy Laksia isahy no mifanalavitra. Ao anatin'Ingahy Laksia no misy kintana izay (mety) lasa lava-mainty.

Aiza ho aiza @ io no tsy mitombona aminao ry RKjeanclaude?


Fa ireo aloha dia TSISY ao anaty Baiboly; izany angamba no mahatonga fa tsy azo(azo)nao ny resaka. Fa raha ampiasainao ny coco-nao, dia hiombo-kevitra @ ireo nandroso ny teoria koa ianao ee...
22. endriny ( 29/03/2017 03:49)

RKjeanclaude:

io lava-mainty ekenao io koa (satria efa hita(nao) t@ famelabelarana ara-petra-kevitra) fa manohitra ny lalànan'ny fitaran'erana e!


Fa anagaha tsy voazavan'ny Avarapianarana Jean Claude ilay izy.

Avereno ny String Theorie: "sintony hihenjana ny lastikan'ny silipo dia ho hitanao fa miha lava ilay izy, saingy miheny ny hateviny" ampio sira kely amin'ny "kajin'angovo" raha tena manahirana be.

"Tsy misy ny fiforonana ary tsy misy ny fahalevonana fa ny eo ihany no mitsingerina"
23. volafitia ( 29/03/2017 21:47)
Manidina be koa ity lohahevitra ity.

Ilay mpitondra lohahevitra ve dia mino an'ity antsanga tsy aman'orana lazain'ny vazaha rehetra amin'ny internet ity e?

Tena mampalahelo ry ireto raha izao no mba fomba fampiasana ny fahalalana a!
24. RBNIR ( 30/03/2017 08:28)
volafitia:

Ilay mpitondra lohahevitra ve dia mino an'ity antsanga tsy aman'orana lazain'ny vazaha rehetra amin'ny internet ity e?

Ireo rohy nataoko ireo aloha dia marina (tena efa novaliden'ny Amerikana ny projet handefasana olona eny amin'ny planeta mars, sy ny projet entina mandalina manokana momba ny trou noir)

P.S : Ny fahalalana rehetra tsy voatery hoe diso daholo fa misy dia misy tokoa zavatra efa hitan'ny manampahaizana ankehitriny (saingy Jesosy dia efa nahita izany tamin'ny taona 0 e!)
25. RBNIR ( 30/03/2017 08:32)
Ohatra i JEsosy dia tsy nisakana ny olona tsy hihinana fanafody....« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; » (Lioka 5:31)


Tamin'izany dia efa neken'i JEsosy ny fisian'ny medecin.....mpanao fanafody......ary nekeny fa manasitra izy ireny,

Ny hoe kristiaina ange tsy hoe mikatona e, fa rehefa hita sy voaporofo fa marina ny zavatra lazain'ny siansa dia tokony hanaiky ny kristianina satria izay no fahamarinana....
26. RBNIR ( 30/03/2017 08:44)
misy kosa anefa mbola tsy takatry ny sain'olombelona (ohatra ny mampisy ny tsy misy)

Dia izay mahafantatra an'Andriamanitra dia mino, izay tsy mahafantatra Azy kosa dia mazava loatra mbola misy ny misalasala, mbola misy mihitsy no mandà (araka izay zavatra fantany io)

Saingy izaho tsy kivy satria efa manomboka haseho ankehitriny fa kay misy intelligence supérieur lavitra noho ny an'ny olombelona tonga tety 2000 taona lasa izay...Ary ny zavatra hitan'ny siansa ankehitriny no manamarina ny faminaniana rehetra izay nataony fahiny.....

