"Saino kely ange..."

1. stahtam ( 21/11/2016 06:51)
RAFIERITRERETANA - 14/04/2015 19:32
[quote=Rafieritreretana]
Lasa hoaho ny saiko raha nandinika teny vitsivitsy nataon'ny mpaminany tamin'ny zanak'Isiraely, eny fa ny Mesia koa aza.
Noheveriko mantsy fa tena vahoakan'Andriamanitra marina tokoa ny zanak'iIsiraely, kanefa teny mandevilevy toy izao nahazo azy avy amin'ireo izay manana ny Fanahin'Andriamanita:

Jaona mpanao batisa:

- Matio 3:7/ Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: RY TARANAKY NY MENARANA, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Mesia:
- Matio 12:34/ Ry TARANAKY NY MENARANA! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara?
- Jaona 8:43-44/ Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. HIANAREO AVY TAMIN'NY DEVOLY RAINAREO, ka izay sitraky ny RAINAREO (devoly) no tianareo hatao (...).
- Matio 23:15/ Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ARY REHEFA AZONAREO IZY, dia ATAONAREO ZANAKY NY HELO MIHOATRA INDROA LAVITRA NOHO IANAREO aza.
- Matio 23:27/ Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.
- Matio 23:33/ Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?

Raha toy izany ary ny ampahany amin'ireo teny mandrivorivo nahazo ny zanak'Isiraely izay vahoakan'Andriamanitra! DIA MBA AHOANA KOSA NO ANJARATSIKA JENTILISA, izay tsy nahalala an'Andriamanitra akory fahiny????

[quote=stahtam]
Raha namadibadika teto @ ity forum ity ny tenako dia mba te-hitsapa ny halalin'ny fandinihana nataon'ny olona mpandefa itony resaka itony. Raha mahatakatra tsara ny mpamaky dia hahita fa milaza @ fomba ankolaka ny mpanoratra hoe: tsy olon'Ilay ivavahana ny Zanak'Israely ka ireo versets ampahampahany ireo no santinony @ porofo omeny.
Ka raha mba apetrako ireto fanontaniana ireto dia ahoana no valin-teny avy @ mpanoratra?
1- "...dia tonga tany @ azy Izy fa ny AZY tsy nandray Azy...": iza no tondroina @ hoe "Azy" ireo? Ireo TSY AZY ve?
2- Nahoana no nanatona ny batisan'i Jaona ireo Fariseo sy Sadoseo ireo? Satria ve tsy AZY?
3 - Ny fototr'ireo versets manaraka rehetra dia ny Matio 23; ka zavatra mba nahagaga ahy (fanahy iniana ve sa tsy nahy?) ny tsy mba nitanisàna ny andininy 1 mihitsy;
Nahoana ny MPIANANY no nasain'ny Mesia HIHAINO sy HANAO izay REHETRA lazain'ny zanaky ny devoly sy ny mpihatsaravelatsihy ary ny fasana milalotra fotsy...?
Sao dia mba efa misy fisainana tiana hapetraka @ mpamaky fa mody manontany mba tsy te-hiharihary imasom-bahoaka ilay hoe "ekeo ny fieritreretako fa marina"?
Inona no mba famaritana omen'ny mpanoratra ny hoe vahoakaNY: olona tsy misy pentina ve? Ary rehefa maditra ve, na voasazy, dia TSY oloNY tokoa?
novalian'i stahtam ny 02/01/2017 11:08
2. Strong3 ( 22/11/2016 07:59)
Finaritra!

Nahoana moa no tsy alalinina kely ny antony nahatonga an'i Jesosy hiteny ireo tamin'ny Jiosy ?

3. stahtam ( 22/11/2016 11:17)

[quote=Strong3]
Finaritra!

Nahoana moa no tsy alalinina kely ny antony nahatonga an'i Jesosy hiteny ireo tamin'ny Jiosy ?

[quote=stahtam]
Fanitsiana sy fananarana fa tsy fanesorana andraikitra
4. Strong3 ( 24/11/2016 07:51)
izay no nambarany tamin'i Petera hoe:

"... izay efa nodioviko aza atao ho maloto intsony..."
sy araka ny tenin'i Paoly:
« Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika] » (Kolosiana 3:11)
« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. » (Kolosiana 3:12)
5. rhaj0 ( 24/11/2016 12:14)
Mahery anie izany tori-tenin'i Strong3 izany eee.. i Petera dia i Paoly..

Intsy misy Youtube, izay tena mbola mahery noho izany, satria dia i Petera sy Paoly, ampian'i Maria..

6. lahindroy ( 12/12/2016 12:03)
misaotra an'i rhajO nanolotra antsika an'io hira noforonon'i Bob Dylan fony izy vao 20 taona monja ary manaseho fa mendrika tokoa ny "prix Nobel de littérature" natolotr'azy tamin'ity taona ity izy

ny zavatra nisy misongadina dia raha fintinina dia roa :
-ny fisarahan'ny Jiosy nitazona ny maha izy azy (mbola tsy tongany tena mesia nandrasany hatramin'izay ohatra) sy ny Jiosy nanaradia sy nanaiky an'i Jesoa ho mesia ary ireo jentilisa nanaraka an'i Jesoa teo ambany fitarihan'i Paoly : hita taratra amin'ny asa soratra nataon'ireo mpanaradia an'i Jesoa izany fifanolanana izany , izay nivadika ho fanenjehana mahery vaika
-ireo fanenjehana ireo no ho lasa fototra niaingan'ny famonoana sy ny fihezahana nataon'ny kristiana handringanana ny Jiosy efa ho 2000 taona latsaka izao
7. Strong3 ( 13/12/2016 05:51)

rhaj0:

Mahery anie izany tori-tenin'i Strong3 izany eee.. i Petera dia i Paoly..

