Kolosaina Malagasy sy Kristianisma

1. rhaj0 ( 16/11/2016 15:01)
[size=15]
calin.brandon:
mila mahalala ny kolontsaina Malagasy ianao ? Tongava aty dia ampianarina.
[/size]
Akisako dia avoitrako eto ity fa tena zava-dehibe loatrany. ka dia manantena an'i Ramose Brandon izany.
[size=8]Fanamarihana:
- dia efa hoe TSY ho ahy ny resaka eto fa ho an'izay rehetra mandalo eto
- eto @ finoana/fivavahana ny lohahevitra azony tena mifampiditra be ito
[/size]
Averiko indray, fa dia ankalazao... dia efa isaorana mialoha i Calin mampianatra etoy.

[size=15]
calin.brandon:
mila mahalala ny kolontsaina Malagasy ianao ? Tongava aty dia ampianarina.
[/size]
novalian'i rhaj0 ny 15/12/2016 14:55
2. rhaj0 ( 17/11/2016 10:19)
Eo am-piandrasana an'i Calin, dia nigogola kely aho, fa kay efa nisy namana nanoratra teto @ seraserantsika nampiresaka

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f5e0f82117aa


201007jacky:

Amin'izao vanin'andro iainantsika izao dia tsapa sy hita mibaribary ny fahaverezana tsikelikelin'ireo kolontsaintsika malagasy. Izany indrindra no nahatonga anay hanasongadina eto ny kolontsaina malagasy manoloana ny riba vahiny ary hamelabelatra amintsika araka izay hita sy tsapa ary ré fa voasinton'ny riba vahiny ny ankamaroan'ny Malagasy (tanora indrindra).Manoloana izany dia mihamanjavona ny zava-bita malagasy ary dia inoana fa hanjavona tanteraka afaka taona vitsivitsy.

Raha nilaza izahay tetsy ambony dia nanambara fa fahaverezana tsikelikely , nefa mety ho diso ihany izany amin'ny ampahany fa misy ireo kolontsaina mampiavaka ny faritra iray eto Madagasikara no efa tsy hita mihintsy intsony.Ao ireo faritra sasany mbola mampiasa azy , nefa raha tontaina isa izany dia any ho any amin'ny telompolo isan-jaton'ny olona aùmin'io faritra io no mampihatra izany.Azo sary an-tsaina ve ny antony mahatonga izany ? Eny , tsy sary an-tsaina intsony fa efa sary an-tsapa .

Avy aiza ? Nahoana ?

Avy amin'ny fidirana sy fiondanana kolontsaina sy riba vahiny ny fahaverezana , satria io dia sahala amin'ny akanjo vaovao sy efa azo ela na elaela ihany.Rehefa nahazo akanjo vaovao ny olona iray dia azo inoana fa hitombo bebe kokoa ny fitiavany ilay vaovao .Mihen-danja araka izany ny fitiavana ilay voalohany efa tonga taloha teo.Dia tahaka izany hatrany hatrany , izany hoe raha vao misy zava-baovao "nouveauté", dia iny fa manaraka am-bokony ny sasany , hany ka mihavery tsikelikely ny an'ny tena.Lasa mitomany randrana tsy manendrika ny tena.Tsy voadinika akory na mahasoa ve na tsia fa variana fotsiny amin'ny mahafinaritra sy nyb manaitra ny olona fotsiny.Ny fandroana amina dobo tsy fantatra mantsy dia mety hiteraka aretina na mety hiteraka fahafatesana mihintsy , satria tsy fantatra na misy voay ve ao na dobo feno valan'aretina, sns.... fa dia irobohana fotsiny dia tafalatsaka.Na mba ny tokony ho natao aloha mitsapa ny halalin'ny rano.Raha tsy hilaza afa-tsy ny horonan-tsary mihetsika izay mamoa-fady , izay tena mifanohitra amina kolon-tsaina sy riba malagasy mihintsy.Amin'izany fotoana izany dia tsy misy intsony ny mpifady , fa dia miara-mijery ilay horonan-tsary ao daholo.

Eo amin'ny lafiny fomba fitafy ihany koa dia tena mahamenatra mihintsy ny ataon'ny sasany .Zipo manara-pe , tsy mivaky loha aho "je m'en fou" ,kilaoty fohy , borotsaka , ... . Moa ve mihevitra isika fa mety amin'ny maha-izy azy antsika ireny ? Mba nijery fitaratra ihany ve ianao na mba nieritreritra kely sy nanontany tena fa mety sa tsy mety ? Moa ve ireo olona sasany mihomehy anao ka heverinao ho fetezan'ilay zavatra atao ? Asa re....

Tsy milaza anefa izahay fa izay kolontsaina sy fombafomba fanao vahiny dia ratsy avokoa.

Misy amin'ireny kolntsaina vahiny ireny dia tena azo alain-tahaka tokoa ary hita fa mampandroso sy mampivoatra ny an'ny tena ireny raha mahay mampiasa azy.