Raha tsorina dia 2000 taona lasa aloha lavitra amin'ny fahalalan'olombelona ny fahalalany raha kely indrindra.......
27. RBNIR ( 30/03/2017 09:34)
Minimum 2000 ans en avance ilay intelligence (raha kely indrindra) mihoatra ny an'ny olombelona....
28. irakiraka ( 30/03/2017 09:51)
Mbola miketrika mafy ra olombelona ee, tsy manaiky satria nomena saina, nomena fahalalana (na dia voafetra ihany aza)...
Ny ahy, (tsy sasatra aho mamerina) hoe sambatra ny olona tena mino an'i Jesosy ee. Mino ny Tenin'Andriamanitra (satria afaka miomana). Mety hoe adala ny fahitanao azy fa ho avy ny andro, hahita, ahatsapa ireo tsy mino fa kay izao tontolo izao dia Dieu no mamehy azy. (indramiko kely io voalaza hoe intelligence supérieure io: Dieu nge io ee)
Ary ny mampalahelo dia tsy mahafantatra akory hoe misy complot goavana, avo lenta anie ao ambadika ao. Ary tsy mbola intelligence humaine akory no miasa @ zany fa ilay efa nanao défi an'i Dieu hatr'zay hatr'zay.
29. endriny ( 30/03/2017 15:38)
Ary tsy matahotra afobe intsony angaha ny olona no ampitahorina amin'ity indray. Mafy ihany ity fitadiavana kila ity, ka tsy maintsy ampiasaina daholo ny tranga rehetra hanambakana ny namana.
30. rhaj0 ( 02/04/2017 09:48)
irakiraka:
Ny ahy, (tsy sasatra aho mamerina) hoe sambatra ny olona tena mino an'i Jesosy ee

Tsara izany raha "sambatra" ianareo ee... Fa tsy izay "tena mino an'i Jesosy" ihany no tena sambatra.

Fa dia, raha teriterenao ampidirina @ pataloha terinao ny olona, satria hoy ianao Irakiraka hoe, izay no maha-sambatra (anao), dia ... handrabiraby anao (eto) foana koa ny olona ee....
31. irakiraka ( 03/04/2017 06:39)
Zany? Efa fantatra ki zany alohan'ny idirana teto an :)
Hoy ny voasoratra:" Toy ny ondry hovonoina no fijery anay"
Na zany aza, tsy misy faneriterena zany eo fa malalaka ny safidy. Fa raha hisafidy ihany aho dia aleoko misafidy ny Tena Fiainana ee. Misy karazany mantsy ny fiainana: fiainana mitondra hasambarana vetivety, fiainana mitondra vahaolana tsy maharitra, dia misy ny Fiainana be dia be (Io ilay ao @ Jesosy)
32. rhaj0 ( 03/04/2017 11:41)
Io indray k'lou, asa raha takatrao ihany, fa ny "ampanantenana" anao, dia tena "tsisy (nahita)". Ka raha "mandrevirevy" an'izany ao izany ianao, dia, raha izay no mahasambatra anao ao, dia reveo ao izany kouh.. efa vita vaksiny ianao ao

Fa rehefa ny hafa no rebirebenao hirevirevy (lava) miaraka aminao ao, indrindra moa raha ny Ankizy no sarisarihanao, dia arojonao ao, dia... non-assistance de personne en danger (de mandrevirevy miani-kazo) ilay izy, ka dia mila miteny ihany ny mpijery eee... dia aza gaga ary aza tezitra ee... ny mahasoa anao sy ny Ankizy no hitenenana. Isaoranao ihany (zahay) any aoriana :-)
33. irakiraka ( 04/04/2017 11:22)
Somary mifanohitra ihany.
Ny fanaovana ny ara-panahy ho tsinontsinona no ahitan-doza. (Satria na mino na tsia, tsy mampiova ny efa voasoratra)
Ka anisan'ny antony handraisana anjara eto dia manatanteraka ito Tenin'Dieu ito:" Mananatra ny mpanohitra... fa ngamba Dieu hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina...ka hody ny sainy" 2Tim2:25-26
Ary tokony mampatezitra ve raha ny mpanohitra no mamingavinga, mandrabiraby? Tsia. Mampalahelo aza izy ireny fa tsy fantany izay ataony.
34. rhaj0 ( 04/04/2017 12:12)
irakiraka:
na mino na tsia, tsy mampiova ny efa voasoratra

rhaj0:
Tsy mahakasika anay (tsy-mpino) ny finoanao (mpino)..
(na hoe, izay finoanao ao, n'engage que celui qui y croit.)

Ka dia mitokona eo izany isika eee... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0949