mahereza ry rahalahy

1. irakiraka ( 15/02/2017 09:10)
Mankahery manokana ny rahalahy rehetra eto. Isaia 62:6 "Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mampatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
novalian'i rhaj0 ny 28/02/2017 14:40
2. endriny ( 15/02/2017 13:47)
Misaotra Tompoko!
3. rhaj0 ( 15/02/2017 14:26)
Ary ahoana ny ranabavy eto ry Irakiraka aa..

Raha izany, dia izaho indray dia mankahery manokana ny ranabavy (sy rahalahy) rehetra eto. Mijoroa ary aza manaiky ho tsindrian'ny lehilahy intsony koa ohatra, fa TSY mitombona intsony ilay hoe, "ny lahy no lohan'ny vavy". Tsinjovy ny zandry sy zanakao ao mba tsy hivarina intsony @ izany fahamaizinan-tsaina izany. Efa 2017 ny taona.
4. endriny ( 16/02/2017 05:54)

rhaj0:

Ary ahoana ny ranabavy eto ry Irakiraka aa..


Eto Madagasikara kosa tsy misy miteny izany rahalahy sy ranabavy izany afa tsy ny olona eto Imerina sy ny ampahany amin'ny Betsileo e. Ny foko hafa rehetra tsy miteny afa tsy "rahalahy" na "mpirahalahy".
5. irakiraka ( 16/02/2017 06:36)
Mpirahalahy isika rehetra ao @ Tompo. na dia vehivavy aza ny tena manoratra:)
Mahereza rahalahy manambara an'i Jesosy. Tena tian'ny Tompo anie ireo fanahy marobe mbola alavitra azy ireo. Tsaroako ilay fanoharana nataon'i Tompo Lioka 15:4 "Iza moa no olona ao aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny 99 any an'efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy"
Tsy tian'i Jesosy ho very tokoa na dia iray aza. Ka nalatsany ny ràny ahatonga antsika ho voavela heloka. Isika no ratsy sy mendrika ny fijaliana rehetra nefa Jesosy no nanaiky hatr@ ny fahafatesana ahazoantsika fiainana. Nankasitrahan'Dieu izany ka natsangany t@ maty Jesosy. "Ary tsy misy famonjena @ hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona, izay ahazoantsika famonjena" Asa 4:12

6. Strong3 ( 16/02/2017 07:05)
ahalany ny fanadrohadroana avy amin'i Rhajo eto ve moa ry rahalahy :) :D

mety mpiasan'ny radio mihitsy ny talentan'izy io hihihihi .... :D
7. rhaj0 ( 16/02/2017 11:48)
Na izany na tsy izany, efa 2017 izao ny taona, fa dia raha izaho aloha dia mitrotro (an'eritreritra) ny ranabavy sy reny ary zanaka vavy foana..

Ny anay aty Kanada dia tandremana toa ny anakandriamaso foana ny vehivavy.. Ary efa mandeha ho azy ny fitsipi-panoratana toa ny docteure sy ingenieure (misy e @ farany)

Mba takaro ihany ho'a, fa efa 2017 ny taona, fa farasisan'ny machisme sy paternalisme ary infantilisation-n'ny vhv io "fomba" io.
8. endriny ( 16/02/2017 14:52)
rhaj0:

Ny anay aty Kanada dia tandremana toa ny anakandriamaso foana ny vehivavy.. Ary efa mandeha ho azy ny fitsipi-panoratana toa ny docteure sy ingenieure (misy e @ farany)


Tara be izany ny olona any Kanada raha izany. Ny anay eto Madagasikara na ny taninay aza efa nantsoin'ny razanay hoe FIRENENA, izay RENY no fototeny. Ary ho anay eto dia ny vehivavy efa najaina efa hatramin'ny fahagola fa LOHARANO NIPORIRANA, ka raha mivimbi-mavesatra dia ombain-tanana...

Fa ity moa izany nisy olona tonga nanome fankaherezana dia misaotra no nataoko.
9. rhaj0 ( 16/02/2017 15:18)
marina izany, fa Rafohy sy Rangita no nampianarina ahy tany an-tsekoly.. fa ny deba teo antenantenany toa lahy daholo, dia taty aoriana niverenan'i Ranavalomanjaka..
Fa izao moa dia io iaraha-mahita io, fa tsara-voazanaky ny kristianisma-de-l'an-1900s ao io..
10. endriny ( 17/02/2017 14:58)
Ka efa nisy vehivavy izany e.