(Mbola hitohy...)
3. rhaj0 ( 17/11/2016 10:24)
http://forum.serasera.org/forum/message/m57ed140fc41cc

201007jacky:

Kolontsaina?

Teny telo no nahazoana io anarana io: kolo + na + saina
Ny "kolo" dia avy amin'ny hoe "mikolo", "koloina", "mikolokolo", "kolokoloina", "ikoloana",... Azo adika hoe "mikarakara" ny hoe "mikolokolo".
Ny "na" dia zanateny mpanakambana teny roa amin'ny alalan'ny tsipi-panohizana na ho teny iray izay milaza hevitra tokana.
Ny "saina" dia ilay fitaovana entina mandinika, mieritreritra, hahafahana mifidy ny tsara sy ny ratsy, hitsinjovana ny ho avy. Manakaiky ny hoe "fanahy" ny saina, fa ny lanjany no samy hafa.

Araka izany, io teny tokana io dia azo faritana hoe fitambaran'ireo fomba, fihetsika sy fitaovana izay mampiavaka ny antokon'olona,na foko, na ny faritra na ny firenena iray amina antoko na faritra na firenena iray. Ohatra:ny kolontsaina tandrefana.

Ao anaty vondrom-piarahamonina dia fitambaran'ireo singa manavaka ny toetra amam-pihetsik'olona (fiteny, fomba fihetsika, fitafy,...) amin'ny olona hafa tsy iray vondrona aminy: kolontsain'ny ambany tanàna, ireo olona mipetraka an-tanàna mandroso kokoa, kolontsain'ireo karazan'olona izay nisy teto fahiny(andevo sy ny hova,...)

Fitambaran'ireo kanto izay mampiavaka ny faritra na firenena iray hatrizay. Io ilay hoe "VAKOKA" na harena: ny dihin-drazana (horija, hira gasy, jijy,...), ny lalaon-drazana (katra na katro, fanorona,...).
Ireo rehetra ireo dia nentina sy entina mba hikolokoloana ny saina izay fitaovana entina mandinika, hahafahana mampahatsiahy sy hitandrovana ireo tsara sy mevan'ny foko na faritra na vondrom-piarahamonina na ny firenena iray.
Aseho indrindra ireo rehefa milanona, na ara-panjakana, na ara-piarahamonina na isaky ny tonon-taona. Na ny fiainana andavanandro dia anehoana azy io.


Ho hitantsika manaraka ireo kolontsaina malagasy sy ny mahasaozanina na mahavery hasina azy ankehitriny.




4. rhaj0 ( 17/11/2016 13:56)
Raha jerena ny Rakibolana, dia hoe

http://tenymalagasy.org/bins/teny2/kolontsaina
KOLONTSAINA = fitambaran'ireo fomba sy filamatra entina hanabeazana ka zary fomba fisainana raikitra

kolontsaina = kolo + saina
(ny s- lasa ts- ary rahefa atambatra ireo teny, dia asisika -n-)

http://www.rakibolana.org/
KOLO : karakara, kajy.
SAINA : a.: Fitaovan'ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala



Mety hanamora ny fahazoana ny dikan'ilay teny, dia raha ifanampiana tanisaina ireo "fomba sy filamatra" Malagasy, izay tena Malagasy hatrany ifotony, ary miavaka tsara, fa tsy hoe, nampidirin'ny vazaha, h@ Laborde ka h@ izao, na koa, ary indrindrindrindra, nampidirin'ny Fivavahana Kristiana.
5. lahindroy ( 12/12/2016 12:08)
dia mba miandry ny fampianaran'i calin.brandon tokoa izahay ary na ny solon"anarana entiny aza dia ekena fa mifono lalina ...kolontsaina malagsy tokoa
6. rhaj0 ( 12/12/2016 12:39)
Ka i Calin Brandon efa tsy hita intsony, fa dia ndao tohizana azany ny resantsika.

Ny kolontsaina tsotra indrindra angamba dia ny sakafo. Ka ny fanontaniako dia hoe:
ahoana ny menu Malagasy ary inona ny fady Malagasy, raha miolotra @ ny an'ny Kristiana, na ny ao @ Baiboly.
7. rhaj0 ( 15/12/2016 14:48)
Ka inona azany aloha no voasoratra (dia voasoratra) ao anaty Baiboly raha ny @ sakafo

Genesisy 9:3 Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4 Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.

Levitikosy 7:22 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory hianareo, na ny an’ ny omby, na ny an’ ny ondry, na ny an’ ny osy.



Dia ahoana anefa hozy ny fomba Malagasy.

1- moa va misy "biby mihetsiketsika" izay TSY azo hohanin'ny Malagasy? nefa i Genesisy io milaza hoe hano daholo

2- moa va tsy ny trafon-kena no tena tsara? nefa i Levitikosy io mandrara ny hihinanana sabora na jabora, @ anglisy = fat
8. rhaj0 ( 15/12/2016 14:55)
Ao @ Levitikosy 11:4-44 no (isan'ny) mamaritra ny (tsy) fihinana rehetra.

Alohan'ny hamabahana anefa aloha, IZA no nanoratra an'io Levitikosy io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983