Intsy misy Youtube, izay tena mbola mahery noho izany, satria dia i Petera sy Paoly, ampian'i Maria..

mahalatsaka mihitsy anieo nareo ry rhaj0 eh...

tsy misy idirany mihitsy ilay resaka

fa maty koa angamba ity sera ity raha tsy eo ianareo sy ny mpianatrao hanaitaitra azy ity
merci eh
8. rhaj0 ( 13/12/2016 20:47)
tsy misy idirany ahoana ilay resaka ry Strong3 aaa... Tena tsy takatrao ny fantsin'i Peter Paul sy Mary, na i Bob moa izany eee... nefa tena mahavaly ny resaka.. gogoleo anie eee..
http://lmgtfy.com/?q=what+does+blowing+in+the+wind+mean
9. rhaj0 ( 14/12/2016 15:23)
Ilay fantsin'i Bob dia hoe:
The Answer My Friend, Is Blowing In The Wind...

Ka n'inon'inona fanontanianao,
Momba ny fiainan-draolona izao,
Dia ... efa eny @ rivotra eny
Ilay tokony ho valin-teny.
Fa ianao moa ry My Friend no toa minia tsy mahalala,
Dia manao resabe tsy loa-body, sy mampandry valala.

hi hi hi.. f'angaha tsy efa vita poezia koa eee..

Fa tena lalin-tsaina i Dylan an.. izao prix nobel izao anie ka misy sandany ee....
10. stahtam ( 16/12/2016 04:28)

[quote=Strong3]
izay no nambarany tamin'i Petera hoe:

"... izay efa nodioviko aza atao ho maloto intsony..."
sy araka ny tenin'i Paoly:
« Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika] » (Kolosiana 3:11)
« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. » (Kolosiana 3:12)

[quote=stahtam]
Efa novakianao ve ny Romana 3/1,2 izay nosoratan'i Paoly?
11. endriny ( 01/01/2017 07:38)
Dizina be angamba ry Jaona sy Jesosy tamin'ireo dia nafangarony ny voalazan'ny BAIBOLY, raha tsy hoe DISO koa ny BAIBOLY a

Aiza ka ny taranak'i Adama sy Eva no nolazain'izy roalahy fa taranaky ny Menarana... Raha tsy hoe nisy andininy tsy hitan'ny olona koa ao anaty Genesisy 1 : 12,5 - 12,75 : Ary I Eva dia nanan'anaka avy amin'ny menarana.

Mety tsara koa io a

Bibiolona
12. stahtam ( 02/01/2017 08:39)

[quote=endriny]

Ny tena marina dia olombelona ihany ireo fa ilay saina ao anatiny no maha-taranaky ny menarana azy araka ny Genesisy 3/15 (mpifandrafy hatr@ farany ireo); Andao hapetraka hoe "MARINA io resaka io". Ny tsy takatr'ilay nampiditra io lohahevitra io teto dia ny hoe: fa naninona no nasainy nataon'ny MPIANATRY ny MESIA izay zavatra nolazain'ireo "taranaky ny menarana" ireo? Ary io no namandrika sy nahataraiky azy satria maika tary @ fanenjehana sy fankahalàna olona ingahirainy tahaka ny doctrine izay voizin'ny kristiana ankehitriny ihany.
13. endriny ( 02/01/2017 09:13)

Dia ilay Menarana koa amin'io tsy misy any israely fa eto Madagasikara ihany. Ary sao dia izany tokoa aza no mampitotongana antsika rehetra eto Madagasikara eto, satria eto amintsika mandrakariva ny menarana. Dia mety teto koa I Adama sy Eva taloha no nipetraka.

Fa rediredy ihany izany, fa ny fiantsoana ny olona ho "Taranaky ny Menarana" tamin'izany andro izany dia karazana "Fanompana" ankitsirano izao, nanehoana ny hatezerana ohatra antsika miteny hoe " Ilay Zanak'alika ity" na "Ilay zana-baratra ity". Fa ny Jiosy moa rehefa mifanompa dia tonga dia hoe : "Zanaky ny Afo", "Zanaky ny Devoly", "Zanaky ny Baala", sns

Dia io no mbola vohizina izany atao fanompana sy fanozonana ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tena.

Dia tsy gaga isika raha tamin'ny 2009 noforonina daholo ity tady mahazaka sy lohan'osy nolazain'ny mpiandry fa hoe nilevona teo amin'ny vavahadin'Ambohitsorohitra, mba anaporofoina imasom-bahoaka fa nipetraka tao Ambohitsorohitra tokoa ny "zanaky ny devoly"
14. stahtam ( 02/01/2017 11:08)

Ka izay mihitsy ilay ady voalaza hoe: hatr@ taranakao ka! Ady hatr@ farany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.304