Iza no Apostoly tianao indrindra?

21. rhaj0 ( 25/01/2017 12:08)
Mba nanontani-tena ve ianao ry RBNIR hoe, IZA no nanoratra ny Efesiana sy Korintiana ventesinao lava io? Tsy iza fa i Paoly.

Ka io ho'a eee..
- Raha i Jesosy no Karl Marx, niaingan'ny teoria
- dia i Paoly no Lenine, nandrafitra ny rafitra ampiasana ny teoria

Ka ny fahitako azy, i Endriny dia manoritra hatrany foana ny teoria na resaka fototr'i Jesosy. Fa i RBNIR moa, ny resak'i Paoly no mampetimety ny baoliny ao angaha. Ary ny loza azany, dia lazain'i RBNIR fa revin'i Jesosy ny revin'i Paoly. Ndana ho'a jereo sy halaino tsara ny revin'i Jesosy ao @ Matio-Marka-Lioka-Jaona eee.. ireo no revy nataon'i Jesosy en personne. Ny an'i Paoly, dia revirevin'i Paoly, izay mody lazainy hoe, i Jesosy hono no niteny azy an'izany. Nefa io dia resak'i Paoly, nohamarinin'izy Paoly ihany.

Dia io ho'a ilay rehefa tohizana ny fampitaha, dia i Herinirinan'i RBNIR no Mugabe eee...
22. endriny ( 25/01/2017 16:44)

RBNIR:

1er rang : apostoly,
2n rang : mpaminany
3 ème rang : mpampianatra
4 ème rang: fahagagana
5 ème rang ny manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana..........

Angaha misy fialaharana toa izao koa hono ry tony e?

Tsy ho lava taria aho fa hoy ilay mpampianatra mahay izay hoe: "Ny fitadiavan'ny olom-belona ny atao hoe tsaratsara kokoa no mitarika fahoriana sy ny fijaliana ary fikorontanana ho azy"
23. endriny ( 26/01/2017 05:33)
Aleo aseho ihany ny Lioka 16: 16 sao lazain-dry RBNIR fa mamorona aho.
24. rhaj0 ( 26/01/2017 13:40)
hi hi hi... ka i Paoly no namorona ireo MPANERA ireo kouh.. Dia izay no araviravin-dry RBNIR @ oron'ny olona ao, dia hikepokepohany ny 1/10-karenany koa.

Ny an'i Jesosy en personne angaha nisy "mpanera" izany?? i Jesosy irery no "manelanelana".

Fa dia henatra be vata ho'a ho anao ry RBNIR aa.. midedaka hoe 'tsisy-kilema" hono izao fampianaran'i Herinirina izao, nefa tena mambotry olona ... @ anaran'i Jesosy.

Loza sy Henatra ho anao ry RbNIR...
25. RBNIR ( 27/01/2017 05:48)
endriny:

Aleo aseho ihany ny Lioka 16: 16 sao lazain-dry RBNIR fa mamorona aho.

« Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. » (Lioka 16:16)

Vanimpotoana no tiana nasongadina teo...

Vanimpotoanan'ny lalàna sy ny mpaminany (fanekena taloha) : hatreo amin'i Jaona....Izay ilay hoe vanimpotoanan'ny Ambany lalàna (ny lalàna no nitaomana ny olona hanao ny sitrapon'Andriamanitra)

Vanimpotoanan'ny fahasoavana kosa (fanekena vaovao) manomboka teo.........(Manomboka teo dia nomena fahasoavana ny olona iray hahafahany manao ny sitrapon'Andriamanitra)
Fahasoavana = fanovana ny fo sy fanahy maimaipoana hifanaraka amin'ny zavatra notakian'ny lalàna (tsy misy ezaka intsony fa fo vaovao, fanahy vaovao no omeny maimaipoana ary io fo vaovao sy fanahy vaovao )

Tsy midika io fa foana ny lalàna, ary foana koa ny mpaminany....

« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
26. endriny ( 27/01/2017 14:16)
Mazava be io ry RBNIR a...

