aiza ho aiza marina tokoa moa izao ny fandehan ilay fanadihadihana momba ny raharaha tany Antsakabary ireny

1. ravatorano ( 11/03/2017 07:31)
Raha ny vahoaka voalaza fa namono ireo polisy roa izay tonga nanao"enquĂȘte" sy"nanotra"'izay tsisy afaka tena hanaporofo an'izany aloha fa minoa fotsiny ihany hihihih) dia efa nisy dimy no voatazona amponja miandry ny tena fitsarana azy.Raha nijery ny reportage nataon dry Fetra tao amin'ny Viva ny tenako alina raha ny zap tv dia gaga tokoa tamin'ny fijoroana vavolombelona nataon ireo mponina tany fa hoe ny polisy no nandoro sy nampandro ny tanana (tenin ilay kartie mobile io na dia tsy nety nandoro ny tanana aza izy satria havany ireo ary koa tsy handoro mihitsy izy na ho vonoina eo aza) Tena nahaontsa tokoa aloha nahita ilay reportage misy tovovavy "nolalaovina" ny tovolahy sy izay tratra dia nampanaovina seza rivotra nasaiana nadohalika elabe ary nampanaovina dia amin ny lohalika iny ka niendaka sy ny hempaka ny hoditry ny fatitra amin ilay lohalika ! tena loooooooza an !
Santionana ireo fa maro ny tsy voalazako eto satria tena mila mijery ilay reportage mihitsy aloha!
Ny mahagaga ahy koa dia nahoana no ny Viva irery ihany no nadeha tany fa taiza ny sasany za miandry tataka amin izay vaovao mety ho azo avy any d manisy sira sia ??????????
fa chapeau aloha ho an i Fetra na dia tsy d mpijery Viva loatra aza aho dia tsapako fa nisy nisainanna iny !
Avoahy ary ny anaran ireo polisy 42 nandeha nanao mission tany Antsakabary ????? mba hahalalana marina hoe ireo ilay polisy nandoto ny "corps" misy azy.Tsy ny polisy rehetra akory no ratsy fa misy foana no mihevitra azy fa ambonin ny lalana rehefa mitondra basy !
novalian'i endriny ny 24/03/2017 13:20
2. endriny ( 24/03/2017 13:20)
Ilay 400 lahy voatazona any Antsohihy no anaovana famotopotorana hono dia ampy koa.

Ny mahavariana dia tsy re feo hatramin'ireo sehatra iraisam-pirenena mpivazavaza zon'olombelona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2192