Efa nisy vehivavy Praiminisitra ve tany Kanada? tao anatin'izay 100 taona izay?
11. rhaj0 ( 17/02/2017 15:32)
Nisy vehivavy iray Kim Campbell no PM Kanadiana t@ 1993 tany..
Fa ny provinces isan-tokony (etat federaly i Kanada), dia tarihina PM ary dia, @ izao fotoana izao dia misy telo no PM viavy (@ provinces sy territoires 13). Ary ny anay aty Ontario azany, dia i Kathleen Wynne, izay Lesbienne, no PM.

Ny nalaza t@ niakatra i Justin Trudeau t@ 2016, dia 50-50 ny isan'ny lahy-vavy tao @ gvt. Dia nanontaniana izy hoe, fa maninona? dia hoz'izy hoe, "satria 2016 ny taona."


Mbola tolona miaka-piakarana be ny fanajana ny (zon'ny) vehivavy, na dia aty @ tany lazaina fa mandroso aty azany. Izany no mahalikiliky (ahy) isaka ny mipoitra izao " farasisan'ny machisme sy paternalisme ary infantilisation-n'ny vhv" izay lazaina fa "fomba-tsisy-maharatsy" azy lava izao.

Io Trump miakatra io moa dia vao mainka loza.. tena LOZABE!!! mety hilaza ianao hoe, ny ao Zamerika ao ihany no voany, fa miampaka any amintsika ihany koa. Ankoatry ny fiantraikany mivantana, dia na ilay "fisainana" fotsiny dia efa LOZABE... Nangomiko @ bilaogiko ato izany rehetra izany
https://rahampitso.blogspot.ca/2017/01/youve-been-trumped.html
12. lahindroy ( 20/02/2017 11:19)

miarahaba antsika rehetra
mety mahaliana tokoa ity lohahevitra ity ;ny zava-dehibe angamba , raha misy mahalala isika dia ny hoe : tatahakin'ny ahoana ny toerana nisy ny vehivavy teo amin'ny fiaraha-monina (tokatrano , famelomana ny fianakaviana , fitantatanana ny fivavahan-dRazana ...) sy teo amin'ny fitondra-panjakana ola ny lehilahy foana ve no lohany ? talohan'ny nahatongavan'ny finoana kristiana ?
ary inona ny fivoarana misy amin'izao fotoana izao ...2017 izao ? mbola "fanaka malemy" foana ve ? mbola ny lehilahy foana ve ny lohany ? efa bestaka ve sa mbola azo isaina amin'ny ratsa-tànana ny vehivavy lehibe eo anivon'ny orinasa , fiadidina ministera ...?

13. rhaj0 ( 20/02/2017 21:35)
i Kristy ivavahan'ny Kristiana io anie, hono, toa mba manisy sira ny vehivavy ihany indraidray ee...
- Ohatra i Maria MAgdalena..
- Na koa hoe, ireny makorelina ireny.. Ito izao dia variana ny mpandinika hoe, fa maninona i Jesosy miaraka (lava) @ mpamory hetra sy mpanota (makorelina)
- Fa asa koa raha nisy vehivavy moana sy marenina na boka mba navotany indray nefany..

Dia jereo kely Romana 16:7, fa i Joniasa, hono, ka lehibe @ samy Apostaoly.. asa raha Apostaoly notendren' i Kristy izy k'lou, fa ny mahavariana ny mpandinika dia tena toa tsy nasian'ireo nifantina ny lahatsoratra apetraka ao anaty Baiboly ny @ (tahaka an'i) Joniasa.


ka ny fanontaniana dia, misogyne ve i Jesosy, sa ireo nifantina ny lahatsoratra ho apetraka anaty Baiboly no misogyne??