Ny lalana sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona

Ao aorinan'i Jaona dia efa tanteraka daholo ny faminaniana satria efa tonga ny Mesia (Jesosy). Ka ny aty aorianan'i Jesosy dia fitoriana sisa no nasainy natao fa tsy maminany intsony.

Mazava ny teniny : Miambena ary mivavaha fa tsy fantatrareo na ny andro na ny fotoana... ny Raiko irery ihany no mahalala...

Izay ilay hafatra, fa tsy hisy intsony izany hilaza fa mpaminany satria tsy hisy vinany ho vina inaina intsony satria tsy ho fantatra fa tonga tampoka ilay izy.

Ny hafatra faharoa dia hoe: mandehana torio amin'ny vazan-tany...

Fa tsy hoe ianareo no haminany ny ho avy

Ka aoka tsy avilambilana ilay teny mazava tsy misy pentina.
27. endriny ( 27/01/2017 14:21)
Raha tiantsika itarina dia misy ilay teny hoe: Mandehana ataovy mpianatro ny olona rehetra

Izany hoe nanomboka tamin'io didy io dia lasa mpianatr'i Jesosy daholo ny olona rehetra nandray ny hafany, fa tsy hoe ny sasany mbola niverina ho mpaminany indray, na ny hafa niverina ho Apostoly manokana mihintsy mba ivavahana.
28. rhaj0 ( 27/01/2017 16:54)
Inona tsara k'lou ny famaritana ny teny hoe Apostoly. Hozy Ragogola
Apostle:
1- each of the twelve chief disciples of Jesus Christ.
- synonyms: disciple, follower
2- any important early Christian teacher, especially St. Paul.
- the first successful Christian missionary in a country or to a people

Ka samy mandray ny famaritana tiatiany izany io k'atao ahoana azany.

Ny fahitako azy :

Famaritana 1- toa ny an'i Endriny, ny Apostoly dia "mpanaraka" an'i Kristia, ary ny olona rehetra koa dia (tokony) "mpanaraka" an'i Kristy, mianatra (direct) @ fampianaran'i Jesosy

Famaritana 2- toa ny an'i RBNIR, ny Apostoly dia "deba", mampianatra ny fampianaran'i Paoly (izay nitono-tena fa nobitsihan'i Jesosy hono izy)

Io foana ho'a no lazaiko hoe.. ry RBNIR dia TSY "Kristiana-Mpanaraka-an'i-Jesosy", fa "Kristiana-Mpanaraka-an'i-Paoly" (sy Herinirina mpaka tahaka mpambotry ny mahantra)
29. RBNIR ( 30/01/2017 05:41)
Afaka mametraka famaritana daholo ny tsi11, fa diniho tsara ireo nozaraiko ireo:
1 Tsy nisy nanandratra ny tenany ho apostoly ireo olona ireo fa i Jesosy no nanantona dia nifidy ary niteny hoe handeha hanaraka Ahy.....

2- Ny fampianarana noraisin'izireo dia fampianarana mivantana avy tamin'i Jesosy avokoa (tsy nisy mpanelanelana eny fa na dia tamin'i paoly apostoly izay apostoly voafidy taty aorian'ny nahafatesan'i Jesosy aza)....

Ka manana maso isika hamaky baiboly, raha misy mahita ny mifanohitra amin'izay tsy maninona fa zarao eto e! Forum ange ity e!
30. RBNIR ( 30/01/2017 06:36)

endriny:

Raha tiantsika itarina dia misy ilay teny hoe: Mandehana ataovy mpianatro ny olona rehetra

Izany hoe nanomboka tamin'io didy io dia lasa mpianatr'i Jesosy daholo ny olona rehetra nandray ny hafany, fa tsy hoe ny sasany mbola niverina ho mpaminany indray, na ny hafa niverina ho Apostoly manokana mihintsy mba ivavahana.

Raha ny baiboly no vakiana dia tsy izay loatra fa "hafa mihitsy" ny atao hoe apostoly...

