INONA NO TANJON'NY FORUM???

1. RBNIR ( 17/03/2017 11:02)
Amiko manokana dia ity....

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)

1- Fampianarana,
2- Fandresen-dahatra
3- Fanitsiana izay diso
4- Fitaizana amin'ny fahamarinana

Koa aza raisina mihitsy hoe:
* fitsarana (tsy misy didim-pitsarana mivoaka eto manameloka n'iza na iza)
* fanaratsiana (tsy hisy anarampiangoana ho voatonona eto raha ny tenako manokana aloha)
* fanambaniana (izaho manokana dia efa noferan'i Jesosy mafy mba tsy hanao ny tenako ho hendry noho ny hafa mihitsy.....)

Tsy maninona kosa raha
1 raisinao hoe fahabadoana (vao maika aho faly satria voalaza fa lehibe dia lehibe ny valisoa miandry ahy)
2 na dia tsy handray aza ianao manamafy an'ity teny ity izay ary manaporofo amiko fa mizotra amin'ilay làlana tena izy tokoa aho fa tsy diso làlana tsy akory... « Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
2. endriny ( 17/03/2017 13:42)
Fa hono tokoa ho'a FORUM ve ADY HEVITRA sa FANEHOAN-KEVITRA sa DINIKA....?

Fa maninona no ao amin'ny Baiboly ny valin'ny tanjon'ny FORUM ry RBNIR? Angaha tamin'izany efa nisy FORUM sy dinika serasera moa?
3. rhaj0 ( 17/03/2017 14:15)
Ny tsikaritro azany, dia misy no mihevitra fa toa ny any am-piangonana ny eto @ forum, ka dia

1- ao ny mihevitra fa mitory teny hono izy eto. Tsy mila valiana na iadiana hevitra ny kabariny; na koa tsy valiany ary iavonavonany akoriny ianao raha mba manontany

2- ao ny mihevitra fa mihaino tori-teny izy eto, ka raha manomboka mba miady hevitra ianao, dia hotry ny hoe dia maniratsira na hoe hors sujet, ary misy mikitakita mampangiana ankolaka

3- ary ny pire azany, dia ataony fa toa ny ao am-piangonaNY, hoe, ao @ fiangonany protestanta-ny ao ity Forum ity, ka raha vao miresaka ohatra ny Katolika, dia dedain giravibe no betsaka

4- ry secte toa an-dry yahoshua sy hrnrn azany moa, dia tiany anaovany propagandiny ny eto


Fa raha ny fahitako azy, malalaka ny sehatra ee... (raha ohatra ka OK @ izany i Hery). Forum ity, ka dia afaka miteny izay tiany tenenina, afaka manao izay tiany atao (rahefa manaja ny napetrak'i Hery) dia io mifanerasera sy mifanakalo io.

Samy olon-dehibe daholo ary dia izay resaka sy ataonao eto dia .. ho voninahitrao sy izay inoanao ao, ka inona moa...
4. lahindroy ( 17/03/2017 19:28)

akory jiaby

forum = toerana ifanakalozan-kevitra malaka ka na jiosy ianao , na silamo , na kristiana , na boudista , na hindouista , na mpanadia ny finoan-drazana , na tsy mpino ny fisian'Andriamanitra mpamorona ...dia samy afaka manao ny heviny (amim-panajana raha azo atao) sy miaro izay tiany harovana

5. endriny ( 20/03/2017 04:16)
Talilio Lahindroy a
6. RBNIR ( 20/03/2017 04:29)

endriny:

Fa hono tokoa ho'a FORUM ve ADY HEVITRA sa FANEHOAN-KEVITRA sa DINIKA....?

Fa maninona no ao amin'ny Baiboly ny valin'ny tanjon'ny FORUM ry RBNIR? Angaha tamin'izany efa nisy FORUM sy dinika serasera moa?

Satria eto amin'ny fivavahana sy finoana aloha no misy antsika ry endriny...
7. RBNIR ( 20/03/2017 04:42)
rhaj0:

3- ary ny pire azany, dia ataony fa toa ny ao am-piangonaNY, hoe, ao @ fiangonany protestanta-ny ao ity Forum ity, ka raha vao miresaka ohatra ny Katolika, dia dedain giravibe no betsaka

Afaka mijoro tsara amin'ny convictionao koa ianao dia afaka manao otran'ny any antsena raha tianao.....