misogyne = manifeste un sentiment de mépris ou d'hostilité, à l'égard des femmes
14. irakiraka ( 22/02/2017 06:05)
Azafady tompoko fa nindrana ny fijerin'ny anjely moa t@ iny hoe efa mpirahalahy isika rehetra ao @ Tompo. Fa ny fampaherezana dia ho antsika rehetra ee, na lahy na vavy. Ary mitodika manokana ho an'ny vehivavy rehetra koa ee. Hoy adama hoe: Ny vehivavy nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.". Isika no loharanom-pitahiana ho an'ny ankohonantsika ee. Ndao isika rahavavy hanome voankazo mitondra Fiainana. Ao @ Jesosy irery ihany no ahazoana fiainana ee. Ny fahendrena, ny fahalalana, ny fahazavan-tsaina antsika olombelona ange dia voafetra ihany fa ao @ Jesosy no misy ny fahafenoina. Ndao Izy no hanoloran-tsika ny fiainantsika e. Ndao hanetry tena manoloana ny fahalebeazany. Izy no Tompon'ny tompo, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny fahefana sy ny hery rehetra. Fotoana izao hiverenantsika rehetra ao @ Tompo ee. Ny ahatanteraka izany: Isika rehetra izao dia mila miaiky fa mpanota ee; mila miala @ fahazaran-dratsy: ny filan'ny maso, filan'ny nofo, fijangajangana, rehaka, tsy fiononam-po,avonavona, tsy famelan-keloka, fitenenan-dratsy...Ary hangataka ny ràn'i Jesosy hanadio antsika ho afa-pahotana ee. Ny famindram-pon'ny Tompo anie no mbola tsy mahalany ritra antsika ee. Ndao hisaotra sy hanome voninahitra Azy fa mbola nomeny tombon'andro ahafahantsika manonitra. Mahereza daholo!
15. rhaj0 ( 23/02/2017 15:56)
irakiraka:
Tompon'ny fahefana sy ny hery rehetra.

Raha IZY izany no tompony, dia IZY izany no tompon'andraikitra ny zava-drehetra.
TSY ho izay TSY manana "fahefana sy hery rehetra" no tompon'andraikitra.

Dia nefa ahoana ilay "zava-drehetra" no toa mivaralila??

Ohatra manaikitra izao, dia zaza malagasy iray (tsy manan-tsiny) no maty isaka ny 10 minitra izy teo.

Aiza izany "fahefana sy hery rehetra" izany no tsy mba manainga ny ankihikeliny, na dia in-1 mandeha fotsiny azany, ao anatin'ny 1 minitra?

Sa moa IZY mbola serina... "manavotra anao" ry Irakiraka ??
16. irakiraka ( 24/02/2017 13:57)
Misy ol te ahita ny Tompo miasa nefa mandà ny Teniny. Tsy mety: "Fa Katsaho aloha fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" Matio 6:33

Aza manome tsiny ny Tompo. Efa vitan'i Jesosy ny famonjena. Rom 8:32 "Izay tsy niaro ny Zanany Lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? "
Fa mila izaho sy ianao aloha no manao hetsika mibebaka miala @ fahotana, mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ahafahan'Andriamanitra Ray mandray an-tanana ny fiainantsika: "Indro ny tanan'Jehovah tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare; Fa ny helokareo no hevitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy" Isaia 59:1

Mahereza isika rehetra fa raha mbola misy fofon'aina dia mbola afaka miantso an'i Jesosy e. Ary tsarovy fa tsy ny fitahiana ara nofo ihany no tanjon'ny Tompo amintsika fa indrindra indrindra ny ahatonga antsika handova ny lanitra. Azon'ny Tompo atao nge raha averina arotsaka 24h indray aza ny mana. Fa ra voky enao nefa ny fanahinao tsy ho an'ny Tompo, inona no dikany? Dieu hendry ny Dieu antsika e. Matokia azy. Atolory azy ny fiainanao. Ary mandalo izao rehetra izao sy ny filany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay" 1Jao 2:17
17. endriny ( 24/02/2017 15:09)
bold textSaika mba hangina ihany fa toa tsy mety ny saina (marary saina angamba aho)

irakiraka:

Misy ol te ahita ny Tompo miasa nefa mandà ny Teniny. Tsy mety: "Fa Katsaho aloha fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" Matio 6:33


Santionany amin'ny fanaovana PMU io. Mividiana dia mety ahazo

irakiraka:
Efa vitan'i Jesosy ny famonjena.