Vakio ange ity teny ity e!.....« Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; » (Apok.2:2)

Io anarana io dia tian'ny olona ery ny misalotra azy (tsy vao izao fa na dia tamin'ny andron'ny fiangonana taloha aza dia efa nisy ny nilaza ny tenany ho Apostoly (NEFA TSY IZY)
31. endriny ( 31/01/2017 13:46)
Ilazao fa diso ny TV

Lioka 16: 16 Izany tsy marina

Matio 28: 19 izany diso ihany koa

hoy I RBNIR

Mankasitraka mankatelina Tompoko fa tena mahay mamaky sy mandalina Baiboly tokoa ianao
32. lahindroy ( 02/02/2017 13:55)
salama

aiza aiza amin'io no misy an'i RBNIR ? sa ondry tsotra ?
33. endriny ( 03/02/2017 17:03)
Mba mihomehy kely aloha alohan'ny hatory:

"Dada fa maninona kay isika no atao hoe "Ondrin'Atra"?"
- Dada: "Ny ondry no natao saritsarintsika satria ireny misy fotsy dia misy mainty ihany koa, dia misy fohy volo ary misy lava volo ihany koa. Ary rehefa voan'ny sery isika dia ohatran'ny ondry voan'ny deronina, mitsoni-dranon-delo lava"
- "Dia hono ho'a ry Dada, ahoana ny ondry misy rambo kanefa isika tsy misy"
- "Misy rambo isika ry Bozy rehefa maditra a"
- "mhmhmh ???? Hitako i Bema no misy rambo kely eo anoloanany"
- "Nga nojerenao ny rambon'i Bema?"
34. endriny ( 14/02/2017 07:59)
Andao aza atao hoe " Mbola misy ny mpaminany sy ny Apostoly ankehitriny"

Ka raha izay no izy, dia tokony ampiana ny baiboly, indrindra ny testamenta vaovao. Ary tokony ekena izany ny maha boky masina kristianina ny Koroany sy ny Maorimaona.
35. endriny ( 15/02/2017 06:14)
Rahoviana aza I Apostoly Tsaratsara no mba mandala eto hanazava an'ity?
36. allwonder ( 27/10/2017 17:30)

endriny:

Ry Herinirina sy ry Mayole izany mpaminany. Dia gaga ianao fa ny baiboly aza milaza fa tsy hisy faminaniana intsony madra-piverenan'ny zanakolona. Dia ry zareo anefa mitonono ho mpaminany. Dia tsy mamaky TV angamba ny mpanaraka an-dry zareo. Na mety nesorina tao ilay toko sy andininy milaza an'io.

Izaho aza moa tsy mahay koa

Aiza ao anatin'ny baiboly no milaza fa tsy hisy faminaniana intsony mandra-piverenan'ny zanak'olona? Fa ny Apostoly Paoly aza milaza fa mbola misy izany:
Romana 12:6
6| Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;

Ary Jaona aza dia mbola naminany mihitsy
Apokalipsy 10:11
11| Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.

Koa tsara raha amarininao tsara ny teny izay lazainao

Na izany na tsy izany aza dia misy kosa ny mpaminany sandoka
1Jaona 4:1
1|Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.

IZAO NO ANISAN'NY AMANTARANA AZY:
Deotoronomia 18:22
22| Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.

tahaka ilay hoe 2013 naminany fa ho lasa filoha izy, nefa tsy tanteraka, dia hoy ny Baiboly hoe sandoka io mpaminany io
37. allwonder ( 27/10/2017 17:31)

38. allwonder ( 27/10/2017 17:35)

endriny:

Apostoly Benjamina sa Apostoly Tatandraza sa Apostoly Tsaratsara?

Apostoly Benjamina,
io ihany zao no mba hitako hoe manam-pahendrena amin'ireo, sady io no voalohany amin'ireo fa le anakiroa tonga dia hita be hoe mangalatahaka izay ataony,
Raha misy mahatsikaritra ianareo dia jereo anie fa isaky ny manao zavatra ilay Apostoly Benjamina dia mangalatahaka an'io izy 2 ireo sy maro hafa koa, 1 volana na 1 herinandro aty aoriana
39. Kaboda ( 30/04/2018 20:32)
Ny Ahy Apostoly Tsara Tsara.Io No Sahy Mitory Fahamarinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2598