Dia ny ankizy no mitsimpona izay tsimponiny eo e!!!!
8. irakiraka ( 20/03/2017 09:45)
Izay rehetra efa nandray an'i Jesosy tokoa nge ka hananan'olona trosa. Ny trosa tsy maintsy efaina. Tsy inona zany fa ny filazantsara. @zao andro farany zao,ra losifera miezaka mafy @ zao manao izay hampavariana ny fo, ny saina, ny fanahy koa aona mintsy no tsy hikely aina koa hitaona ny olona hijoro tsara, hiverina ho an'i Jesosy?

Mety misy olona roa na telo na maromaro manohitra,fa ny zava-dehibe dia:
1/ Ianao manana fasahiana manambara ny fahatsaran'ny Tompo.
2/ Misy @ ireo mpitsidika ireo nge ka, ianao manambara an'i Jesosy no andrasany mba hanolorany ny fony ho an'ny Tompo.
3/ Dia ity no tena tiako be koa, Hoy Jesosy hoe :Na hoatrinona na hoatrinona no laninao dia honerako, rehefa miverina aho". Izaho manao ny asa nampanaovin'Tompo io nge ka ahazo valim-pitia lehibe avy any aminy e. Tsy ahôko izay mety vavan'ny olona fa Jesosiko no banjiniko. Mila ahy ny Tompo.


9. rhaj0 ( 20/03/2017 11:11)
Ny an'ny Kristiana (borné) anie, dia ny ataony hoe "fivavahana sy finona" dia Kristianisma ee... Ary mety akatony @ Protestantisma akoriny aza... Ny an-dry RBNIR moa dia Herinirisma.. Ny sisan'izay ho'a, na dia samy avy @ havany ao @ Tompo ao azany, dia tena .. dédain be izay manao ahoana.

Ka rahoviana no hitranga
Asa angamba atsy ho atsy
No hisoka-tsaina i Rakrisy
Isika tsy ho lany vatsy
10. irakiraka ( 20/03/2017 11:54)
Dia nikaroka aho, dia nikaroka aho, tsy misy, tsy misy.....
Dia nitady aho, dia nitady aho, tsy misy, tsy misy......
Tsy misy tahakan'i Jeso,......
Tsy misy tahak'aaazy........

Raha izaho tokoa Jesosy dia ambarako eran-tany sy lanitra fa tsy misy tahak'Anao ee.
Ianao no Tsara indrindra. Manana anao tena manana vatolampy fialofana.
Manome fiadanana, manome fiainana, manome fifaliana, manome fanantenana (lava ny lista)

Manana aho, Tompo ô fa manana Anao....
Niova ny fiainako, Tompo ô tao aminao....
Tsy nanenina aho ra nandray Anao....
Tsy ho toy izao ny fiainako,....
Raha tsy tao aminaaaaaao.....
11. RBNIR ( 20/03/2017 12:14)
rhaj0:

Ny an-dry RBNIR moa dia Herinirisma.. Ny sisan'izay ho'a, na dia samy avy @ havany ao @ Tompo ao azany, dia tena .. dédain be izay manao ahoana.

Dia tena mampalahelo izany raha tsy mba hitanao mihitsy Jesosy amin'ireny hafatra ireny rhajo....
12. rhaj0 ( 20/03/2017 12:35)
i Jesosy mampiady anareo samy Kristiana no "tsy hita mihintsy" kouh.. :-)
13. RBNIR ( 20/03/2017 12:44)
rhaj0:

i Jesosy mampiady anareo samy Kristiana no "tsy hita mihintsy" kouh.. :-)

Sao dia mba ireo Jesosy hafa voasoratra ato no mampiady fa tsy ilay Jesosy tonga teto fahiny???
« Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany! » (2 Korintiana 11:4)
14. endriny ( 20/03/2017 13:38)
RBNIR:


endriny:

Fa hono tokoa ho'a FORUM ve ADY HEVITRA sa FANEHOAN-KEVITRA sa DINIKA....?

Fa maninona no ao amin'ny Baiboly ny valin'ny tanjon'ny FORUM ry RBNIR? Angaha tamin'izany efa nisy FORUM sy dinika serasera moa?

Satria eto amin'ny fivavahana sy finoana aloha no misy antsika ry endriny...