Aoka re Tompoko, marina e. Ao anaty baiboly no milaza fa: "Ny fahafatesana no tambin'ny ota". Midika izany fa rehefa vita ny famonjena dia tokony tsy hisy intsony ny fahafatesana. Ka efa foana ve ny fahafatesana?
NIsy olona nangalatra akoho dia nigadra 10 taona. Telo volana tany am-pigadrana ilay mpangalatra dia hoy ny mpitsara hoe: "be loatra ilay 10 taona igadrana noho ny halatra akoho iray, aleo omena famontsoran-keloka ilay olona". Dia nivoaka ny fonja ilay olona nangalatra akoho afaka 3 volana. Fa tsy hoe nomena famontsoran-keloka ilay olona fa mbola migadra ihany. bold Koa raha ny olom-belona aza mahay mamela ny heloka sy ny sazy toa izany, dia ahoana izany ilay dadan'i Jesosy? Sa tsy tena mesia marina tokoa I Jesosy?

irakiraka:

Rom 8:32 "Izay tsy niaro ny Zanany Lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? "


Ianao ve anisan'ny mino izany fa tsara ny manao sorona ain'olom-belona?

irakiraka:

Fa ra voky enao nefa ny fanahinao tsy ho an'ny Tompo, inona no dikany?


Toa teny fanesoana ny olona noana no fandraisako an'ity teny ity matetika, satria hoy ny Ntaolo hoe: "Raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy". Tsy misy fiadanan-tsaina sy fanahy ao anaty hanoanana izany. Mipeppipepy etsy sy eroa ny Ray aman-dReny mitady izay ho arapaka ao an-trano, eny fa na dia hangalatra aza rehefa tena tsy misy ny azo atao.

Milamin-tsaina sy fanahy ny mpitondra sy ny mpitondra fivavahana rehetra satria tsara tohana ara-tsakafo sy ara-pitaovana

Fa ilay olona noana mba ahoana? Tsy milamina ny sainy sy ny fanahiny ka tsy afaka mifantoka izy. Fehiny na I Jesosy aza nahatakatra an'izany fahavelony. Noana ny olona ka tsy afaka nihaino azy intsony, ka dia tsy miantsy naniraka ny mpianatra nividy mofo sy nanarato izy mba hisakafoanan'ireto olona noana manaraka azy.
18. irakiraka ( 27/02/2017 11:17)
Jesosy aloha tsy niteny oe forcé-o faran'ze mafy ny ol mba hino ahy fa mafy anie zany very any @ helo zany, fanenenana mandrakizay, fikitrohanify
Tsia, tsy azo terena ianao hino. Ny zava-dehibe dia efa nambara taminao ny Lalana, sy Fahamarinana ary Fiainana. Indray andro any mantsy, hampatsiahivina ny ol manda an'i Tompo ny fotoana nadrenesany ny @ Jesosy mba tsy hilazany hoe an an an, ka za anie tompoko tsy nahalala e. Hum, mitresaka ny fo rehefa mamaky lé vrai témoignage-na ol nentin'ny Tompo nitsidika ny helo reny ny fanahiny. Mijaly ny ol very. Misy @ ireny tokoa anie ka tena mafy fo be fony fahavelony. Ary tsy vitan'ny manamafy fo fa mitaona ny ol hanamafy ny fony koa.
Tsarovy fa rehefa midaboka any @ helo zany dia tsy misy famonjena intsony any. Zao velona izao no mila mandray an'i Jesosy.

19. rhaj0 ( 27/02/2017 12:06)

irakiraka:
...mafy anie zany very any @ helo zany, fanenenana mandrakizay, fikitrohanify ... Mijaly ny ol very ...

Dia milaza ve izany Irakiraka fa nisy vavolombelona mihintsy mitantara izao "helo" izao.. Niverina avy tany @ Helo va re zareo dia nitantara?

Fa asa koa ho'a fa toa "fampitahorana" lavarenibe koa no asesik'i Irakiraka.. Nefa anie i Jesosy angaha mba "mampitahotra" sy "mampihorohoro" toa ianao io izany?

Fa dia lozanao mampihorohoro ny ankizy toa io..
20. irakiraka ( 27/02/2017 13:06)
Ny témoignage tsy natao hampatahotra fa hampahery ny mpino indrindra tsy hiverin-dalana, tsy hisangisangy fahotana, hitazona tsara ny famonjena, hijoro tsara @ fanompoana..." Ho avy faingana Aho, tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao"; mampahery indrindra koa hitory ny famonjen'i Jesosy.
(Tandremo fa misy foana koa ny "faux" mba ampiviliana sain'ol, satria satana sady fetsy no tsy kely lalana e).Ny vrai témoignage dia voaporofo @ alalan'ny verset biblique.
Fa Aza matahotra, Minoa an'i Jesosy dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao. Tsy ahatratra anao zany helo zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2487