Dia ataovy ohatran'ny ao amin'ny baiboly aza izany koa: "Tsy misy ady hevitra, fa ity ny didy dia ity, manaiky ianao any an-danitra, tsy manaiky ianao any amin'ny afobe mandrakizay mandrakizay doria doria amen"

Sa ny fampianaran'i Jesosy misy ady hevitra koa moa sa misy dinidinika?
15. rhaj0 ( 20/03/2017 17:57)

rhaj0:
i Jesosy mampiady anareo samy Kristiana no "tsy hita mihintsy" kouh.. :-)

RBNIR:
Sao dia mba ireo Jesosy hafa voasoratra ato no mampiady fa tsy ilay Jesosy tonga teto fahiny???
« Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany! » (2 Korintiana 11:4)

Ka justement i Korintiana (izay nosoratan'i Paoly) indrindra no tena m(p)anilikilika ny "Havany ao @ Tompo"... Tena mitoky tena be i Rapaoly ary dia mihizinginzina fa izay "notorianay" (ao @ Korintiana) ihany no tena izy an...

I Jesosy en personne azany tsy niteny hoe, izao no tena izy.. Nisy fotoana Izy mba niteny hoe, Izy koa aza mba tsy mahalala..


Efa lazaina foana i RBNIR hoe, ataovy eo foana moa ny mivavaka @ Paoly, fa rahefa hiharan'ny hatezzeran'ny Tompony ao ianao ange vao gaigy ao...

(hi hi hi.. tsy hainao raha tena "planiNY" mihintsy anie izao resaka izao, ampatonga saina anao :-)
16. endriny ( 21/03/2017 04:37)
Mba tadidio ihany ilay Calpirnius Piso e. Izy mantsy no tena nanoratra ny testamenta vaovao.
17. RBNIR ( 21/03/2017 06:11)
mba fantatr'i rhajo v hoe iza ireo mitory Jesosy hafa???

Ireo rehetra izay mampiasa ny tenin'i Jesosy nefa manolana izany teny izany amin'ny hevitra hafa.....

Mody miditra miresaka momba ny fivavahana izireo nefa "tsy misy finoana akory ao anatiny na dia kely aza"....

Avy eo dia mihezaka ny mampitabataba ireo mpanompon'i Jesosy (misintona lakilosy hoy ny filazan'ny olona mpanao forum izay).....

ny bokin'i Joda no mamintina sy mampibaribary ny toetran'izireo.....Izy ireny dia sahy manambany an'i Jesosy (ILAY MANANA VONINAHITRA!!!) eny sahy miteny ratsy mihitsy aza indraindray....

« Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika] » (Joda 4)
« Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino. » (Joda 5)
« Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. » (Joda 6)
« Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7)
« Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3] » (Joda 8)
« Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". » (Joda 9)
« Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. [* Na: andotoany] » (Joda 10)
« Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy. » (Joda 11)
« Ireo no harambato voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina] » (Joda 12)
« onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina. » (Joda 13)
« Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina » (Joda 14)
« hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy." » (Joda 15)
« Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra. » (Joda 16)
« Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; » (Joda 17)
« fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. » (Joda 18)





18. RBNIR ( 21/03/2017 06:22)
Ireto indray kosa dia hafatra ho an'ireo "malala" mpanompo mahatoky ao amin'i Jesosy....

Ny asan'ireo mpitory Jesosy hafa ireo dia ny hanala anao amin'ny finoana izay voatolotra in-dray mandeha monja.....

Koa izao no hafatra "ry malala isany"....

« Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina. » (Joda 3)
« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; » (Joda 20)
« ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. » (Joda 21)
« Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] » (Joda 22)
« ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza. » (Joda 23)
« Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, » (Joda 24)
« ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. » (Joda 25)
19. rhaj0 ( 21/03/2017 11:42)
RBNIR:
mba fantatr'i rhajo v hoe iza ireo mitory Jesosy hafa???

Efa hoe i Paoly no mampiresaka an'ireo, hanamarinany ny tenany, hanandratany ny tenany, fa "tena izy" hono izy.

Dia misaotra an'i RBNIR izany manipika, fa kay efa ao anaty Baiboly ao mihintsy ny fifanilikilihana @ samy "mpianatr'i Jesosy".. Ilay hafa iretsy anefa mba tia an'i Jesosy @ fony sy sainy (saim-pantany) koa, fa dia no-demoniser-n'i Paoly eeee...

Ka tsisy "havana ao @ Tompo" daholo izany kay izany, fa ny "ady lova" no zava-dehibe.

20. endriny ( 21/03/2017 13:25)
I Paoly.
lay mpisandoka ho apostoly
no nanoratra nivily
ny baibolin'i RBNIR

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1853